Fihinanana Fanafody: Lasa Lavitra Loatra Ve Ny Fandraràna An'i Viktor Troicki Matianina Amin'ny Lalao Tennis?

Viktor Troicki signing autographs at PTT Thailand Open 2009; photo courtesy of Government of Thailand, used under Creative Commons 2.0 License.

Viktor Toricki manao sonia ‘autographe’ tao amin'ny Fifaninanana PTT Thailand Open 2009; Sary nindramina tamin'ny Governemantan'i Thailand, nampiasàana ny Lisansa Creative Commons 2.0 

 

Voarara tsy hiditra hankahery ireo mpiray tarika taminy tao amin'ny kianjan'i Belgrade nandritra ny famaranana ny Coupe Davis ilay Serbiana manana laharana iraisampirenena amin'ny lalao tennis, izay nahanton'ny International Tennis Federation (ITF) noho ny tsy nanatrehany ny fitiliana fihinanana fanafody tany amin'ny fiandohan'ny 2013, fihetsika iray izay niteraka fanontaniana avy amin'ireo mpankafy azy mikasika ny tsy fitanilana su fahaiza-mandefitry ny rafitra fitiliana fandraisana zavamahadomelina amin'ny fanatanjahantena. 

Tany amboalohany dia fampiatoana 18 volana no azon'i Viktor Troicki tsy hahazo mandray anjara amin'izay hetsika fifaninanana rehetra noho izy tsy nanatrika ny fitiliana, saingy nandà ny fiampangàna azy izy, tamin'ny filazany fa efa nanome santian'ny pipiny izy izay voatily fa tsy nisy zavatra voaràra tao anatiny. Vitany ny nampihena ny saziny ho 12 volana tany amin'ny fiandohan'ny volana Novambra, ary ny Fitsarana Mpanelanelana amin'ny Fanatanjahantena dia nilaza fa tsy nisy mihitsy  marika hamantarana fa hoe “nikasa ny handositra ilay fitiliana zava_boaràra tao anatin'ny vatany i Troicki  

Voaràra tsy hahazo mantrika fifaninana ihany koa ilay tanora matianina amin'ny lalao tennis, ka isan'izany ny manasa-dàlana tamin'ny Coupe Davis izay nilalaovan'ny ekipam-pirenena Serbiana tamin'ny Septambra, raha mbola teo ambany fandinihana hatrany ny fampiakarana didy nataony.

Tatitra iray manokan'ny New York Times [en] no namintina ireo tranga sady nanampy vaovao mahaliana vitsivitsy :

Raha tany amboalohany dia natsahatray ny International Tennis Federation nandritra ny 18 volana, nihena herintaona ny sazin'i Troicki taorian'ny fampakarana tany amin'ny Fitsarana Mpanelanelana amin'ny Fanatanjahantena tamin'ny herinandro lasa. Saingy ho azy io fandresena azo io dia mbola mamofona faharesena ihany, ary ny tranga mahazo azy dia niteraka fanehoankevitra maro samihafa tany amin'ny vovonan'ny lalao tany, nahitàna an'i Andy Murray sy Roger Federer naneho ny fanohanany ny rafitra fitiliana fandraisana zavamahadomelina amin'ny tennis, ary ireo namana akaiky an'i Troicki sy Novak Djokovic mpiara milalao aminy nandrovi-tsihy tamin'izany.

Kanefa, na dia taorian'ny fikatonana ofisialy natao an'ilay fampiatoana sy ny fanadihadiana mikasika azy aza, mbola voaràra indray tsy nahazo nanatrika ny famaranana Coupe Davis [sr] i Troicki, izay natao tao an-kianjan'i Kombank tao an-tanàna nahaterahan'i Troicki ao Belgrade tamin'ny 15 Novambra 2013. Ny Federasionan'ny Lalao Tennis Serbiana (TSS) dia nanapa-kevitra hanohana ny fanapahan-kevitry ny ITF tanteraka tamin'ny fandraràna an'i Troicki tsy hanitsaka ny kianja na dia ho toy ny mpijery tsotra mandoa vidim-pidirana aza, izay noheverin'i Troicki hatao mba hanohanany ireo mpiray tarika aminy hilalao ny famaranana iny alina iny. Ny sasany tamin'ireo media aza dia miteny fa nizara ny sarin'i Troicki tamin'ireo mpiambina ny kianjan'i Kombank mihitsy ny TSS, ary teny am-baravarana rehetra teny mba ho azo antoka ny hamantarana an'ity mpilalao tennis ity dieny mbola eny ka tsy hamelàna azy hiditra, na manana tapakila fidirana na tsia.

Raha tsy hojerena ny resaka fampiatoana sy ny fiampangana, na ny fijery manokan'ireo naman'i Troicki, manontany ankehitriny ireo mpankafy azy raha toa ka samy manana zo araka ny lalàna ny Federasiona Iraisampirenena sy Serbiana hametra ny fahafahan'ny olona iray mivezivezy araka izay tiany tahaka izao. Maro amin'ireo tambajotra sosialy, ireo sehatra fifanakalozan-dresaka sy anaty fenohankevitra amin'ny lahatsoratra anaty aterineto momba io olana io no miampanga ny ITF sy ny TSS ho manitsakitsaka ny lalàna fototra mifehy ny isam-tanan'olona rehefa nandràra an'i Troicki tsy ho afa-manatrika ny lalao amin'ny maha-mpijery tsotra azy eny amin'ny toerana hiarahany amin'ireo mpankafy marobe   hafa.

Dejan Nikolić, mpanao gazety sady mpanorina ny tranonkalam-baovao Serba mahatsikaiky sy be mpahalala Njuz.net, dia nandefa tao amin'ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook ny fanehoankevitra iray ho hitan'ny besinimaro mikasika ilay olana :

Fascinantna mi je ova situacija, ako je tacno, gde Troickom biva ograniceno kretanje kao gradjaninu zato sto ga je neka sportska organizacija suspendovala. Mislim da je to pitanje za ustavni sud, Strazbur i jos pokoju instituciju za ljudska i gradjanska prava.

Jedna je stvar ne dozvoliti da ucestvuje na turnirima, sasvim druga ogranicavati slobodu kretanja.

Hitako ho mahazendana ity zava-mitranga ity, raha marina, izay hameperana ny fivezivezen'i Troicki amin'ny maha-olom-pirenena tsotra azy noho izy naaton'ny fikambanana ara-panatanjahantena iray. Heveriko fa raharaha tokony horaisin'ny Fitsarana araka ny Lalam-panorenana ao Strasbourgh io, ary ireo andrim-panjakana vitsivitsy misahana zon'olmbelona sy zo sivily.

Zavatra iray hafa ny fandraràna olona tsy handray anjara aminà fifanintsanana, iray tena hafa tanteraka kosa ny fandraràna azy tsy halalaka amin'ny fivezivezeny.

Anatin'ireo fanehoankevitra miisa 52 amin'ny lahatsoratr'i Nikolić, misy irao izay nitanisa fa hoe ny fitsipiky ny ITF milaza fa ireo mpilalao izay voasazyn'ilay fikambanana dia voaràra koa any amin'izay rehetra hetsika sy fifaninanana ara-panatanjahantena mifandray amin'izany. Ny maro amin'ny mpaneho hevitra, na izany aza, no nanontany izay mahatonga ny ITF na fikambanana ara-panatanjahantena hafa afaka hanana fahefana handràra olona iray, tafiditra amin'izany ireo mpilalao voasazy, tsy ho afaka hividy tapakila sy hanatrika hetsika tahaka izany toy ireo olom-pirenena tsotra.

Afaka jerena koa ny fanehoankevitra mitovotovy amin'izany any amin'ireo lahatsoratra amin'ny fiteny maro samihafa ety anaty aterineto, ary tsy ny Serba mpankafy tennis ihany no mitaraina sy mahamarika zavatra tahaka izany. Ho setriny'ny lahatsoratra fohy ao amin'ny vavahadin-tseraseran'ny tennis Italiana, LiveTennis.it,  miaraka amin'ilay vaovao hoe tsy manana alàlana hiditra ny kianjan'i  Kombank ao Belgrade amin'ny maha-mpijery tsotra azy i Troicki, hoy i Francis :

allora ne dico un’altra di scemenza ribattendoti che quanto dici mi pare molto strano… nel senso che l’atp o l’itf o la federazione serba possono non considerare valido il pass da addetto ai lavori e vietare l’accesso ai settori a loro destinati; vietare l’ingresso con regolare biglietto pagato vorrebbe dire una palese limitazione della libertà individuale.

Ankehitriny dia miteny zavatra tsy misy fotony tanteraka mihitsy ry zareo rehefa niteny zavatra hafahafa be tamiko – amin'ny lafiny hoe ny ATP sy ITP na ny Federasiona ao Serbia afaka manao hoe tsy manan-keny ary voaràra tsy hiditra kianja ny fahazoan-dàlana iray natao ho an'izany toerana izany, ny fandraràna tsy hiditra atao aminà tapakila iray novidiana dia midika fameperana mivandravandra be ny fahalalahan'ny isam-batan'olona.

Mpamaky irya hafa an'io lahatsoratra io ihany, Andy86, no nanampy hoe :

Francamente mi pare una cosa veramente che non sta ne in cielo ne in terra… lui è squalificato piu o meno giustamente (non sta a me dirlo) per quello che riguarda la sua attività agonistica, ma che ora non lo facciano entrare allo stadio, mi pare veramente fuori dal mondo..

Mba marina mafy fa misy zavatra iray manafin-tohina ahy faran'izay mafy na eto an-tany io na any an-danitra an – azo ambara ho ara-drariny ny nanilihana azy (tsy dia izaho loatra no tokony hiteny an'izay) mikasika izay hestika ataony ara-panatanjahantena, saingy ny fandraràna azy tsy hiditra kianja kosa, tena zavatra mahatezitra ahy marina kosa eto ambonin'ny tany an…

Samy tsy nisy namaly ny fanontaniana napetraky ny olona na ny ITF na ny Federasiona Serba, ary tsy nanao fanambaràna ry zareo milaza ny mety ho nananany fahefana handràra mpilalao iray, na iza io na iza, tsy ho afaka hividy tapakila aminà lalao tennis sy tsy ho afaka hampiasa izany tahaka ny mpijery tsotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.