Novain'ireo Piraty (Hackers) Ny Sary Tao Amin'ireo Habaky ny Miozolomana Rosiana Nandritra ny Eid

Mosocow Muslims praying during Eid. YouTube screenshot.

Miozolomana ao Moskoa mivavaka mandritra ny Eid al-Adha 2013. Pikan-tsary tao amin'ny YouTube.

Satria miha-mafy ny fihetseham-po manohitra ny mpifindramonina ao Rosia taorian'ny fitroarana ara-poko tamin'ny herinandro lasa [tatitra tao amin'ny Global Voices], misy ireo olona sasany vonona hampitombo ny olana. Tamin'ny 15 Oktobra, andro nankàlazan'ireo Miozolomana rosiana ny Eid al-Adha (na Kurban-Bairam araka ny fahafantarana azy ao Rosia), tranonkala marobe an'ireo fikambanana Miozolomana no nisy nanova tamin'ny sarinà loha-kisoa notapahana mihazona Korany eo amin'ny vavany .

 

Screenshot of a defaced Muslim website.

Pikantsary tamin'iray amin'ireo hakaba Miozolomana niharan'ny fanovan-tsary.

Nipoitra tao amin'ny habaky ny Filankevitry ny Mufti ao Rosia, ny Moskea-katedraly ao Moskoa, ary tao amin'ny habaky ny mpiasan'i Ravil Gaidutdin, lehiben'ny Filan-kevitry ny Mufti ny sary, miaraka amin'ny lahatsoratra fohy, fotoana fohy taorian'ny fanafihana DDoS. Amin'izao fotoana izao, tsy mandeha intsony ireo habaka telo ireo. Toy izao manaraka izao ny vakin'ny lahatsoratra tao:

Здравствуйте, мусульмане. Обращаются к вам жители Москвы. Вы нас уже заебали. Мы прерасно осведомлены, что свинья является для вас грязным животным, поэтому вот вам свинка с кораном в пасти. Теперь ваше доменное имя осквернено и вы не можете больше держать тут ваш сайт. Скоро мы зароем свинок около всех ваших мечетей. Хороших праздников, хуесосы.

Miarahaba ny Miozolomana. Ny mponin'i Moskoa no miresaka aminareo.  Namely anareo izahay. Fantatray tsara fa biby maharikoriko anareo ny kisoa, ka ity misy kisoa miaraka amin'ny Korany eo amin'ny vavany. Ankehitriny, voatsiratsira ny anaran'ity sehatra ity  ka tsy afaka mametraka ny habakareo eto intsony ianareo. Ho halevinay ato ho ato eo akaikin'ireo moskea anareo rehetra ireo kisoa ireo. Mialà sasatra tsara, ry mpinono.

Araka ny filazan'ilay mpandrindra ny Twitter-n'ny Tjournal [ru] ao Rosia, tao amin'ny tambajotra sosialy VKontakte, pejin'i Evgeniy Volnov no nipoiran’[ru] ireo vaovao voalohany momba ny fanafihana. Mpikambana ambony ao amin'ny fikambanana mpamelaka [ru] ao Rosia i Volnov – ny mpamelaka dia kolontsaina hafa fanaon'ireo mponina izay manao antso an-tarobia vazivazy, mandrakitra ny resaka ary mandefa izany ao amin'ny aterineto. Tsy fantatra raha tafiditra amin'ity raharaha fanafihana i Volnov. Nandritra izany, fantatra fa hitan'ny mpiasan'ny Filan-kevitry ny Mufti IT ny loharano niavian'ny fanafihana. RIA Novosti nanatsonga [ru] ny nolazain'ny Filan-kevitry ny Mufti tamin'ny fanambarana an-gazety:

[…] источник грязного и трусливого действия определен, о чем проинформированы соответствующие правоохранительные структуры

[ …] Fantatra ny loharano niavian'ity fihetsika mahatsiravina sy feno hakanosana ity, ary efa nampilazaina ireo manampahefana mahefa

Nampiasan'ireo nasionalista Rosiana mba hamelezana fa “miha-mampididoza” ireo mpifindra-monina (miozolomana ny ankamaroany) avy any Azia Afovoany, sy ireo mpifindra monina anatiny avy ao Kaokazy Avaratra ny fetim-pivavahana Miozolomana taloha. Mora tohina indrindra amin'izany filazana izany ireo Eids roa ireo satria miozolomana am-polo an'arivony ao Rosia no milahatra eny an-dalambe, indraindray efa mivonona amin'ny fomba amam-panao taloha mamono biby fiompy izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana, ka mampihataka ireo mponina ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.