Ao Anatin'ny Adilahy Politika, Mijaly ny Fampahalalam-baovao Ao Kyrgyzstan

Raha miady hevitra mikasika ny [rafi-pitantanana] vaovaon'ny toby fitrandrahana volamena ao Kumtor - izay fampiasam-bola vahiny goavana indrindra ao amin'ny firenena – ny solombavambahoaka ao Kirghizistan dia misy kosa ny fihetsiketsehana manohitra ny zava-misy mafana ao amin'ny faritra Isyk-Kul izay toera-pitrandrahana mampiady hevitra ireo solombavambahoaka. Amin'ny fitateram-baovao momba ny krizy politika mifamahofaho, na dia ireo fampahalalam-baovao malaza aza dia toa hita ho mitampim-bava.

Tamin'ny 7 Oktobra, mpanao fihetsiketsehana teo amin'ny 300 sy 500 teo no tonga tao afovoan'ny tanàndehibe ao Karakol, mitaky ny governemanta mba hisisika hitazona ny 70%-n'ny petra-bolan'i Kumtor amin'ny alalan'ny rafitra vaovao, fa tsy 50% araka ny nambaran'ny governemanta hatramin'izao tamin'ny fifampiraharahana. Nanomboka tamin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity ny adihevitra momba ny rafitra teo amin'ilay orinasa sy ny governemanta ary fantatra fa efa eo am-pamaranana ny fifanarahana izy ireo. Tamin'ny volana mey, nanozongozona ny repoblika efa marefo ireo fitroarana tao akaikin'ny toby fitrandrahana ao atsinanan'ny faritra Issyk- Kul sy ny fakàna ny tranoben'ny governemanta ao atsimon'ny firenena. Nisy ny lahatsary Youtube navoaka izay mampiseho ny fandraisan'anjaran'ireo jiolahy ao an-toerana tamin'ny fitarihana ny fitroaram-bahoaka.

Emil Kaptagaev, a former Presidential Chief of Staff and current governor of Issyk-Kul, had a strange day on October 7 (scanned photo taken from Gezitter.org)

Emil Kaptagaev, Chief of Staff teo aloha  ary governoran'i Issyk-Kul ankehitriny, niaina andro hafahafa tamin'ny 7 Oktobra (sary nalaina tao amin'ny Gezitter.org)

Ankehitriny, mbola mandravaka ny politika Kyrgizy indray ny litera “K”. Nandritra ny atoandron'ny 7 Oktobra, izay nanombohan'ny fihetsiketsehana tsy misy herisetra, nisy naka an-keriny  tampoka tao anatin'ny toe-draharaha hafahafa ny  governoran'ny faritra d'Issyk-Kul, Emilbek Kaptagaev. Ora maro taorian'izany, izay nahitana ireo polisy sy mpanao fihetsiketseana nifandona, niely ny tsaho fa notondrahana lasantsy izy ary nokasaina hodorana. Raha vao navotsotra izy, nanazava [ru] i Kaptagaev fa norahonanan'ireo mpanao fihetsiketsehana hodorana izy ary “horasarasaina tahaka ny ondry”.

Tsara ny manamarika fa tsy olo-panjakana malaza i Kaptagaev, Chief of Staff-ny filoha teo aloha Roza Otounbaïeva izy. Tamin'ny fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsoratra izay namariparitany ny zava-niainany vao haingana tamin'izy nalaina an-keriny, mpamaky iray, nanoratra tamin'ny solon'anarana «mpamaky», nanoratra [ru] izao manaraka izao:

О Боже, какой он бедный и несчастный! Зарезать прям его хотели…Да и вообще тебя надо было пристрелить или зарезать. а потом волкам на шашлык отдать. Хотя, если так посмотреть, то даже волки достойны лучшего мяса чем у лысика.

Andriamanitra ô! mampalahelo izy! Tian'izy ireo horasarasaina tokoa izy… Eny, angamba na norasarasain'izy ireo ianao na notifiriny, ary avy eo omeny atao sakafon'ny amboadia tahaka ny kebab. Izay midika hoe, mendrika ny tsara kokoa ny amboadia noho ity hena baldy ity.

Tao amin'ny antenimiera kosa nandritra izany fotoana izany, nanapa-kevitra hanavao ny adihevitra momba ny fizaka-pananana an'i Kumtor indray ny Vaomiera maharitra parlemantera ary hikarakara latsa-batom-pitsipahana ny governemanta.

Nahita i Dastan Bekeshev, tanora solombavambahoaka Kyrgyzy sy anisan'ny mpiserasera be mpanaraka be indrindra eto amin'ny firenena fa mahatsikaiky ny fihetsika tampoka ataon'ny vaomiera: 

Hafahafa ny mahita fa manapa-kevitra hanatanteraka latsa-batom-pitokisana ny governemanta amin'ny “fotoana mety” i Alymbekov [ny mpikambana ao amin'ny vaomieran'ny parlemanta] . Toa te hilalao ny hetsi-po amam-panahin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny Kumtor izy [Alymbekov]

Nandinika [ru] ihany koa i Bekeshev fa raha tsy misy Kumtor dia tsy mana-kambara mihitsy ny mpanohitra politika ao Kirghizistan:

Tsara vintana ny mpanohitra sy ireo hery ratsy hafa manana an'i Kumtor ho fialana bala [amin'ny fikorontanana]. Raha tsy izany, zavatra hafa indray no hoforonin'izy ireo.

Edil Baisalov, chief of staff hafa an'ny filoha teo aloha sady mpisera twitter mavitrika, nilaza nandritra ny korontana fa tokony hiala amin'ny asany ny praiminisitra:

Na izany aza, raha mbola ao anatin'izany lohahevitra izany isika: tokony hametra-pialana i [Jantoro] Satybaldiyev [Praiminisitra]. Tsy nahavita azy izy, tsy nahavita namaly ireo fitakiana, tsy nahavita namaha ny olana. Ary tsy momba an'i #Kumtor ihany izany!

Amin'ireo fiarahamonina kelin'ny Twitter ao amin'ny repoblika, lasa malaza ankehitriny ny teny ifankafantarana #СпаситеЖанторо [#SaveJantoro]. Ny tanjona dia ny hanavotana ny firenena nalatsaky ny praiminisitra Jantoro Satybaldiev – amin'ny alalan'ny fanesorana azy.

Protesters in Karakol held governor Emil Kaptagaev as hostage. Image by Kloop.kg, used with permission.

Mpanao fihetsiketsehana ao Karakol naka an-keriny an'i Emil Kaptagaev. Sary avy amin'ny Kloop.kg, nahazoan-dalana.

Mangina ny fampahalalam-baovao mahazatra Mainstream media melts down

Na dia tsy demokrasia tonga lafatra aza i Kirghizistan, mirehareha kosa faly amin'ny fananany fahalalahana indrindra izay mampisalasala ao Azia afovoany taorian'ny vanim-potoana Sovietika ny fampahalalam-baovaony. Na dia izany aza, ratsy dia ratsy ny fitantaran'ny fampahalalam-baovao mahazatra momba ny zava-nitranga. Fahitalavi-panjakana voalohany, OTRK, nitatitra fohy ny zava-nitranga, fa ny fitetezam-paritra nataon'ny filoha Atambaïev no tena nibahana ary koa ny hafatra nataony ho an'ny filoha rosiana noho ny fitsingeran'ny taona nahaterahany. Tsy nambaran'ny fahitalavitra ihany koa fa nalain'ireo mpanao fihetsiketsehana an-keriny ny governora.

Elvira Sarieva mpandraharaha Bishkek nisioka hoe [ru]:

Na iza izy na iza [Kaptagaev] – tsy afaka misambotra tsotra izao ny solontenan'ny governemanta izy ireo, tokony namaly teo no eo ireo manampahefana, fa tsy miandry amin'ny alina, ary tokony nandefa ny vaovao araka ny tokony izy ny [fahitalavi-panjakana] @KTRK_kg.

Ary satria mandroandroatra ny ahiahin-tsikombakomba milaza fa voaongan'ireo filoha teo aloha sy ny “hery ivelany” tahaka an'i Etazonia ny governemanta, cherniy Bishkek , namoaka lahatsoratra maromaro manonona ny “loharanom-baovaony manokana” izay toa noforonina tsotra izao fotsiny mba hampiredareda tsaho ny iray amin'ireo gazety taloha indrindra sy be mpamaky ao Kyrgystan. Nilaza ny lahatsoratra manonona ny tenin'ny [ru] olona ambony tsy fantatra ao amin'ny “ambaratongan'ny fitondrana” fa ny fisamborana an'i Emil Kaptagaev dia efa nomanin'ny patiraony taloha, filoha teo aloha Roza Otunbayeva, izay niara-miasa akaiky tamin'ny Praiminisitra teo aloha, Omurbek Babanov, ary mahagaga fa niara-niasa tamin'i Kaptagaev ihany koa.

Tamin'ny alalan'ny lahatsoratra manaitaitra hafa feno loharanom-baovao tsy fantatra, nanoratra [ru] ny mpamaky iray:

Уважаемая вечерка,понятно,что на вас давят и требуют,чтобы вы размещали подобную информацию из “источников” . Но,помните,что для многих вы являетесь пока еще источником достоверной и объективной информации. Попробуйте объяснить тем,кто на вас давит и заставляет публиковать чернуху и желтуху, что вы просто перестанете пользоваться доверием и превратитесь в такой же отстой, как,скажем,аки-пресс.

Ry namana Vecherka [anaram-panafohezana ny Vecherniy Bichkek], mazava fa niharan'ny faneriterena ianao ary nangataka [izy ireo] ny hamoahanao vaovao avy amin'ny “loharanom-baovao” maro. Na dia izany aza, tsarovy fa mbola loharanom-baovao azo antoka sy tsy mitanila ianao hoan'ny olona maro. Ezaho hazavaina amin'ireo maneritery anao sy mandidy anao hamoaka ity karazam-pako ity fa hitsahatra hankafy ny fitokisan'ireo mpamaky anao ianao ary hivadika amin'izany fako izany tahaka ny Aki-press [orinasam-baovao ao Kyrgyz news agency].

Nofintinin'i Atai Sadybakasov ny fahagagan'ny rehetra izay tsy azo isalasalana fa nitarika ireo gazety an-taratasy sy an-tserasera nanoratra raha nisioka izy hoe:

Vecherochka [anaram-panafohezana anaty fitiavana ny hoe Vecherniy Bichkek], ny masoandroko, lasa adala ve ianao?

Ity ambany ity no ahitana ireo korontana tao Karakol, ahitana mpanao fihetsiketsehana iray nandrahona ny handoro ny tenany.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.