IIay Zazavavy Miozolomana Sy Ilay Nanao Vy Very Ny Ainy Any Volgograd

Russian special forces training in the North Caucasus. Screenshot from Youtube video published by hardingush.

Vondro-tafika manokana Rosiana manao fanazara-tena any Kaokazy Avaratra. PIkantsary avy amin'ny lahatsary Youtube navoakan'i hardingush.

Ankavitsiana no handikan'ny RuNet Echo izany lahatsoratra iray manontolo am-bilaogy izany, fa nanivaka kosa izahay tamin'ity indray mitoraka ity. Teo am-pandrenesana ny fipoahana baomba tanaty bus tany Volgograd [tatitra Global Voices], raha nahafaty olona 6 sy naharatra olona am-polony hafa ilay vehivavy mpanao vivery ny ainy amin'ny baomba, nisy tovovavy miozolomana nanoratra taratasy tany amin'ny bilaogera tsy fantatra anarana hardingush [tatitra Global Voices teny malagasy], miaramila ao amin'ny vondro-tafika Rosiana manokana miasa ao amin'ny ekipa miady amin'ny fampihorohoroana any Kaokazy avaratra, izay miresaka ny zavatra iainany. Ao anatin'izany taratasy izany ilay tovovavy no miresaka momba ny zava-manahirana, ny tahotra ary ny fanantenana ny amin'ny fiainana atrehin'ny Rosiana Miozolomana maro amin'izao fotoana izao. Navoakan'i hardingush [ru] ny taratasy, ary nofafany ny mombamomba ilay zazavavy manokana, sady nahitsiny ny firokiny, satria, araka ny nolazainy “miaty fampahafantarana mitondra fanantenana ho amin'ny hoavy ilay izy…” Mieritreritra ihany koa izahay fa zava-dehibe ilay izy. Indro ary ilay taratasy manontolo:

Салам тебе, Хардингуш!

Я читаю все, что ты пишешь. Почти с самого начала, как ты начал вести блог. Спасибо за то, что ты показываешь людям другой Кавказ. Настоящий. Мне очень нравится как ты пишешь. Я живу в Волгограде. Наша семья приехала сюда из ______. Учусь в ______ классе _______ школы. В Волгограде я живу уже больше 6 лет. Я, конечно, мусульманка. Никогда у меня здесь не было проблем из-за моей религии или национальности. Но когда произошел терракт, родители запретили мне ходить в школу. Они боялись, что меня могут обидеть. Многие девушки, мусульманки тоже не пошли в школы и институт, потому что тоже боялись, что вся вина будет возложена на нас. Мы переписывались с ними в интернете и все друг другу советовали вообще никуда не выходить. 

Позвонила учительница, она тоже волновалась за меня. Я ей сказала, что пока не буду ходить на уроки. Она отнеслась к этому с пониманием. Мне звонили одноклассники, тоже волновались за меня. Я тоже ответила, что пока не могу ходить в школу. На следующее утро ко мне в дверь позвонили одноклассники. Они сказали мне, собирайся, мы будем сопровождать тебя в школу и  домой столько времени, сколько понадобится и никому не позволим обидеть. Все они – русские мальчишки и девочки. Даже мама моя заплакала, когда услышала.

Просто хотела с тобой поделится. Ты недавно писал про народ и про то, что все равнодушны к другу другу. Это не так. Меня провожают в школу и из школы мои русские братья и сестры – я так их называю теперь, потому что не могу называть просто одноклассниками. Мы, мусульмане, против террористов. И никогда их не поддерживали. Не публикуй мое письмо, потому что мне плохо дается русский язык и я допускаю много ошибок. Но, если будешь писать в блоге, исправь, пожалуйста, ошибки и не пиши мое имя и где я учусь. Я их только для тебя написала. Просто хотела рассказать тебе, что у нас не все так плохо. 

Salaam, Hardingush!

Novakiako avokoa ny zavatra rehetra nosoratanao. Saika hatramin'ny voalohany, fony ianao nanomboka ity bilaogy ity. Misaotra anao tamin'ny fampisehoana amin'ny olona ny Kaokazy hafa. Ilay tena Kaokazy. Tiako tokoa ny fomba fanoratrao. Monina aty Volgograd aho. Nonina avy any ______ ny fianakavianay. Nianatra kilasy ______ , tao amin'ny sekoly ______. Nonina teto Volgograd nandritra ny enin-taona aho. Miozolomana aho, mazava loatra. Tsy nanana olana noho ny fivavahako na ny firenena niaviako aho. Saingy, rehefa nanafika ny mpampihorohoro, nandrara ahy tsy ho any an-tsekoly ny ray aman-dreniko. Natahotra ry zareo sao misy ny handratra ahy. Maro ny zazavavy Miozolomana no tsy nankany an-tsekoly sy ny Oniversite, satria matahotra fandrao ho voatrerona izahay. Nifanoratra tamin'ny aterineto izahay ka nifanoro ny tsy hivoaka ny trano mihitsy. 

Niantso ahy ny mpampianatra ahy, nanahy ny amiko ramatoa mpampianatra. Nilaza taminy aho fa tsy hankany an-tsekoly aho izao. Azony tsara ny raharaha. Niantso ahy ihany koa ny iray kilasy amiko, nanahy ihany koa ry zareo. Niteny azy ireo ihany koa aho fa tsy afaka mankany an-tsekoly aho. Ny ampitso maraina, nandondona [nampaneno soneria] tao am-baravarana ny iray kilasy tamiko. Nilaza tamiko ry zareo, alaivo ny fitaovam-pianaranao, izahay no hiambina anao ho any an-tsekoly sy hanatitra anao, ary tsy misy avelanay handratra anao. Tovolahy sy tovovavy Rosiana izy rehetra ireo. Na ny reniko aza nitomany nandre izany.

Mba te-hilaza izany aminao fotsiny aho. Vao haingana ianao nanoratra momba ny olona, sy ny hoe tsy misy mifampiraharaha na mifampitsinjo. Tsy izany anefa. Niaraka tamin'ny anadahiko sy ny rahavaviko nankany an-tsekoly aho – izany no iantsoako azy ireo, satria tsy afa-miantso azy ireo ho mpiara-mianatra fotsiny aho amin'izao fotoana izao. Manohitra ny mpampihorohoro izahay Miozolomana. Tsy nanohana azy ireny velively izahay. Aza avoaka ity taratasy ity satria tsy mahay miteny Rosiana tsara aho ary maro ny fahadisoan-tsipelina ataoko. Fa, raha ataonao izany, dia miangavy mba ahitsio ny diso ary aza soratana ny anarako sy ny sekoly hianakarako. Ho anao ihany no nanoratako ireo. Te-hilaza aminao aho hoe tsy dia tena ratsy izany tsy akory ny fiainana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.