Enina Isan-jaton'ireo Mpianatra Ho Mpisolovava 250 Ihany No Afaka Tao Zambia Tamin'ity Taona Ity

Voalohany tao Liberia, Zambia indray ankehitriny.

Vao haingana tao Liberia, tsy afaka avokoa ireo mpianatra rehetra nisoratra anarana tamin'ny fanadinana hidirana ao amin'ny oniveriste tamin'ity taona ity. Nivoaka ny vaovao avy ao Zambia, fa tamin'ireo mpianatra 250 nanala fanadinana taranja lalàna tao amin'ny Ivo-toerana fampianarana lalàna ao Zambia ( Zambia Institute of Advanced Legal Education), fantatra amin'ny fanafohizan-teny hoe ZIALE, enina ihany no afa-panadinana.

Ilay mpisolovava Maureen Mwanawasa (@mwanachilembo), vadinà filoham-pirenena teo aloha, vady navelan'ny filoham-pirenena fahatelo tao Zambia, Levy Mwanawasa, no nanambara ny vaovao momba ity valim-pananadinana mampalahelo ity tamin'ny alalan'ny sioka nalefany ho an'ireo mpanaraka azy: 

Valim-panadinana manafintohina tao ZIALE, tamin'ireo mpianatra 251 dia 6 ihany no afaka tao #Zambia

Mpisera Twitter Zambiana monina ao Etazonia Miss Bwalya (@missbwalya), nanontany ny antony tsy nahombiazan'ny ankamaroan'ireo mpianatry ZIALE: 

@Mwanachilembo Manodidina ny 90% isaky ny kilasy vaovao tao ZIALE dia tsy afa-panadinana avokoa. Inona no anton'izany?

Ramatoa Mwanawasa (@mwanachilembo) nanome fanazavana iray:

 @Missbwalya ambony loatra ny isan'ny mpianatra any an-dakilasy , tsy manana fifandraisana amin'ny mpampianatra ireo mpianatra

Mpisera iray, Grieve Chelwa (@grievechelwa), mpianatra PhD Zambiana, nanana fijery mifanohitra mikasika ny tahan'ny tsy fahafahana ambony loatra:

@Mwanachilembo @missbwalya, Fomban'ny LAZ [Fikambanan'ny mpahay lalàna ao Zambia] ny manidy mafy ny isian'ny mpisolovava fanampiny. Manao tahaka izany daholo ny ankamaroan'ireo Fikambanana mpisolovava manerantany.

Nohadihadian'ny Komity lefitry ny antenimiera ny olana mikasika ny tahan'ny tsy fahafaha-panadinana tao ZIALE tamin'ny taona 2012:

your Committee observes that the admission criteria into University of Zambia School of Law is different from that obtaining in most private universities, in the sense that at private universities students are admitted straight from grade 12 without passing through the Humanities as the case is at UNZA [University of Zambia]. As a result of this the general quality of law graduates from the private universities is poor hence their inability to perform at ZIALE. Your Committee recommends that enrollment into the various Schools of law should be done as per Universal Standards whereby students first go through the humanities or already have a first degree.

Nahita ny komitinareo fa tsy mitovy amin'ny ankamaroan'ireo oniversite tsy miankina ny fepetra hidirana hianatra ao amin'ny oniversite fianarana lalàna ao Zambia, satria afahana fanadinana avy hatrany ireo mpianatra eny amin'ny oniversite tsy miankina manomboka ny taona faha-12 ary tsy mila mianatra ny siansa mahaolona tahaka ny ao UNZA [Oniversite ao Zambia]. Vokatr'izany, tsy azo antoka ny kalitao ankapoben'ireo diplaoma momba ny lalàna avy amin'ireo oniversite tsy miankina, izany no mahatonga azy ireo tsy mahomby ao ZIALE. Nanome sosokevitra ny komitinareo fa tokony atao manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fandraisana mpianatra amin'ireo Sekoly fampianarana lalàna isan-karazany fa tokony hahavita ny siansa mahaolona aloha na koa efa manana diplaoma dingana voalohany ny mpianatra.

Niresaka nandritra ny antso, rehefa afa-panadinana ofisialy ireo mpisolovava tamin'ny taona 2011, filohan'ny mpitsara, Ernest Sakala efa misotro ronono nilaza hoe

The immediate reaction of an independent observer of the situation at ZIALE must be that there is something seriously wrong with the system that fails all the trainees it purports to have trained […] Statistically, it is practically impossible that out of 145 students that ZIALE accepted for training only a handful were actually of a grade that ZIALE actually excepted.

Ny fihetsik'ireo mpanara-maso tsy miankina mikasika ny zava-misy ao ZIALE dia ny mihevitra avy hatrany fa misy zavatra tsy manjary ao amin'ny rafitra ka tsy mampahomby ireo mpiofana izay nolazaina fa efa nampiofanina […] Raha ny antontanisa no jerena, sarotra ny hino fa tamin'ireo mpianatra 145 neken'ny ZIALE omena fiofanana, mpianatra azo isaina amin'ny rantsa-tanana ihany no tena nantenain'ny ZIALE.

Taminà taratasy nalefa hoan'ny Zambian Watchdog, mpanoratra iray tsy mitonona anarana nitaraina hoe:

The failure rate at the Institution has reached alarming proportions hitting a 90+ percent high, as at the last sitting. The aspirations of many Law graduates to become legal practitioners have not come to fruition because of the high and deliberate failing of students at ZIALE.

Nahatratra ny taha mampitaintaina ambonin'ny 90 isan-jato ny tahan'ny tsy fahafaham-panadinana tao amin'ilay Ivo-toeram-pampianara, tahaka ny fanadinana farany teo. Tsy nahitam-bokatra ny fanirian'ireo mpianatra lalàna marobe ho lasa mpikirakira ny lalàna noho ny tsy fahombiazana goavana sy fanahy iniana nahazo ireo mpianatra ao ZIALE.

Notohizan’ilay mpanoratra hoe:

The “ Five Year” ban on students who fail to clear after three (3) attempts is no longer in the National interest and needs to be reviewed or better still abolished. This would entail amending Rule 23 of The Legal Practitioners Act Chapter 30 0f The Laws of Zambia.

Tsy tombotsoam-pirenena intsony fandraràna “dimy taona” ho an'ireo mpianatra tsy afaka rehetra nanandrana in-telo ary mila dinihana indray na tsaratsara kokoa foanana. Mila fanovana avy amin'izany ny Fitsipika faha-23 momba ny lalàna ho an'ireo mpiasan'ny fitsarana ao amin'ny Toko 30 amin'ny Lalàna Zambiana.

Hoy ny vakin'ny fanehoan-kevitra taminà taratasy avy amin'ilay miantso ny tenany ho “Cheers” [tsy misy rohy maharitra ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny habaka]:

ZIALE must undergo reforms, how do you allow the same person to lecture, set and mark the exams? and the same person is likely to compete against a student on the market who passes bar exams. Zambian Lawyers are selfish thats the reason why one man law firms die togather with the owner. No one among the Lawyers admitted to the bar is interested in reforming ZIALE and thats typical of us Zambians.

Tokony hanao fanitsian-dalàna ny ZIALE, ahoana no hanomezanao alalana olona iray sady mampianatra, no manala sady mitsara fanadinana? ary izany olona izany dia mety hifaninana amin'ny mpianatra iray izay afa-panadinana taranja lalàna . Tia tena ireo mpisolovava Zambiana, izany indrindra no antony mahatonga ny iray amin'ireo kabinetran'ny mpisolovava miara-maty amin'ny tompony. Tsy misy amin'ireo mpisolovava afa-panadinana no liana amin'ny fanitsiana ny ZIALE ary mampiavaka antsika Zambiana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.