Fihetseham-po Mifamahofaho Nentin'ny “Melbourne Cup”

melbourne cupAndron-ny fihetsehampo mifamahofaho ny 5 Novambra andron-ny “Melbourne Cup”. Ny fandresen'ilay nandrandrain'ny maro “Fiorente” dia fandresena goavana ho an'ilay mpanazatra, Gai Waterhouse. Izy no tonga ho vehivavy voalohany nanazatra ny mpandresy tamin'ny hazakazaka izay mampiato firenena iray manontolo. Tsy isalasalàna fa mampiato ihany koa ny tanàna niaviany izay misy andro tsy hiasàna ka hitondra olona hatramin'ny 110.000 hanaraka azy.

Kanefa, nosembanin'ny fahafatesan'i Verema, iray tamin'ireo mpihazakazaka izay tsy maintsy najedaka nony avy eo, izany fandresena miezinezina izany. Verema dia an'i Aga Khan IV, iray amin'ireo patiraon'ny mpanan-karena indrindra amin'ny resaka fanatanjahantena.

Twitter dia nifangaroanà…

Fankalazàna:

Fabe Keily, filoha tele-jeneralin'ny “Women In Management Australia” ‘Ny Takian'Ireo Vehivavy Miasa’.

GAI WATERHOUSE no VEHIVAVY mpanazatra voalohany teto Aostralia nandresy tamin'ny Melbourne Cup : Nasehony tsotra izao fa afaka ny HANDRESY  ianao … http://t.co/zsCn7YM131

— Fabe Keily (@fabekeily) 5 Novambra 2013 .

Tsikitsiky kely :

Tsy maintsy nifehy tena aho tsy hikiakiaka tao am-pivarotana fa hoe MT @7NewsSydney: Ny fotoana nahafantaran'i Gai Waterhouse ny nandresen'i Fiorente tamin'ny #MelbourneCup 2013  pic.twitter.com/AkVtIGARx3

— Solly (@Sollygc) 5 Novambra 2013

Narahan'ny vaovao ratsy tamin'ny nanaovana “euthanisie” ilay soavaly.

Oh Verema. Mandria am-piadanana ianao ry soavaly mahafinaritra. RT ” @ DanGinnane : Ahoana moa no tsy ho tohina ianao, na dia ho kely monja aza #melbournecup pic.twitter.com/X5wM2szq07

— Rita Panahi (@RitaPanahi) 5 Novambra 2013

Notapohana hatezerana kely :

Voavely ireo soavaly androany, ary ny iray kosa novonoina. Saingy tsy amin'ny andron'ny #MelbourneCup ihany anefa izany no mitranga. Misy ny olona miankanjo fotsiny hanatrika izany

— ABCnewsIntern (@ABCnewsIntern) 5 Novambra 2013

Rehefa nisy taolana tapaka tao aminy, dia novonoina i Verema. Mendrika hiverenana vakiana ny ampahan-dahatsoratray : Ny habibian'ny #MelbourneCup http://t.co/kYq9SPSsFx

— Jessica Reed (@GuardianJessica) 5 Novambra 2013

Antenaiko fa ny tsirairay no ho faly tamin'ny fitafy, filokàna ary ny fandoavana. Loza nilaina nidona tamin'ny andaniny sy ny ankilany i Verema, sa tsy izany? #MelbourneCup

— Jes (@mugleyjes) 5 Novambra 2013

Miaraka aminà sangy ratsy vitsivitsy:

Tiako ny fofonà lakaoly rehefa tolakandro #MelbourneCup

— Skarburn (@EnjoyMedway) 5 Novambra 2013

Anaty sary iray tamin'ny aterineto, navaozina tao anatin'ny ora roa nisian'ny hazakazaka ny fampidirana iray ao amin'ny Wikipedia momba an'i Aga Khan :

Hazakazak'ireo soavaly tsy mivangaro razana

…Ny 5 Novambra 2013, tapaka tongotra havanana [90] i Verema- iray amin'ireo soavalin'i Aga Khan – ary dia novonoina tao amin'ny Melbourne Cup, Aostralia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.