Mandresy i Michelle Bachelet Saingy Mbola Hiatrika Fifanintsanana

Michelle Bachelet votes on November 17, 2013 in Santiago, Chile. Photo by prensachile3, copyright Demotix

Michelle Bachelet mifidy, 17 Novambra 2013 tao Santiago, Shilia. Sary an'i prensachile3, fizakàmanana Demotix

Miaraka aminy'ny taha 46.7% amin'ny isam-bato, ny filoha Shiliana teo aloha Michelle Bachelet no nandresy mazava tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tao Shilia. Kanefa, tsy maintsy hiatrika ny fifidianana fifanintsanana farany amin'i Evelyn Mattheiilay mpirotsaka avy amin'ny mpandàla ny nentin-drazana izay tonga teo amin'ny toerana faharoa tamin'ny isam-bato 25% ity Tale Mpanatanteraka teo anivon'ny UN Women ity.

Tsy zava-nahagaga ny nandresen'i Bachelet, satria ireo vinavina sasany aza efa nanambara fa mety handresy amin'ny ampahan'isa antsasa-manila amin'ny vatom-pifidianan'ny fihodinana voalohany izy.

Saingy any anaty tambajotra sosialy dia naneho ny tsy hafaliany tamin'ny firotsahan'i Bachelet sy ireo mpiara-miasa taminy teo aloha nandritra ny fampielezankevitra ireo mpampiasa. Taorian'ny vokatra azo omaly, maro ireo naneho hevitra mikasika ny fahasamihafàna teo amin'ny fomba fijery ety anaty tambajotra sy ny zava-misy iainana ao Shilia :

Tetika iray ho anà marika: Taorian'ireny voka-pifidianana ireny dia fantatrareo tsara fa TSY misy lanjany ny tambajotra sosialy.

[ Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao ] Faly aho mahafantatra fa tsy mahasolo ny tena zava-misy iainana nytambajotra sosialy. Vondron'olona vitsivitsy niangaran'ny vintana isika ka manana smartphone.

[Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao] mety tsy manana Twitter ianao.

Mba tiako ho fantatra hoe firy tamin'ireo nampiasa ny tenifototra #SiVotastePorBachelet no mba nandeha nandatsa-bato….Tsy afaka hanova firenena avy aty anaty tambajotra sosialy ianao!!.

Nanjary lohahevitra noresahana be tao Shilia ny tenifototra #SiVotastePorBachelet [Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao] nandritry ny androm-pifidianana, ary mbola tahaka izany androany koa, andro iray nanaraka ny fifidianana.

[Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao] aza mitaraina mikasika ny diabe fitakian'ny mpianatra.

[Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao]
-Atombohy dieny izao ny fanaovam-beloma ny Pyme kelinao (fandraharahana madinika sy salantsalany)
-Tsy misy zavatra maharitra
-Arahabao i Monsanto
-ho be kokoa ny vondrom-pihary herinaratra ampiasana angovo nokleary
Tokony mbola hotohizako ve?

Conservative candidate Evelyn Matthei will face Michelle Bachelet in a runoff vote on December 15, 2013. Photo by Fernando Lavoz, copyright Demotix

Evelyn Matthei, mpirotsaka avy amin'ny mpandàla ny nentin-drazana, no hifanatrika amin'i Michelle Bachelet amin'ny fifidianana fifanintsanana amin'ny 15 Desambra 2013. Sary an'i  Fernando Lavoz, fizakàmanana Demotix.

Mandritra izany, Jeaneth Alexandra manipika ny hoe :

Manomboka mihamafy ny fandraisan'andraikitry ny vehivavy.  Mpirotsaka roa [vehivavy] , Bachelet sy Matthei, amin'ny fifanintsanana ho filoham-pirenen'i Shilia.

Samy miarahaba ny mpirotsaka hofidiana tohanany ireo mpanohana an'i Bachelet sy Matthei :

Arahaba no atolotra ho an'ilay ho filohan'ny fireneko atsy aoriana atsy…vehivavy iray feno fahavononana. Miaraka aminao aho [ry Michelle Bachelet]

Hizotra ho amin'ny fifidianana fifanintsanana isika ny 15 Desambra, hisian'ny governemanta feno fanovàna

Farany, anatinà fomba fijery mampihavana no anoratan'i Julio Arriagada hoe :

Tsara loatra ho an'ireo Shiliana nandeha nifidy. Ankehitriny isika dia tsy maintsy manetsiketsika ireo izay tsy niraharaha akory ny fandatsaha-bato. Arahabaina ry Bachelet sy Matthei. Ho ela velona i Shilia!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.