Bitsik'i Karaiba Ho An'i Tessanne Chin

Saiky tsy misy maha samihafa azy ny hoe Karibeana sy ny hoe mozika, izay miaraka amin'ny fankalazàna Fetibe karnivaly, dobok'amponga atao amin'ilay hany zava-maneno vaovao noforonina tamin'ny taonjato faha-20 ka mbola tavela, sy ny fanomezana izao tontolo izao ary ny sasantsasany tamin'ireo ngezalahy mpiangaly mozika hitany hatramin'izao. Tsy atao mahagaga araka izany, raha toa ireo mpisera anaty aterineto avy ao amin'ilay faritra ka mihaino tsy tapaka ny  The Voice ao amin'ny NBC mba hanohana ny iray avy amin-dry zareo – ilay feo fototra Tessanne Chin, teratany avy ao Kingston, Jamaika, nanao fitetezana faritra niaraka tamin'ilay olo-malazan'ny reggae,Jimmy Cliff, ary araka ny filazan'ny mpikarakara azy, Adam Levine, “afaka handresy mora foana” amin'ity andiany faha-5 amin'ny fifanintsanana ity.

Ny Alatsinainy alina teo no voalohany tena nisehoany mivantana – ary tena andro niavaka tokoa izany ho an'i Chin, izay nitondra ny dian-tànany manokana tamin’ilay hira mampalaza an'i Jimmy Cliff, “Many Rivers to Cross”.

Ny andro nialohan'ny niakarany an-tsehatra, efa natsidik'ireo mpisera anaty aterineto sahady fa ho babony manontolo ny mpanatrika:

  @Tessanne @adamlevine Izay izany, antenaiko fa mba manana mpandrafitra sy mpikirakira herinaratra ho fiandry ry zareo satria ho afangaron'i Tes ny sehatra, ho ambony ambany ny toerana

— yaniefreck (@Yaniefreck) 4 Novambra 2013 .

Nitsangana nitehaka an'i Chin, ilay mpiaka-tsehatra farany iny alina iny, na ny mpikarakara azy na ireo mpanatrika mivantana; tany ampaladihany hatramin'ny Twitter koa aza :

 Tena sanganehana be aho misafidy fa samy tiako hahazo ny #NBCTheVoice na i @Tessanne na i  @katrowbeeshow … VITAN'IIIIIII Tessanne ilay @NBCTheVoice tamin'ity alina ity

— Killer Queen (@KillerrQueenn) 5 Novambra 2013  .

Taorian'ny anjarany, nibitsika i Chin ho fisaorana an'i Jimmy Cliff :

@THEJIMMYCLIFF Atoa Cliff, antenaiko fa mba nampirehareha anao ny vitako !!! Misaotra nanome voninahitra ahy ho afaka haka tàhaka ny iray tamin'ireo ngezalahy 🙂 Ny fitiavako rehetra

— Tessanne Chin (@Tessanne) 5 Novambra 2013  .

Tonga avy any amin'ny lafivalon'i Karaiba ireo hafatra fiarahabàna :

@Tessanne Mahery ianao Izay fotsiny no mba tiako hambara ….. Aingam-panahy ho an'ny maro ianao – Fitiavana feno avy aty #StVincent #TheVoice

— Colin Hitman Graham (@HitmanGraham) 5 Novambra 2013   

Ny sasany tamin'ireo mpampiasa ny Twitter dia nahetsiky ny fomba nifidianana ny hira:

@Tessanne  tsotsotra fa lafatra ianao tamin'ny famaranana ny fampisehoana niaraka taminà hira iray mampihetsi-po tahaka iny #thevoice

— Huyen nguyen (@HuyenJet2003) 5 Novambra 2013.

Nopotehan'i Tessanne chin tanteraka niaraka tamin'iny zava-bita iny ny rojon'ny fanandevozana… any ny vatoko . Mirehareha aho manana anao, minoa ahy…. MIREHAREHA

— keisha Quest (@niksky29) 5 Novambra 2013

@OnstageTV @Tessanne toy ny hira fanevam-pirenena hirain'ny olona isanandro izay seho izay. Hira iray tena manohina ny fo sy afaka manetsika anao amin'ny alàlan'ny fihetseham-po.

- Love Unlimited ( @ LoveUnlimited0 ) 5 Novembra 2013

@Tessanne Tessanne Chin #LoveThatSong (TiakoIlayHira) #SoManyRiversToCross ary tena mino aho fa ho voatetinao izy rehetra miaraka amin'io dika nataonao ho an'ny hiran'i #JimmyCliff io.

— Sydney Senhouse (@SenhouseDesigns) 5 Novambra 2013

Ny hafa efa resy lahatra sahady hividy ny vokatr'i Chin ho toy ny mpanakanto manana ny maha izy azy….

@Tessanne Vonona hiviody ny raki-kirano aho ry sipa! @adamlevine @NBCTheVoice #VoiceTop20;

— marlene_EOL (@marlene_EOL) 5 Novambra 2013.

…ary betsaka no efa mpankafy azy hatry ny ela:

Isan-kerinandro i @Tessanne  no miaka-tsehatra ao amin'ny #TheVoice ary dia tena reharehako tokoa! Tsaroako izany izy nihira tao anatin'ilay lahatsary ” Loving You ” ny @Kestheband!

— BattyMamzelle (@BattyMamzelle) 5 Novambra 2013

@Tessanne Ho mpankafy be anao hatrany, nanomboka tamin'ny Fihainoana Tsy an-kijery anao! Tena voanao aho 🙂 #yougotthis #mendrikaizanyianao

— Felisha Lujan (@_TfKaay_) 5 Novambra 2013

Saingy mazava loatra fa avy any amin'ny tany niaviany no tena betsaka tamin'ny fanohanana azon'i Tessanne :

Ilokako aminareo fa any ho any any Jamaika misy olona hiteny tahaka ahy hoe ” Mangataka anareo rehetra handray ny findainareo ka hiantso na hifidy an'i @Tessanne!” #TeamTessanne #TheVoice

— Jr. Nembhard (@JrNembhard) 5 Novambra 2013

@Tessanne o ry sipa aaa…mahery ianao! Mendrika ny handresy araka izany! Tsy mandiso fanantenana :*

— Ashleigh Elizabeth (@sassipinki) 5 Novambra 2013

Mandeha ho azy ny fampahatsiahivan'ireo mpisera anaty aterineto ny olona mba hanefa ny anjarany hifidy mba hanampy an'i #TeamTessanne hahazo fandresena:

Tsy andriko ny handre an'i @Tessanne ao amin'ny #TheVoice anio alina. Raha vao resaka #JamaicanMusic (#mozikaJamaikana), azontsika hireharehana izy! Tsarovy ny mifidy! #TeamTessane

— Mr Boombastic (@DiRealShaggy) 4 Novambra 2013

Vao ny ampitson'io, nankalazan'ireo media mahazatra ao Etazonia ny zava-bitany :

Lasan'i Tessanne Chin ny laza – hoy ny People Magazine ! #theVoice #TeamTessanne #Jamaica http://t.co/91GLRZdO6W

— Creative Industries (@jamprocreative) 5 Novambra 2013

Kanefa ireo media ao Jamaika efa lasa talohany, nanao izay ho afany tamin'ny fanampiana hiantohana ny hahazoany vato betsaka:

Tsy mampino ity fankafizana Tessanne Chin ao Jamdown ity … mandray anjara amin'ny fandrindràna ny fanisàm-bato ho azy hatramin'ny fampielezam-peo!

— anniepaul (@anniepaul) 5 Novambra 2013 

Tsy irery akory ireo media tao anatin'izany; tany Jamaika, faly tamin'ny fanampiany ny azy ireo mpiangaly mozika sy ireo mpankafy:

Iray amin'ireo zavatra TSARA INDRINDRA mifandray amin'ny zava-bitan'i @Tessanne tao amin'ny @NBCTheVoice : mba firy amin'ireo Jamaikana artista no nibitsika ny fanohanan-dry zareo azy. #UNITY

— Junior Rodigan (@JuniorRodigan) 5 Novambra 2013

Nokia ! Startak ! iPhone! Samsung ! MIFIDIANA! MIFIDIANA! MIFIDIANA! ho an'i @Tessanne! 877-553-3710 . Raha ao Jamaika ianareo, vidio ny ‘single’ ao amin'ny itunes .. isaina koa io!

— Yendi Phillipps (@IAMYENDI) 5 Novambra 2013

Rehefa atambatra anefa, tena fisehoana iray goavana sy nampientanentana ity :

Hitahiry an'i Tess ho amin'ny farany #TeamTessanne

— Wayne Marshall (@Wayne_Marshall) November 5, 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.