Natokana Efitra Ireo Ankizy Gadra Saodiana

Taorian'ny fanafoanana ny fitsidihana ireo gadra Saodiana tamin'ny fety Eid, nikarakara fihetsiketsehana madinika ireo fianakaviany mba hanoherana ilay fanapahan-kevitra tampoka. Voarara mafy ny famoriam-bahoaka ao amin'ny fitondram-panjaka, saingy tsy niraharaha izany fandraràna izany hatrany ny fianakavian'ireo gadra, ka voasambotra ny ankamaroan'ireo zaza amam-behivavy izay nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanomboka tamin'ny 17 Oktobra. Na dia ireo ankizy aza dia natokana efitra.

One of the arrested children, Humam al-Rushodi, whose father is a prisoner. via @e3teqal

Iray amin'ireo ankizy voasambotra, Humam al-Rushodi, izay any am-ponja ny rainy. via @e3teqal

Nisioka [ar] momba ny fisamborana azy ireo teo anoloan'ny biraon'ny Governora ilay vehivavy navotsotra noho ny toe-pahasalaman-janany:

Hoy izy ireo taminay: “Andraso”, ka niandry izahay. Avy eo nitondra fiara-be (bus) izy ireo ka notafihan'ny polisy izahay teo amin'ny sisin-dalana iray ary ireo vehivavy mpiambina ny fonja ery amin'ny sisiny hafa kosa mitazana sao mamono ny printsin'izy ireo izahay.

Nitatitra ihany koa i Umm Abdulla Al Harbi fa voavely ny iray tamin'ny fianakavian'ireo gadra, Maha al-Duhayan ary tapaka ny tanany:

Notapenan'izy ireo ny vavako ka tsy afaka niteny aho ary novelesin'izy ireo mafy be i Maha al-Duhayan ka natosiny avy eo ary nianjera nihohoka izy

Niteraka fiampangana goavana manohitra ny herisetra ataon'ny minisiteran'ny Atitany tao amin'ny tontolon'ny Twitter Arabo izany. Tsy navela hiantso an-taroby, hitsidika, sy hanana mpisolovava ireo vehivavy, tahaka an'i al-Duhayan. Hoy ny zanany lahy nisioka:

Nodanihan'ny masoandro aho nandritra izay roa andro izay satria niezaka niditra tamin'ny varavarana misokatra, saingy tsy tafiditra mihitsy. Nampanantena ny manampahefana iray avy ao amin'ny Biraon'ny [fanadihadiana sy ny famaizana] fa hahazo antso an-taroby aho, saingy tsy nanatanteraka izany fampanantenana izany akory izy.

Tamin'ny 20 Oktobra, nikarakara sit-in teo anoloan'ny Biraon'ny polisy Buraydah ireo vondrom-behivavy sy tovolahy mba hitaky ny famotsorana ireo havany. Nohodidinin'ireo mpitandro ny filaminana ihany koa izy ireo avy eo ary voasambotra.

Tao fotsiny: Nohodidinin'ny mpitandro ny filaminana ireo izay mpandray anjara amin'ny sit-in eo anoloan'ny Biraon'ny Polisy ary mively ireo mpandray anjara izay vehivavy sy tovolahy.

Anisan'ireo voasambotra ny zanaka lahin'i al-Duhayan anankiroa, Yasser sy Rayan. 

Vao avy nivoaka tao amin'ny Biraon'ny Famotorana Ankapobeny aho mba hanadihady ny raharaha momba ny reniko. Tohina aho nandray antso avy amin'ny rahalahiko, Rayan, izay nilaza fa voasambotra niaraka tamin'ny rahalahiko Yasser izy.

Mbola voaràra mifandray amin'ny tontolo ivelany ireo gadra vehivavy sy lehilahy. Nahazo nitsidika kosa ireo fianakaviana manana gadra tsy ampy taona, saingy nilaza [ar] tamin'ny fianakaviana ireo manampahefana ao amin'ny fonja tamin'ny 22 Oktobra fa nahazo baiko avy amin'ny Biraon'ny Famotoroana sy ny Famaizana izy ireo mba hihazona ireo ankizy ireo amin'ny efitra mitokana mandritra ny dimy andro manaraka .

Maha al-Duhayan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.