Solitanin'i Bénin: Fikoropahana sa Fanambaràna Politika?

Nanambara ny governemanta beninoà tamin'ny 24 Oktobra farany teo fa nisy tahirin-tsolika hita tao amin'ny faritr'i Sèmè-Podji. Ny minisitry ny angovo, ny fikarohana solitany, Barthélemy Kassa no nanambara fa :

Quelques 87 millions de barils du pétrole sont disponibles sur le bloc 1 du champ pétrolifère de Sèmè-Podji et feront l'objet d'une exploitation sur quatorze ans, à raison de 7500 barils par jour  à compter de la date d'exploitation

Ampelantanana ny 87 tapitrisa barilan'ny solitany eo amin'ny ampaha-tanin'ny sahan-tsolik'i Sèmè-Podji ary hotrandrahana mandritra ny 14 taona, hahazoana 7500 barila isan'andro manomboka ny daty fitrandrahana

Le Ministre Barthelemy Kassa via nouvelles mutations (avec leur permission)

Ny minisitra Barthelemy Kassa via nouvelles mutations (nahazoana alalana)

Mbola an-dalana, hono, ny fifampiraharahana amin'ny orinasa nizeriana South Atlantic Petroleum (Sapetro) amin'ny fifampizarana ny vokatra.
Saingy tsy matoky an'izany ny Beninoà maro ary manontany tena amin'ny zavatra maro momba ity fanambarana ity.
Manampongatra fisafotofotoana sy fanontaniana maro ao amin'ny habaky ny la Nouvelle Tribune ny mpanao gazety Marcel Zouménou :

Selon des sources proches du dossier, la quantité trouvée n’est pas pour autant importante, et n’est qu’un résidu de ce que le Bénin a exploité dans les années 70 et 80, par Saga Petroleum. 

Les 12.000 milliards de recettes annoncées, reviennent-ils au Bénin uniquement ? Combien gagne Sapetro dans cette opération.

Araka ny loharanom-baovao akaiky ity tahirin-kevitra ity, tsy tena goavana toy izany ny habe hita, ary tsy inona io fa ny ambin'izay efa notrandrahan'i Benin, tamin'ny alalan'ny Saga Petroleum, nandritra ny taompolo 70 sy 80.

Hiverina manontolo amin'i Benin ve ny vola voambara fa 12.000 miliara ho azo? Ohatrinona ny ho azon'ny Sapero amin'ity fitrandrahana ity.

Tsy irery ity farany satria maro ihany koa ny parlemantera beninoà no tsy matoky ny filoha ankehitriny amin'ny fitantanana ity toera-pitrandrahana solitany vaovao ity.
Anisan'izany i Candide Azannaï. Araka ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny Facebook, nanambara izy fa nahare ny fiomankomanan'ny filoha Boni Yayi hampiasa ny ampahany amin'ny vola azo amin'ny fitrandrahana ilay tahirin-tsolika mba hividianana voromby mba hahafahany mitety ny faritra rehetra ao Benin handresy lahatra ny mponina amin'ny mety ho filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena.

Ho an'ity farany, noho izany, tsy maintsy atao mazava ny fitantanana mba hahafahan'ny Beninoà mahazo tombontsoa amin'izay amin'ity solitany izay efa nitoetra hatrany tao an-kibon'ny taninay ity.

Ho an'i Lazare Sehoueto indray, nanamafy izy fa ao anatin'ny propagandy ity vaovao naely ity. Nanazava toy izao izy tao amin'ny Facebook:

Pour que chacun se fasse une idée juste, notons que le Nigeria produit 2,5 millions de pétrole par Jour soit 25 millions de barils en dix jours. L’exploitation de nos 20 millions de baril de pétrole résiduel pourra être effectif vers Septembre 2014. Pour combien de jours ? Qu’est ce qui nous restera quand l’inconnue société qui bavarde actuellement aura retiré ses “billes”, il restera quoi à mon pays ?
Mais tout espoir n’est pas perdu. Sur le Bloc 4, un consortium travaille actuellement. Il s’agit d’un consortium composé de sociétés sérieuses (Shell, Petrobras du Brésil et d’une société “béninoise” créée par un Portugais). Il y a de bons espoirs que ce consortium pourra forer jusqu’à 2000 à 3000 m en profondeur dans la mer afin de nous confirmer si nous cernons effectivement la nappe de pétrole. Nous avons du pétrole comme nous avons de l’eau. Mais il faut que les forages “tombent” sur la nappe.

Mba hahafahan'ny tsirairay manan-kevitra mitombina, mariho fa mamokatra 2,5 tapitrisa barila isan'andro, izany hoe 25 tapitrisa barila ao anatin'ny folo andro i Nizerià. Ny fitrandrahana ny 20 tapitrisa barilan'ny solitanintsika dia mety ho tontosa any amin'ny septambra 2014 any. Ao anatin'ny firy andro? Inona sisa no ho tavela ho an'ny firenentsika rehefa vita ny fifanarahana amin'ilay orinasa tsy fantatra, inona sisa no hijanona ho an'ilay fireneko? Saingy tsy very akory ny fanantenana. Misy vondron'orinasamiasa eo amin'ny ampaha-tany fahaefatra amin'izao fotoana izao. Matotra io vondron'orinasa io (izay ahitana ny Shell, Petrobas avy any Brezila ary ilay orinasa “beninoà” naorin'ny Portiogey iray). Misy ny fanantenana fa hahatsindrona hatrany amin'ny 2000 ka hatrany amin'ny 3000 metatra ambanin'ny ranomasina any io vondron'orinasa io hahafahany manamafy fa manana tahirin-tsolika tokoa isika. Tahaka ny fananantsika rano no ananantsika solitany, Saingy tsy maintsy mba “mitontona” ao amin'ny velaran'ny tahirin-tsolika aloha ny fangadiana.

Fehiny, tsy mbola misy zava-baovao tsy akory ato amin'ity tanin'ny mpanjaka Behanzin ity. Tsy isalasalana fa mbola aloha loatra ny mifaly amin'izay mety ho fisian'ny loharanon'angovo vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.