Mampiray Ny Faritra Ho Ao Anatin'ny Fankalazana Ny Fahalanian'i Bosnia-Herzegovina Hiatrika Ny Fiadiana Ny Tompon-daka Eran-tany – Baolina Kitra

Fans celebrated the historic win on the streets of Sarajevo throughout the night; image courtesy of Bosnia-Herzegovina national team's "Zmajevi" Facebook fan page, used with permission.

Nankalaza io fandresena manan-tantara io ireo mpankafy tany amin'ny araben'i Sarajevo nandritra ny alina. Sary natolotry ny pejin'ireo mpankafy ny “Zmajevi”, ekipam-pirenen'i Bosnia-Herzegovina.

Manodidina ny 12 ora taorian'ny nanamafisan'i Bosnia-Herzegovin ny fizorany mivantana hiady ny ho Tompon-daka Eran-tanin'ny baolina kitra 2014 ao Brezila, mbola mifety foana io fotoana manan-tantara io ny Bosniaka. Tondrak’ireo tsikeram-pifaliana avy amin'ireo Bosniaka sy ny fanohanana avy amin'ireo firenen-kafa ny tambajotra sosialy.

Halina sy androany 16 oktobra 2013 (fanamarihan'ny mpandika: andro nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy), tsy misy afaka milaza raha mijery ireo tambajotra sosialy sy ireo vohikalam-baovaom-paritra fa mbola tena mikorontana ny fiainana ara-politikan'i Bosnia, na koa hoe mandrahona ny hanasazy ny firenena kelin'i Balkana ny Vondrona Eropeana. Ny zavatra tokana ao an-tsaina sy amin'ny fandaharam-potoanan'ny olona dia ny fandresen'i Bosnie-Herzegovina an'i Litoania tamin'ny 1-0 nandritra ny fifantenana izay hiatrika ny Fiadiana ny ho Tompon-daka Eran-tanin'ny baolina kitra. Eny fa na ny kaonty Twitter ofisialin'ny Iraky ny OSCE ao Bosnia-Herzegovina aza dia nanajanona ireo olana hafa rehetra omaly alina mba hanambaràna ny fandresen'ny ekipa:

Nanafana an'i Bosnia-Herzegovina ho amin'ny @FifaWorldCup any #Brazil2014 i Ibisevic http://t.co/Z3PECyYkYf #BiH

— OSCE Mission to BiH (@OSCEBiH) 15 oktobra 2013

Manerana an'i Bosnia-Herzegovina, maneho ny fihetseham-pony momba ny toeran'ny fireneny ara-tantara ao anatin'ny hetsika ara-panatanjahantena lehibe indrindra eran-tany ireo mpankafy. Milaza ny mpampiasa Twitter, @samrich_, avy any Sarajevo fa: 

Mitomany ny raiko, [mianiana] amin'ny aiko aho. #BosnaiHercegovina#Brazil#BiH#Bosnia#Football

— Morning star (@samrich_) 15 oktobra 2013

Araka ny voalazan'ireo tambajotra sosialy sasany dia tonga “tsy nampoizina” nandritra ny fankalazana ara-pinoana ny Bayrami Kurban ankalazaina be any Bosnia-Herzegovina io fandresena io, izay fantatry ny tontolo silamo amin'ny fetibe fanaovana sorona. Nanome ny fiarahabana mahazatra amin'ny fankalazana ny Bayrami ireo mpampiasa media sasany, izay ampiasaina hankalazana ny faran'ny Bayram sy ny Hajj “Bayram Sherif Mubarek Olsun” (“Hotahiana anie ny Bayram masina”) entina hiresahana ny ho Tompon-daka Eran-tanin'ny baolina kitra, ary tsy nisy olona tezitra tamin'izany. Mifanohitra amin'izany, ireo bitsika tahaka ity iray avy amin'i Nikola Bajčetić ao Montenegro ity dia noraisina tamin'ny saina madio sy hatsikana:

BRAZIL SHERIF MUBAREK OLSUN ! :))) Arahaba maro sosona #BiH ! #fudbal

- Nikola Bajcetic (@Nikola_MNE) 15 oktobra 2013

Toa nampiray ny faritany iray manontolo izay mikorontana io lalao io, satria dia niarahaba an'i Bosnia-Herzegovina sy nankalaza io fandresena io niaraka taminy tao anaty aterineto ireo Serba, Kroaty, sy ireo teratany mpankafy ao Montenegro. Taorian'ny fahareseny tamin'ny lalao 2-0 nifanandrinany tamin'i Ekaosy omaly alina, dia mbola manana fanantenana kely handresy ihany i Kroasia amin'ireo andiana fifaninanana fanintsanana. Serbia kosa anefa volana maro lasa izay, very fanantenana tanteraka amin'ny Fiadiana ny ho Tompon-daka Eran-tanin'ny baolina kitra taorian'ny angamba iray amin'ireo lalao fifanintsanana ratsy indrindra tanatin'ny tantaran'ny fanatanjahantenany. Saingy nandresy an'i Makedonia tamin'ny isa 5-1 i Serbia ny 15 oktobra 2013, izay nanimba ny nofinofy mety nananan'ireo Makedoniana hanatratra an'i Brezila amin'ny lohataona ho avy. Ireo mpankafy avy any amin'ireo firenena telo ireo, taorian'ny fahavoazany, dia niray tanatin'ny fankalazana ny fandresena tokan'i Bosnia-Herzegovina. Nandray anjara koa i Nikola Radović avy any Montenegro sady niteny hoe:

Na dia very tao amin'ny kianjan'i Podgorica ho an'i #CrnaGora [#Montenegro] aza ny feoko, nahazo teny aho fa an-dàlana ho any Brazila i #BiH. Hanohana azy ireo aho. Arahabaina i Bosnia!

— Nikola Radovic (@NowitzkiCt) October 15, 2013

Ankehitriny dia hiatrika ireo firenena tahaka an'i Angletera, Alemaina, Pays-Bas, Espaina sy ireo ekipa sangany any Brezila amin'ny herintaona ny ekipa nasionalin'ny baolina kitra ao Bosnia-Herzegovina ary manana vintana bitika ho lasa lavitra amin'io fifaninanana io. Na izany aza, maro ireo milaza fa tsy asiana adihevitra loatra ny ho vokatra azon'i Bosnia any amin'ny Fiadiana ny ho Tompon-dakan'ny baolina kitra ankehitriny, satria io no fotoana voalohany nahatafakatra ny firenena amin'ny maha-firenena mahaleotena azy, fotoana manan-tantara iray mendrika noho ny mariboninahitra rehetra. Mampiseho ny endrik'i Sarajevo nandritra ny alina ity horonantsary iray eto ambany ity, izay nidinan'ny olona an-dàlambe hankalaza: 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.