Fandokafana Ny Dian'ny Filoha Tany Eoropa Fotsiny Ny Tatitra Avy Amin'ireo Fampahalalam-baovao Koreana Tatsimo

Vao nahavita fitsidihana ofisialy nandritra ny herinandro tao Eoropa Andrefana ny filohan'i Korea-Atsimo, Parc Geun ho fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-bola miaraka amin'i Belzika, Frantsa ary Angletera.

Saingy misy ireo zavatra hafa, tsy ho hitanao amin'ny fitantarana avy amin'ny fampahalalam-baovao Koreana.

Notsikerain'ireo mpiserasera Koreana ireo gazety lehibe mpomba ny governemanta noho ny pejin'izy ireo feno lahatsoratra fanasohasoana ny lamaodin'ny filoha sy ny fahaizany miteny vahiny ka manodina ny marina sy manivana ireo teboka lehibe nifampiresahana.

« Raha nigadona ny lapan'i Buckingham i Park , nitsahatra ny orana ary niposaka ny masoandro [ ko ] ». «Sondriana tamin'ny lamaody netim-paharazana Koreana nentin'ny filoha izao tontolo izao [ko] “. Nanao kabary fanokafana tamin'ny teny frantsay i Park, ary nahazo tehaka mirefodrefotra sy nitsanganana noho ny fahaizany miteny frantsay tsara izy” [ko]… 

Ohatra vitsy tamin'ireo lohatenim-baovao nisongadina an-gazety nitantara ny fitsidihana nataon'i Park ireo. Na dia ireo media mpitsikera aza dia namoaka dika lavabe misy ireo fanasohasoana nataon'ny media koreana [ ko ]. Ary tena sarotra mihitsy ny mahita lahatsoratra tsy midera ny filoha, indrindra eo amin'ireo gazety telo lehibe mpandala ny mahazatra ao amin'ny firenena, izay fantatra fa manaiky hatrany izay zava-drehetra lehibe tohanan'ny governemanta ankavanana.

Ho an'ireo Koreana-Tatsimo, izao karazana fitantarana izao dia taratry ny endrika didy jadona tao amin'ny firenena tamin'ny taona 1970 sy 80, izay sokajiana ho vanim-potoana maizina indrindra teo amin'ny asa fanaovan-gazety fonynitantana ny firenena tao anatin'ny didy jadona ny rain'ity filoha ankehitriny ity ary nampangina anterisetra ireo hetsika demokratika ity filoha mpanao didy jadona miaramila malaza Chun Doo-hwan ity. Tamin'ny fitondran'i Chun ihany, fanasohasoana an'i Chun hatrany no nanombohan'ny vaovao tamin'ny Fahitalavitra tao anatin'ny fotoana nahabe mpijery.

Fitsidihan'i Park tsy ankilazalaza

Tamin'ny 6 Novambra nandritra ny fitsidihan'i Parc, nianjera izy raha nivoaka ny fiara satria voahitsany ny ankanjony lavabe netim-paharazana koreana nanaovany. Saingy ny alin'ny 7 Novambra ihany ireo Koreana no afaka namaky izany zava-niseho izany tamin'ny fampahalalam-baovao Koreana satria nametraka fandraràna tamin'ny gazety ao an-toerana ny lapam-panjakana ary nangataka mba tsy hitantara momba ity fianjerana ity [ko] mandra-pisian'ireo fampahalalam-baovao vahiny nitantara izany.

Maro ireo mpiserasera no toa sanganehana, na tezitra mihitsy tamin'ny zava-niseho:

Nidaraboka ! seho nitranga tamin'ny Andriana Park Geun-hye izany izay nianjera nandritra ny fivahinianany tao Angletera. Nangataka ny lapam-panjakana mba tsy hamoaka izany amin'ny vaovao raha mbola tsy nitantara izany ny gazety vahiny. Fantaro, fa tsy monina ao anatin'ny fitondràm-panjaka isika. Somary manahirana ihany ireo fampahalalam-baovao ninia tsy nitantara tsotra izao ity tranga ity.

Inona no mahatsikaiky kokoa noho ny fianjeran'i Park? Mampihomehy fa noraràn'ny lapam-panjakana ny gazety mba tsy hitatitra momba ny fianjerana ary nanaiky izany fangatahana izany ihany koa ny gazety.

Ny tena anton'ny fitsanganana narahina tehaka mirefodrefotra

Marobe ireo fampahalalam-baovao no nitatitra fa niteny Frantsay i Parc nandritra ny fivahinianany tany Frantsa ary nahazo hoby lehibe. Saingy tsy nohazavain'izy ireo hoe momba ny inona ilay kabary nataony:

Nandokandoka ny filoha ny fampahalalam-baovao ao an-toerana tamin'ny fitantarana manatsara azy fa nahazo tehaka narahina fitsanganana  izy tamin'ny nitenenany frantsay. Saingy ny zavatra adinon'izy ireo: ny tena nahazoany tehaka dia tamin'ny filazana fa hosokafana ho an'ny vahiny midanadana ny tsenam-bahoaka Koreana eo amin'ny sehatra ho an'ny daholobe ho an'ireo orinasa vahiny izy.

Fanehoan-kevitra tahaka izany nitaraina hoe:

@ksi0601 올랑드가 원하는 건 ‘시장’뿐이다[…] 박근혜의 연설에 기립박수를 친건 당연한 것이었다. 하지만, 이런 사실을 알리는 언론이 대한민국에는 없었다.

@ksi0601 Ny tena tadiavin'ny [filoha Frantsay François] Hollande dia ny sehatra ara-barotra na tsena […] Mazava ho azy ny anton'ny tehaka mirefodrefotra tamin'ny kabarin'i Park Geun-hye. Saingy tsy nisy fampahalalam-baovao Koreana nitatitra izany zavamisy izany.

Niombon-kevitra tamin'ny fankasitrahana ny fitsidihan'i Parc an'i Frantsa sy i Angletera ny fampahalalam-baovao Koreana, saingy nilaza ireo Koreana monina ao amin'ity firenena ity fa tsy nitatitra vaovao loatra ny fampahalalam-baovaon'izy ireo, ankoatra ny hoe zanaka vavin'ny mpanao didy jadona izy sy ny hoe mitsabaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny sampam-pitsikilovana Koreana. Mahamenatra – tsy mahalala menatra akory ianareo mpanao gazety [Koreana] sy ny gazety tia mamoaka fanafintohinana.

Fandrahonana ireo Koreana  mpanao fihetsiketsehana ao Paris.

Nandritra ny fitsidihan'i Parc tao Frantsa sy Angletera, nanao hetsika mandrehitra labozia ireo Koreana monina ao amin'ireo firenena ireo mba hanohitra ny fitsabahan'ny sampam-pitsikilovana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo – fifidianana izay nahatonga an'i Parc ho filoha ankehitriny:

Sary avy ao #Paris tamin'ny hetsika madinika mandrehitra labozia ho fanoherana an'i #ParkGeunhye, tao #Trocadero

Amin'izao fotoana izao, milanja sora-baventy ireo Koreana monina ao Angletera, ary mandrehitra labozia. Aty London izahay amin'izao fotoana izao.

 Androany ao Londra, nisy ny hetsika fandrehetana labozia hitsenana ny filoha Park.

Na dia izany aza, nandefa hafatra mandrahona tao amin'ny pejy Facebook-ny [ko] i Kim Jin-Tae, mpanao lalàna avy ao amin'ny antokon'ny fitondrana, izay nanaraka an'i Parc nandritra ny fitsidihany tany Eoropa, fa “hahita azy ireo mpanao fihetsiketsehana ao Paris”, ary nilaza fa avy amin'ny antoko ankavia ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, ary nampiany koa fa «tsy Koreana izay mankasitraka ireto mpanao fihetsiketsehana ireto».

Tezitra noho ity fanevatevana ity ireo mpanao fihetsiketsehana, ka nitaky an'i Kim mba hiala tsiny [ko] . Nilaza ireo mpiserasera hoe: 

Nanao sinema ity Kim Jin-Tae jiolahimboto ity tamin'ny filazana fa «hahita ahy ireo olona izay nanao fihetsiketsehana tao Paris ho fanoherana ny hosoka tamin'ny fifidianana”. Amin'ny filazana izany, nitsipaka an'i Parc avy hatrany izy – izay nilaza ampahibemaso fa «misosa tsara ny demokrasia ao Korea-Atsimo” – mpandainga.

Misaotra ilay mpanao politika Kim Jin-Tae [antokon'ny fitondrana] Saenuri, maro ireo olona no mahafantatra ny fisian'ny fiihetsiketsehana tao Paris, izay niseho nandritra ny fitsidihan'i Parc tao Paris. Zara raha notaterin'ireo fampahalalam-baovao Koreana ny momba izany fihetsiketsehana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.