Lahatsary: Mihira Firaisankina Ho An'ireo Mpamboly Ny Mpanakanto Kolombiana

Image from music video. Photo shared by Papa con Yuca on Facebook

Sary taminà lahatsary mozika. Sary nozarain'i Papa con Yuca tao amin'ny Facebook. Nahazoan-dalana.

Nivondrona ireo mpanakanto Kolombiana mba haneho ny firaisankin'izy ireo amin'ireo mpamboly izay nanatontosa fitokonana manerana ny firenena mba hanoherana ny politikan'ny govermenta momba ny fambolena.

Na dia nijanona tsy nitokona aza ireo mpanao fihetsiketsehana taorian'ny fifampiresahana nasionaly teo amin'ny governemanta sy ireo mpamboly tamin'ny volana Septambra, mbola mitohy kosa ny tolon'ireo mpamboly momba ny zo ho amin'ny fizakantany.

Nanazava tao amin'ny World Policy blog (bilaogy momba ny politika manerantany) i Robert Valencia, mpikambana ato amin'ny Global Voices, “mitaraina ireo mpamboly fa mihasarotra ny fiainan'izy ireo noho ilay fanovana hoan'ny fifanakalozana-malalaka

In particular, they blame their current plight on the recently signed Free Trade Agreement (FTA) with the United States and other similar agreements with countries like Canada in recent years.

[…]

Although Colombia’s economy has grown steadily over the last decade, rural households are three times less likely to generate the same income as average urban households. Most of the campesinos (Spanish for peasants) demand cheap fertilizers and other agrarian products, cheap credits from the Agrarian Bank, and the democratization of land ownership.

Mitaraina indrindra ny amin'ny fijaliany ankehitriny izy ireo noho ilay Fifanekena momba Tsenam-pifanakalozana-Malalaka (FTA) nosoniavina vao haingana niaraka tamin'i Etazonia sy ireo fifanekana hafa mitovy amin'izany izay niaraka tamin'ireo firenena tahaka an'i Kanada taona vitsy lasa izay.

     […]

 Na dia tsy nitsahatra nandroso aza ny toekaren'i Kolombia nandritra izay folo taona lasa izay, dia ampahatelon'ny fidiram-bolan'ireo tokantrano antonony ao andrenivohitra ny an'ireo tokantrano ambanivohitra. Maro amin'ireo mpamboly campesnos (tantsaha amin'ny teny espaniola) no mitaky zezika mora vidy sy vokatra hafa momba ny fambolena, fampindramam-bola madinika (mora vidy) avy amin'ny bankin'ny fambolena, ary fampiroboroboana ny fizakantany.

Nanoratra hira momba ny tolona ataon'ireo mpamboly ny vondrona mpanakanto amin'ny anarana hoe Papa con Yuca (“Potato with Yuca“) ary nizara izany tao amin'ny YouTube:

Nanoratra momba ny lahatsary sy ny fisantaran'andraikitry ny Papa con Yuca ny bilaogy Rythm & Roots:

While the government recently came to an agreement with the farm leaders, the protests have brought the issue of land rights disputes back to the forefront. Though not gaining the same level of global media coverage as similar movements in Turkey and Brazil, the Colombian protests have stood out for their universality. The movement evolved from a farmers demonstration into a nationwide call for change. Much as the students stood next to the farmers on the picket lines, a group of musicians, artists, video producers and bloggers came together to add their voice to the multitudes with #YoQuieroPapaConYuca.

Na dia nahita marimaritra iraisana aza ny lehiben'ny fambolena sy ny governemanta, ny disadisa momba ny fananan-tany indray no olana nentin'ny fihetsiketsehana. Na dia tsy nahazo fitantarana manontolo tamin'ny fampahalalam-baovao tahaka ny hetsika tao Tiorkia sy Brezila aza ny fihetsiketsehana tao Kolombia, niavaka kosa izy satria nahenika ny firenena. Niatomboka tamin'ny fihetsiketsehan'ny mpamboly ny hetsika ary nipaka hatramin'ny antso ho amin'ny fanovana manerana ny firenena . Na dia ireo mpianatra aza manohana ireo mpamboly ka mitokona miaraka amin'izy ireo, nivondrona ireo mpiangaly mozika, mpanakanto sy mpamokatra lahatsary sy bilaogera mba hanamafy ny feony miaraka amin'ny rehetra #YoQuieroPapaConYuca.

Hoy ny lahatsoratra nanohy:

The project celebrates Colombia’s rich agricultural tradition and remains as a reminder that, though the protests are over for now, the pressure for change still exists. In the words of Yo Quiero Papa con Yuca:

No hay tiempo para cambiar mañana. Cambiemos hoy!!!

There is no time to change tomorrow, let’s change today!!!

Mankalaza ny lovantsofina momba ny fambolena ao Kolombia ny tetikasa ary mampatsiahy fa, na dia mijanona aza ny fihetsiketsehana amin'izao, mbola misy foana ny fanerena ho any amin'ny fanovana. Ao amin'ny tononkiran'ny Yo Quiero Papa con Yuca:

No hay tiempo para cambiar mañana. Cambiemos hoy!!!

Tsy misy fotoana hoan'ny fanovana rahampitso, andeha hiova anio!

Tao amin'ny Twitter, nizara lahatsary ary nilaza ny firaisankinan'izy ireo amin'ny mpamboly tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #yoquieropapaconyuca ny Kolombiana:

Satria tiako kokoa ireo fianakaviana mba hahavelo-tena fa tsy mihanona fotsiny amin'ny fonosana sakafo novaina taharo ao anaty lalimoara.

Mitohy ny fitokonana. Manohitra i Kolombia. Manao fihetsiketsehana ny mpamboly. Manodikodina ny mpanao politika

Fihetsiketsehana milamina anoherana ny olana mianjady amin'ireo tantsaha Kolombiana.

Ho an'ny fahamendrehan'ireo mpamboly Kolombiana sy ho an'ny fahamendrehantsika rehetra.

Zava-kanto toy ny fitaovana hanavotana ny loharanon-karenantsika.

Afaka manaraka ny Papa con Yuca ao amin'ny Twitter [es] sy Facebook [es] ianao.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.