Ny Fomba Hialàna Voly amin'ny Fifanarahana Ara-nokleary

European Union foreign policy chief Catherine Ashton

Catherin Ashton, lehiben'ny Firaisambe Eoropeana mikasika ny politika ivelany, nandritra ny fifanarahana tany Jeneva niaraka tamin'Iran. Loharano: Irna, sary an'i Mohammad Reza Alimadadi

Vita tsy nisy fifanarahana tamin'ny Sabotsy 9 Novambra 2012 tany Jeneva, any Soisa ny andiana fifanarahana ara-nokleary iray hafa teo amin'i Iran sy firenena enina matanjaka indrindra eran-tany. Na izany aza, niresaka mikasika ny hanaovana “zotra fivoarana goavana” ireo mpanatanteraka izany fifanarahana izany. Nandritra ny folo taona, nisy ireo tetikasa iraisam-pirenena hamerana ny fivoaran'ny teknolojia nokleary tany Iran. Mpanao aterineto Iraniana maro no nijery ny lafy tsaran'ity tantara ity, tamin'ny famoahana lahatsoratra sy bitsika mampihomehy.

Nilaza ny Sekreteram-panjakana Amerikana John Kerry, izay nanatrika ilay fifanarahana an-databatra fa “nanena ny tsy fitoviana” io andianà adihevitra vaovao io ary dia hiara-hiasa izy ireo hamaha ny fifandirana ao aoriana.

Nitoraka bitsika i Hamed [fa]:

Mieritreritra aho fa mikasika ny olona handoa ny volan'ny hotely izany tsy fitovian-kevitra izany. Angamba mety ho i Kerry no nangatahana handoa izany… Aleo samy mandoa ny anjara tandrify azy ny rehetra.

Nitoraka bitsika i Kourosh [fa]:

Fambara iray mampiseho izany fivoarana izany ny namoahan'ny [mpitahiry] Fars News ny sarin'i Kerry tsy nisy sarina tandroka teo an-dohany na koa volombava teo amin'ny tarehiny.

Hita anatin'ireo lohateny lehibe ny tsikin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. 

Nitoraka bitsika i Khashayr Pakfar [fa]:

Mety hilaza amin'i Zarif i Kerry hoe “Andatsaho baomba nokleary eo ambony lohako, anapoahy iray any Tel-Aviv, fa aza mitsikitsiky intsony ka! “

Naka toerana tsy azo iadian-kevitra i Frantsa nandritra ny adihevitra mikasika ny nokleary ary Iraniana maro no niampanga ny governemanta frantsay ho namotika ireo fifanarahana.

Nitoraka bitsika i Hafez Hakami [fa]:

Aiza ho aiza ny toerana misy an'i Frantsa eo anatrehan'izao tontolo izao ankehitriny? Ianareo ve no manam-pahefana ambony indrindra? Manana tombontsoa manokana ao Moyen-Orient ve ianareo? Raha fantatrareo izay mety ho anareo, tano any Afrika ny fanelanelananareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.