GV Face: Nofinofy Amin'ny Fanovana Momba Ny Fifindra-monina Ao Etazonia

"Time Is Now" Immigration Reform Rally

“Fotoana Izao” Fihetsiketsehana Hoan'ny Fanovana Momba Ny Fifindra-monina Tao Washington, DC (10 Aprily 2013). Sary avy amin'i David Sachs/SEIU (CC BY-NC-SA)

Nofinofy fotsiny ve ny faninitsiana momba ny [lalànan'ny] fifindra-monina?

An-tapitrasany ireo nifindra-monina tao Etazonia, ho an'ny fianakaviana, tombontsoa araraotina na te-hanohy fiainana tsaratsara kokoa. 40 tapitrisa ankehitriny ny isan'ireo mpifandra-monina ao Etazonia, ary eo amin'ny 11 tapitrisa eo ho eo no monina sy miasa tsy manana sata ara-dalàna. Mahatonga ny maro hiaina anaty aloky ny tahotry ny fandroahana, ka mahatonga azy ireo mora iharan'ny fanitsakitsahana ny zo fototra voaaron'ny lalàna Amerikana sy ny lalàna iraisam-pirenena.

Tamin'ny GV Face-n'ity herinandro ity, niresaka tamin'ireo mpikatroka sy manampahaizana momba ny hetsika hoan'ny fanovana ny [lalànan'ny] fifindra-monina aho, ary niresaka mety ho dikan'ny volavolan-kevitra mikasika ny fanovana eo amin'ny fiainana andavan'andron'ireo mpifindra-monina an-tapitrisany.

Miresaka amintsika mikasika ireo hetsika isan-karazany momba ny fifindra-monin'ireo tanora ao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto i Marisol Ramos, mpikatroka.

Manontany i Alfonso González, mpanoratra ny Fanovana Tsy misy Fahamarinana sy mpikambana ao amin'ny komitin'ny  fanoratana ao amin'ny Kongresy Amerikana Avaratra Misahana an'i Amerika Latina (NACLA), raha misy vahiny mpiasan'ny fandaharan'asa afaka mamaha ny kizo goavana momba ny fifindra-monina.

 

Robert Valencia, Mpanoratra ao amin'ny Global Voices, kosa miresaka momba ny fanovana tamin'ny fotoana samihafa izay toa nahomby saingy nalefa natoritory avy eo.

Lehiben'ny Fitantanana ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Global Voices, Solana Larsen no manentana ny adihevitra.

Vakio ny pejin'ny fitantarana manokana Migrant Journeys raha te-hahafantatra bebe kokoa (fiaraha-miasa amin'ny NACLA).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.