Fanaovam-beloma An'ilay Mpilalao Baseball, Mariano Rivera

Mariano Rivera, foto de Keith Allison en Flickr (CC BY-SA 2.0)

Mariano Rivera. Sary an'i Keith Allison tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Taorian'ny 19 taona nahitany fahombiazana tamin'ny naha matihanina azy teo amin'ny sehatry ny baseball, dia nitsahatra amin'izay ilay Panameana Mariano Rivera.

Tsy nandalo fotsiny mihintsy io fotoana io na ho an'ireo Panameana na ho an'ny maro tamin'ireo mpankafy ny Ligin'ny Baseball, izay nampiasa ny aterineto handefasana fanomezam-boninahitra ho an'ilay sangany indrindra hatrizay tamin'ny fanipazana ny baolina amin'ny farany amin'ny lalao.

Teo amin'ny faha-42 taonany, dia tsy nandray anjara mihitsy i Rivera tamin'ny taom-pilalaovana  2012 noho ny ratra nahazo azy. Ho an'ireo olona sasany dia nidika izany fa nifarana teo ny asan'ilay teratany Panameana, nefa nanapa-kevitra ny hiverina mandritra ny taona iray hafa i Rivera, ary nilaza izy fa hitsahatra amin'ny faran'ny taom-pilalaovana 2013.

Tamin'ny fiarahany nanipy baolina tamin'ny New York Yankees nandritra ny fotoana manontolo nilalaovany, nanavotra lalao 43 i Rivera nandritra ny taom-pilalaovana ara-dalàna 2013 (tsy tafakatra tanatin'ireo handray anjara taorian'ny taom-pilalaovana ny Yankees), izay namela ny vokatra lehibe indrindra azony tamin'ny isa 652 nandritra ny taom-pilalaovana ara-dalàna ary lalao avotra 42 taorian'ny taomn-pilalaovana, nanjary mpanipy baolina manana ny isan'ny lalao avotra ambony indrindra teo amin'ny tantaran'ny baseball matihanina.

Nanome voninahitra ny asan'i Mariano Rivera ny media amin'ny ankapobeny, izay tsy hoe nisongadina fotsiny ihany tanatin'ny maro teo amin'ny tontolon'ny fanatanjahantena, fa koa nahazo ny fon'ny maro, na dia nilalao tanatinà ekipa hàlan'ny olona tahaka ny Yankees aza.

Nitarika ireo mpankafy baseball tany rehetra tany ny lazan'i Rivera mba hanome azy fankasitrahana mitalakotrokotroka isak'ireo kianja maro izay nolalovany nandritra ny taom-pilalaovana 2013, fanaovam-beloma ny iray tamin'ireo mpanao baseball lehibe indrindra novokarin'i Amerika Latina tato anatin'ny taona vitsy.

Namintina izay nitranga nandritra ny lalao famaranana nataon'ny Yankees teo amin'ny kianjany tamin'ity taom-pilalaovana ity ny New York Times, izay farany tamin'ny asa nataon'i Rivera:

Nandritra ny lalao farany nataon'ny Yankees teo amin'ny taniny tamin'ity taona ity, dia nitarika ny Rays de Tampa Bay tamin'ny isa 4-0 izy ireo. Tsy hahazo iray hafa intsony ilay mpanjakan'ny fanavotana lalao, Rivera. Nefa nahahaisotra mpikapoka baolina efatra izy, ary miaraka taminà “outs” roa tamin'ny lalao faha-sivy, nandefa an'i Derek Jeter sy Andy Pettitte – roa amin'ireo mpiara-miasa tamin'i Rivera nandritra ireo taom-pahombiazan'ny Yankees – teo amin'ilay dongon-tany misy ny mpanipy baolina taminà fihetsika voatandrina ny mpitantana Joe Girardi. Natsipin'i Rivera ambony ny baolina dia nanondrika ny lohany teo antsorok'i Pettitte izy. Nandritra ny fotoana maharitra, tsy nihetsika izy ireo, raha nitehaka sy tsy nitsahatra nihoraka ny mpijery. 

Mitantara ny fiandohana tsotran'i Rivera ny gazety Kôlômbiana El Tiempo [es], izay niainga tamin'ny mpanjono ka nanjary mpilalao baseball “amateur” raha niditra tao amin'ny Yankees izy:

Nació un 29 de noviembre hace 43 años (1969) en Ciudad de Panamá, hijo de Mariano Rivera y Delia Jirón, y creció en Puerto Caimito, un lugar pobre. De niño recogía piedras y las mandaba lejos y el deporte de los bates y las manillas lo practicaba con palos, guantes de cartón y bolas elaboradas con red de pesca. Soñaba con ser grande, aunque el béisbol lo jugaba más por diversión y le apuntaba al fútbol.

Teraka ny 29 Novambra tao Panama City izy, 43 taona lasa izay (1969), zanaka lahin'i Mariano Rivera sy Delia Jirón izy ary lehibe tao Puerto Caimito, tanàna iray mahantra. Tahaka ny ankizy rehetra, nanangom-bato izy ary nanipy izany eny ambony eny, ary nanao fanatanjahantena atao hoe “hazo fikapohana baolina sy fonon-tanana” miaraka aminà hazokely, fonon-tanana vita amin'ny baoritra ary ireo baolina novolavolainy avy amin'ny harato fanjonoany. Naniry ny ho lasa goavana amin'izany izy, na dia nataony ho toy ny fialamboliny ihany aza ny baseball fa nifantoka kokoa tamin'ny baolina kitra izy.  

Nanokana lahatsoratra manokana mikasika ny “tena” Rivera koa i Jayson Stark avy ao amin'ny ESPN, ary nanindry fa nakariny avo ny fetra, avo tokoa ka ho sarotra ny hanatratra na hihoatra azy: 

Angamba mety manontany tena ianao: Iza no handimby an'i Mariano Rivera? Ha-ha-ha-ha-ha. Mivazivazy ianao, sa tsy izany? Mbola tsy misy mpamarana lalao hatreto, izay mbola eo amin'ny faha-20 taonany, nahatratra na dia fanavotana lalao 500 miala amin'ny azy aza. Eny, 500. Ireo mpamarana roa, amin'izao fotoana izao, 20 taona mba hany nahavita nanavotra lalao 100 dia : i Craig Kimbrel (138) sy Chris Perez (132). Mbola hanaraka ny fanenjehan'izy ireo an'i Mariano isika anatin'ny — ahoana? – eo amin'ny roapolo taona eo?

Nanome voninahitra an-janany tamin'ny fomba maro samihafa ihany koa i Panamà. Nizara sarin'ny iray amin'ireo vavarano any amin'ny lakandranon'i Panamà, voaloko miaraka amin'ny isa 42 (isa nentin'i Rivera nandritra ny asany manontolo), ny mpanao gazety Álvaro Alvarado:

Fanomezam-boninahitra an'i Mariano Rivera.

Nizara sary iray nandritra ny fotoana farany ho an'i Rivera hiakarany eo amin'ilay dongon-tany fitoeran'ny mpanipy baolina teo amin'ny kianjan'ny Yankee i Carl Gustav:

Amin'ity indray mitoraka ity ihany, azo atao ny mitomany amin'ny baseball.

Naneho ny fihetseham-pon'ireo mpankafy baseball an'arivony i John Cornyn, izay sady nanana indrafo kely ho an'ireo Yankees no nahita tanatin'i Rivera iray amin'ireo mpanao baseball tsara indrindra.

Halako ireo Yankees, saingy mihoatra ny maha-mpikambana azy ao amin'io ekipa io ny halehibeazan'i Rivera.

Nirehareha tamin'ny nahafantaran'izao tontolo izao ny fisian'i Panamà sy Puerto Caimito (izay nahalehibe an'ilay mpanipy baolina) i Susana Marina vokatry ny asa goavana nataon'io mpilalao io:

Ankehitriny, naheno ny anaran'i Panamà sy Puerto Caimito izao tontolo izao… na tianao na tsy tianao.

Nanoratra lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe: “Mariano: Ilay Mpampianatra Tony Miaraka aminà Antsibe Fetsifetsy” ho an'ny New York Times i Michiko Kakutani, izay nahatongavany tamin'ny famintinana sahala amin'ireo mpankafy an'arivony maro, ireo mpanao baseball matihanina, ary ireo mpilalao baolina matihanina koa dia nanoritsoritra mikasika ny fitsaharan'ity mpilalao ity: mifindra eo amin'ny “hazakazaka mankany amin'ny hoavy sy ny fitsaharana i Rivera. Ary eo ambaravaran'ny Cooperstown [Efitry ny Laza ho an'ny Baseball-n'ny firenena] sy mankany amin'ny mandrakizain'ny tantara”.

Veloma ry Mariano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.