MOOC Marobe

Na aiza na aiza jerintsika dia toa misy filazana hafa momba ny fianarana mahafinaritra ny MOOC. Ity misy fantina vitsivitsy mety tiantsika halaina…

 

MOOC_-_Massive_Open_Online_Course_logo.svg

 

E-learning and Digital Cultures (Fianarana sy Kolontsaina Dizitaly) atolotry ny Anjerimanontolon'ny Edinburgh, avy amin'ny alalan'ny Coursera: 

Hampiseho ny fifandraisan'ireo kolontsaina dizitaly sy ny kolontsain'ny fianarana io fampianarana io, ary ny dikan'izany eo amin'ny fomba hitondrantsika ny fampianarana ao anaty aterineto. Tsy miresaka momba ny fomba “fanaovana” e-learning ity fampianarana ity; fa kosa fanasana hijery ireo fomba fanao ara-panabeazana ato anaty aterineto amin'ny alalanà fijery iray manokana- ny an'ny kolontsaina dizitaly sy malaza en amin vahoaka.

Nokendrena ho an'ireo mpanabe, mpianatra ny fikirakirana teknolojia, ary ireo olona liana manokana amin'ny fanabeazana ka te-handalina ny fahatakarany ny lanjan'ny fampianarana sy ny fianarana anatin'ny vanim-potoana dizitaly ny E-learning sy ny Kolontsaina Dizitaly. Mikasika ny fomba hihaonan'ny kolontsaina dizitaly sy ny fianarana ireo kolontsain'ny fianarana ao anaty aterineto io fampianarana io, ary ny fomba nanefena ny hevitsika momba ny fanabeazana ao anaty aterineto tamin'ny alalan'ny “fitantarana”, na tantara lehibe, mikasika ny fifandraisan'ny olona sy ny teknolojia.

Video Games and Learning (Kilalao An-tsary sy Fianarana) avy amin'ny Anjerimanontolon'i Wisconsin, avy amin'ny alalan'ny Coursera

Iray amin'ireo fotokevitra nalaky nalaza indrindra teo amin'ny media, ny fanabeazana ary ny teknolojia ny “vidéo games / kilalao an-tsary”. Milaza ny fikarohana manerana ireo sehatra samy hafa tahaka ny siansa, ny fampianarana miteny sy manoratra, ny tantara, ny fikarakarana ny ho an'ny maso, ny fandaharana sy ny siansan'ny informatika fa tsy natao hialaàna voly fotsiny ny kilalao an-tsary – mety ho tsara ho an'ny fanahinao ihany koa. Hiresaka mikasika ny fikarohana farany eo amin'ireo karazana fisainana sy fianarana ao anatin'ireo kilalao an-tsary sy ny kolontsainan'ireto farany io fampianarana io, ny tombontsoa sy ny lafiratsin'ny filalaovana kilalao an-tsary dizitaly, ny fihenjanana misy eo amin'ny kolontsainan'ny tanora sy ny fanabeazana nentin-drazana, ary ny fampivoarana vaovao kasaina hameno io hantsana mihalalina io.

Internet History, Technology, and Security (Ny Tantaran'ny Aterineto, ny Teknolojia ary ny Fiarovana) avy amin'ny anjerimanontolon'i Michigan, avy amin'ny alalan'ny Coursera

Mitohy mitombo ny fiantraikan'ny teknolojia sy ireo tambajotra eo fiainantsika, ny kolontsaina ary ny fiarahamonina. Ny tena marina dia azonao alaina na aiza na aiza ity fampianarana ity saingy mitaky fotodrafitrasa teknôlôjika izay novolavolaina, narafitra ary natsangana tanatin'ireo enimpolo taona lasa . Mba hiasana anatinà tontolo mifantoka amin'ny fampahalalana ny vaovao, mila mahatakatra ny fiasan'ny teknolojian'ny tambajotra isika. Hanokatra ny Aterineto aminao ary hampiseho anao ny fomba nipoirany, ny namorona azy sy ny fomba fiasany io fampianarana io. Eny antsefatsefan-dàlana eny isika dia hahita ireo mpanavao izay nampivoatra ny Aterineto sy ireo teknolojia ao anatiny izay ampiasaintsika amin'izao fotoana.

Introduction to Infographics and Data Visualization (Fampahafantarana ny Infografia sy ny Fijerena Angona) avy amin'ny Ivontoeran'ny Knight ho an'ny Fanaovan-gazety any Amerika

Mihodina indray ity fampianarana be mpidera ity, izay mifantoka amin'y fomba fiasàna miaraka amin'ny sary mba hifandraisana sy handinihana angona. Miaraka amin'ny famakiana, fampianarana amin'ny alalan'ny lahatsary sy ireo torohevitra misy ao anatiny, hahazo fahaizana ampy tsara entina hanombohana ny famokarana sary manaitra, tsotra ary saika eo no ho eo ireo mpandray anjara.

The Future Of Storytelling (Ny Hoavin'ny Fitantarana) avy ao amin'ny iversity.org

Liana amin'ny fandehan'ireo endri-javatra foronin'ny saina amin'izao fotoana izao ve ianao? Mba tianao ho fantatra ve hoe ahoana no fomba nitantarana ireo tantara? Te hanadihady, hahatakatra, handrafitra ary hamorona tantara sy arira ve ianao? Hianatra ny fototry ny fitantarana ireo mpianatra, tahaka ny fifandraisan'ny “deba”/mpandray anjara fototra, ny mpitantara/ vanim-potoana tantaraina (sns), sy hanopy maso ireo tetikasan'ny media amin'izao fotoana, handinika ny fomba nandrafetana azy ireo sy nahalavorary izany mifototra amin'ireo lalana fototra voaresaka tetsy ambony, ary koa hiresaka ny fomba hanovan'ireo fitaovana vaovao ao anaty aterineto ny fomba hitantarana ireo tantara sy ny fandinihana izany (raha toa ka).

Public Privacy: Cyber Security and Human Rights (Ny Tsiambaratelom-bahoaka: Fiarovana ao anaty Aterineto sy ny Zon'olombelona) avy ao amin'ny iversity.org

Aterineto dia, tena dia: Kianjan'ny olona tsy misy lalàna ve ny aterineto? Hodinihan'ity fampianarana ity ny fifanarahana misy eo amin'ireo fenitra iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona, ireo lamina sy fandehan'ireo rafitra politika sy lalàna ary ny rafitra fiarovana ny ao anaty aterineto an-dàlam-pitomboana. Ireo adihevitra momba ny fahaverezan'ny fiandrianan'ny fanjakana manoloana ny fiarovana anaty aterineto, mikambana amin'ny hevitry ny fahalalahan'ny aterineto sy ireo andraikitry ny mpampiasa ary ny olom-pirenena dia mampametraka ny fanontaniana, raha azo ampifanantonina na tsia ny andraikitry ny tsirairay sy ny an'ny fanjakana mifototra amin'ny fitoviana sy ny zon'olombelona.

The DO School Start-Up Lab (Ny Labôratoara Fanombohana ny Fianarana DO/TANTERAHO) avy amin'ny iversity.org

Tsy mora mihitsy ny maka ireo hevitrao tsara sy ny mamadika azy ireo ho zava-misy. Hanampy anao hitsahatra hanonofy sy hanomboka hanaTANTERAKA io Laboratôara Star-Up io, hampahafantatra anao ireo dingana ilaina amin'ny firosoana. Natao ho an'ireo olona manana hevitra marimpototra hiaingana ity fampianarana ity satria manohana ny fametrahana ireo dingana voalohany mifanaraka amin'izany io fampianarana io. Hanampy anao hifantoka amin'ny hevitrao hanana toetra miavaka maro misy lanjany ho an'ny fiarahamonina izany. Manome loharano sy fahalalana io fampianarana io avy amin'ny fakàna tàhaka ireo mpitarika anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny start-up ary manome topimaso momba ireo traikefam-pianaran'ireo mpitantana ara-tsosialy hafa manomboka misongadina.

Mahazoa fahafinaretana!

Nalaina tao amin'ny ny Wikimedia Commons teo ambany famelàny ny Sary famantarana ny MOOC.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.