Mikasika Ny Fanalàn-jaza Sy Ny Fifehezantena Amin'ny Firaisana Ara-nofo Ao Ejipta

Tanaty lahatsoratra iray mitondra lohateny hoe Firaisana ara-nofo, Fanalàn-jaza ary Fifehezantena, miverina mitodika ny lasa nangirifiry niainany ilay bilaogera tsy mitonona anarana ao amin'ny Hala/Cleo no sady manohana ihany koa ilay namany nandrita ireo dingana narahana tamin'ny fanalàn-jaza tao Ejipta.

Manoratra izy :

Misy ny fanalàn-jaza any Ejipta. Ireo mpitarika fivavahana mively daba manohitra ilay safidy sy ireo politisiana basha dia zara raha manana ny toerany amin'ny fandraisana manoloana ny fanapahan-kevitr'ireo vehivavy hanapaka ny fitondrany vohoka. Vantany vao raisina io fanapahan-kevitra io, hahita fomba iray hanaovana izany ny vehivavy. Averina indray, misy ny fanalàn-jaza ao Ejipta.

Na eo aza ny zava-misy, dia voararan'ny lalàna ny fanalàn-jaza – na inona na inona afa-tsy ireo atao raha toa ka hitera-doza ho an'ny fahasalaman'ilay ramatoa.

Photo shared by blogger Hala/Cleo on her blog.

Sary nozarain'ilay bilaogera Hala/Cleo tao amin'ny bilaoginy.

Faran'izay zavatra tena raràn'ny lalàna ao Ejipta ny fanalàn-jaza afa-tsy hoe raha hamonjena ny ain'ilay reny, izay tranga matetika hita any amin'ny ankamaroan'ireo firenena ao amin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra (MENA). Ny miavaka amin'izany dia i Tonizia sy Tiorkia, izay manana lalàna somary malalaka kokoa momba ny fanalàn-jaza. Araka ny ambaran'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana, manodidina ny 1,5 tapitrisa eo ho eo ny fanalàn-jaza natao tao MENA tamin'ny 2003, tanatin'ny fepetra tsizarizary, nataonà olona tsy tsara fiofanana, na izy roa mitambatra. Nahatratra 11 isan-jaton'ny fahatfatesan'ny reny tao amin'ny faritra noho ny fahasarotana avy amin'ireny fanalàn-jaza ireny.

Tamin'ny 2009, ilay sangany amin'ireo tampom-pahaizana ara-pivavahana amin'ny Silamo ao Ejipta dia namoaka fatwa iray (didy ara-pivavahana) hanomezana alàlana ny vehivavy hanao fanalàn-jaza raha toa ka niharan'ny fanolanana. Kanefa, tsy navadika ho lalàna velively izany.

Hala/Cleo dia manolotra ny fandalinany ireo antony handraràn'ny lalàna ny fanalàn-jaza:

Ampiasaina ho toy ny fitaovana hifehezana ny vehivavy io. Manampim-bava, mamolavola, mampiasa ary avy eo manao antsika ho vato natsindry ahazana. Mametra ny anjara toerantsika eo amin'ny fiarahamonina io, ho toy ny sambo mpitatitra zazakely fotsiny ao anatin'ny tokantrano, ary ao anatin'ny tokantrano monja ihany. Ray raha tsy izany, fanapotsirana ny zava-misy amin'ny resa-pananahana salama mba hivoaka ny kitapom-boantsika ary hanatona ny lambam-pandriana mihoson-drà eo an-davaranganantsika ho mariboninahitra. Tsy manome fankatoavana antsika izany afa-tsy ny hoe fanomezana henatra antsika fotsiny.

Araka ny marihan'ilay bilaogera, mijanona hatrany ho lohahevitra tsy dia resahana loatra io olana io. Nanome ihany koa izy tari-dàlana iray amin'ny fomba atao hanalàn-jaza ao Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.