SARIPIKA: ‘Hetsika Mangina’ Mitaky Fifidianana Ao Maldives

Sady misy fientanentanana no misy fihenjanana ny rivotra iainana ao Maldives satria tokony nisy fifidianana filoham-pirenena notontosaina ny andron'ny 9 Novambra. Nandalo fisedrana ara-politika mahamay maromaro ny firenena tao ho ao noho ny fanemorana hatrany ny fifidianana voalohany tokony tontosaina taorian'ny famindram-pahefana mampiady hevitra tamin'ny Febroary 2012. Nisy ny fanatontosana ny fihodinana voalohany tamin'ny 7 Septambra, saingy nofoanan'ny Fitsarana Tampony, ny voka-pifidianana noho ny didy navoakany milaza fa maro ny fandikan-dalàna ara-pifidianana. Nisy indray ny fikasana hanatontosa ny fifidianana tamin'ny 19 Oktobra fa nofoanana tamin'ny minitra farany. Nilaza ny Vaomieran'ny Fifidianana ao Maldives fa nosembantsembanin'ny polisy ny asany, fanambarana izay notsipahin'ny polisy moa.

Volana maromaro taorian'ny fanentanana mafana, nitombo tsy nipetrapetra-poana ny vahoaka tanatin'ireo fanemorana tsy ankitsahatra ny fifidianana, ary mifanakiana [ho mangala-bato] aza ny mpanao politika. Eny fa na dia ny rafi-pitsarana eto amin'ny firenena aza, ka voafandrika ho mandrendrika anaty krizin-dalampanorenana ny parlemanta sy ny mpanatanteraka, dia tsy tankina noho izany toe-javatra izany ny fanirian'ny vahoaka hanatontosa fifidianana malalaka sy marina.

Indro ny mpaka sary Shaari nanangona an-tsary (eto ambany izay nahazoana alalana) ny ‘Fanoherana Mangina’ notontosaina tamin'ny 21 Oktobra mitaky ny hanatontosana ny fifidianana:

maldives-election3

maldives-election4

maldives-election6

maldives-election7

maldives-election8

maldives-election9

maldives-election10

maldives-election11

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.