Nosokafana Ny Famotorana Momba Ny Herisetra Nanjò Ny Pelaka Notaterina Voalohany Taminà Bilaogy

Afromodernidades[Mankany amin'ny pejy miteny espaniola avokoa ny rohy rehetra]

Nitatitra tao amin'ny bilaoginy Afromodernidades momba ilay tranganà herisetra ara-batana nihatra taminà vondron-dehilahy pelaka ao an-tanànan'i Cardenas, faritany andrefana ao Matanza ilay manampahaizana kiobàna Alberto Abreu Arcia tamin'ny 4 Oktobra. Nanomboka nanokatra fanadihadiana avy eo ny Foibem-panjakana Momba Ny Fitaizana ara-pananahana (CENESEX amin'ny teny espaniola).

Ohatra hafa indray ity mikasika ny hetsika ao amin'ny fiarahamonina Kiobàna izay sambany notaterina tao amin'ny tambajotra sosialy sy ny sehatra dizitaly ka misy akony ao amin'ny andrim-panjakana ofisialy.

La madrugada de hoy jueves estos actos de agresividad adquirieron connotaciones más violentas cuando varios hombres en un coche se presentaron en el Rápido ubicado en la esquina de Ruíz y Coronel Verdugo, frente a la Plaza Malacof, justo al doblar de mi casa, donde acostumbran a reunirse muchos de ellos y comenzaron a agredirlos verbal y físicamente, recibiendo uno de ellos, en la espalda, varios planazos machete.

Androany vao maraimbe, alohan'ny hitodihako any an-tranoko, nanjary miha-mahery vaika be ny herisetra raha tonga tao Rapido, akaikin'i Ruiz sy Coronel Verdugo, eo anoloan'ny Plaza Malacof ireo lehilahy maromaro, maro tamin'ireo lehilahy ireo no nanomboka nisetrasetra am-bava sy ara-batana, nandray ireo pelaka teo amin'ny lamosiny, ka maro ireo nianjera tamin'ny tany rehefa avy notafihana tamin'ny antsibe.

Ankoatra ny maha-mpikatroka azy, manampahaizana manokana malaza momba ny kolontsaina ihany koa i Abreu, nanoratra momba ny firotsahan'ireo pelaka antsehatra mampihatra ny zony amin'ny maha-olom-pirenena sy momba ny andraikitry ny andrim-panjakana izy vao haingana:

La actitud de este grupo de gays viene a recordar aquello, de que los derechos y los espacios no se mendigan, sino que se conquistan. (…) Y allí pienso estar, al lado de ellos, porque lo cierto es que a pesar del machete, los planazos, los fustazos, el coche, los cocheros y otros atributos de un entorno pre, uno se cansa. Si las leyes y las instituciones llamadas a ampararnos llegan: perfecto, sino ya da igual. Los maricones tan bien tenemos sangre en las venas, y vamos descubriendo otras formas de empoderarnos, quizás no tan civilizadas (contenidas, disciplinadas), pero son las armas, el otro saber: el saber de gente, que vamos encontrando noche a noche, para el vivir, pensar y enfrentar la calle.

Mampahatsiahy ireo zo sy sehatra tsy notakiana, saingy efa azo ny fihetsik'ity vondrona pelaka ity (…) Ary mikasa hankeny aho, eo akaikin'izy ireo, satria lazaina am-pahatsorana fa mankaleo izany, na dia teo aza ny fampiasana antsibe, ny fianjerana tamin'ny tany, ny vely karavasy, ny fiara, ireo saofera sy ny mombamomba ireo toerana mahafinaritra. Raha ampiharina ny lalàna sy ny andrim-panjakana natao hiaro antsika, dia tena tonga lafatra, saingy tsy ampy. Isika pelaka dia manana rà mikoriana ao amin'ny lalandrà antsika ihany koa, ary mitady fomba hafa hampahaleotena antsika manokana, angamba tsy hoe tena sivily feno (sady tsy ao anatiny no tsy voafehin'ny fitsipika), saingy fitaovam-piadiana ho antsika ireny, ny fomba hafa hahafantarana: ny fomba hahafantarana ny hafa, izay hitantsika isak'alina isak'alina, mba hivelona, hieritreritra sy hiatrika ny arabe.

Tsy an-kijanona ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny sehatra nomerika hafa manohana ny lahatsoratra tao amin'ny bilaogy:

Todavía hoy continúan llegando correos de solidaridad por el texto Cocheros homofóbicos agreden a grupo gays en Cárdenas, firmados por diferentes blogueros, activistas y luchadores contra la homofobia entre los que se encuentran el Proyecto Arcoiris y el sitio Afrocubaweb.

Tamin'io andro io ihany, mbola tonga tsy ankiato ireo taratasim-piraisankina […] nosoniavin'ireo bilaogera, mpikatroka samihafa ary ireo mpitolona amin'ny fankahalana pelaka, anisan'izany ny Tetikasa Rainbow sy ny habaka Afrocubaweb.

Fanampin'izany, nampiakarina tao amin'ny Tetikasa Avana ny fanontana printy fanindroany ilay lahatsoratra voalohany nosoratan'i  Abreu ary nalefa indray tao amin'ny kaontin'i @bitacorasdecuba:

 bitcub

Tamin'ny 8 Oktobra, namoaka filazana tao amin'ny habakany ofisialy ny Foibem-panjakana Mampianatra Momba Ny Fitaizana ara-pananahana (CENESEX), izao eo ambany fahefan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, fa ankasitrahany ny vaovao: «Nandritra ny andro maromaro, nivezivezy tao amin'ny aterineto sy tamin'ny fanairana voarain'ireo mpikatroka LGBT ny vaovao voalaza fa mombanà hetsika feno herisetra atao amin'ireo pelaka ao an-tanànan'i Matancera de Cardenas (..) “. 
 

Nilaza ny fikasany hanadihady ity tranga ity ny Foibe avy eo:

Por lo que esto representa para la población LGBTHI cubana, y por su repercusión en materia de respeto a los derechos sexuales como derechos humanos mismos, el Servicio de Orientación Jurídica del Centro Nacional de Educación Sexual (CENESEX), desde que tuvo conocimiento del asunto desarrolla un proceso de indagación sobre los mencionados acontecimientos, el cual permitirá determinar su veracidad, darle seguimiento, y en próximos días publicar en este sitio nuestra versión de lo ocurrido.

Noho ny maha-zavadehibe izany amin'ny vahoaka LGBT kiobàna, sy ny fiantraikan'izany amin'ny zo ara-nofo izay mitovy amin'ny zon'olombelona ihany, hatramin'ny nahalalantsika ity toe-draharaha ity dia namolavola fomba hitondrana ny fanadihadiana momba ny zava-nitranga ny ao amin'ny Sampan-draharaham-pirenena Mpanolo-kevitra, Araka ny Lalàna, Ny Fitaizana Ara-pananahana, hahafahantsika mamaritra ny fahamarinam-baovao, manara-maso, ary rahatrizay, mba hamoaka ao amin'ny tranonkalantsika ny fijerintsika izay nitranga.

Ka nidina teny an-toerana nitrangan'ny loza ireo manampahaizana manokana avy ao amin'ny foibe, araka ny tatitra tao amin'ny bilaogin'i Abreu, lahatsoratra nivoaka tamin'ny 22 Oktobra:

De igual forma el pasado miércoles 16 de octubre un grupo de CENESEX visitó la ciudad de Cárdenas y realizó una minuciosa investigación sobre los sucesos descriptos en mi texto. Los resultados de la misma, según me comentaron, serán publicados en su sitio web.

Tahaka izany ihany, tamin'ny Alarobia 16 Oktobra, nitsidika ny tanànan'i Cardenas ny vondrona CENESEX ary nanatontosa fanadihadiana lalina momba ny zava-nitranga voasoritra tao amin'ny lahatsoratra nosoratako. Ho avoakany ao amin'ny habakany ny vokatr'izany fanadihadiana izany, araka ny nolazain'izy ireo tamiko.

Mbola miandry ny vokatry ny fanadihadiana i Abreu amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.