Matahotra Amin'ny Fisian'ny Herisetra Ara-nofo Ao Amin'ny “Action Hero” Ireo Vehivavy Ao India

Tetikasam-piarahamonina tantanin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay mikendry hiatrika ireo herisetra ara-nofo imasom-bahoaka, na ny fanorisorenana ny vehivavy araka ny ahafantarana azy ao India ny Blank Noise, ka namoahana lalaon-javamisy antsoina hoe “Action hero (Fihetsika mahery fo)” natao hiadiana ny tahotry ny vehivavy Indiana marobe ao an-tanàndehibe.

Araka ny filazan'ny bilaogy projExportect, na iza na iza na olona firy na firy dia afaka mandray anjara amin'ny lalao, izay afaka lalaovina miaraka manerana ny tanàna, firenena, tanàndehibe mpiray hasin'ora (fuseaux horaires). Tokony hanana kaonty Twitter sy finday ny mpilalao mba hahafahany mandray hafatra misy ireo torolalana sy ny asa atao, ary tokony amin'ny toerana tsy mahazatra ny mpilalao no hanombohana izany.

Nanazava ny antony ilavana ny lalao ny habaka (tranonkala):

At Blank Noise we have largely used the web space to build dialogue on the issue of sexual violence. We announce events, build participation, work towards growing a community of men and women who take ownership and responsibility of sexual violence. We intervene across spaces with multiple forms of media (live street actions/ t shirts/ posters/ sound installations/ interviews) but rely largely on the web to build testimonials of sexual violence. There are spaces and communities this blog space hasn't accessed. That's also where we count on you.

Ao amin'ny Blank Noise, nivalampatra nampiasa ny sehatry ny habaka isika mba hamolavola resadresaka momba ny lohahevitra herisetra ara-nofo. Nanambara ny hetsika izahay, manamafy ny fandraisan'anjara, miasa hampitombo ny fiarahamonin'ny lahy sy ny vavy izay misahana sy mandray andraikitra amin'ny herisetra ara-nofo. Mirotsaka manerana ny sehatra rehetra amin'ireo karazana media marobe izahay  (hetsika fandefasana sioka mivantana / t shirts / afisy /fametrahana  fanamafisam-peo / resadresaka) saingy miankina tanteraka amin'ny habaka mba handefasana fijoroana vavolombelona momba ny herisetra ara-nofo. Misy ireo sehatra sy fiarahamonina tsy afaka idiran'ity bilaogy ity. Izany ihany koa no antony hianteheranay aminareo.

Imge courtesy Blank Noise. CC BY-NC-SA 2.5

Sarin'ny Blank Noise. CC BY-NC-SA 2.5

 Jasmeen Patheja, Mpamorona ny Blank Noise, nanazava tsara kokoa ny lalao tao amin'ny Indian Express :

The Action Hero Game is designed to deal with fear and to make the ‘action hero’ player acutely aware of his or her presence in his or her city. Through the ‘tasks and challenges’, it enables new behaviour, thus building new associations and memories with a public space.

Ny lalao “action hero” dia natao hiadiana amin'ny tahotra ary hahatonga ireo mpilalao ny “action hero”  hahafantatra tsara ny fisiany ao amin'ny tanànany. Amin'ny alalan'ireo «andraikitra sy fanamby», manome fitondratena vaovao izany, amin'ny fananganana fikambanana vaovao sy tantaram-piainana miaraka amin'ny sehatry ny daholobe.

Nanazava tsara kokoa izy tao amin'ny Deccan Chronicles: She further explained to the Deccan Chronicles:

Jasmeen Patheja, the originator of Blank Noise explains that being defensive and hyper alert does not lead to “feeling safe” and that was when she conceptualised the idea. She says, “We keep ourselves safe by building defense rather than making it familiar.” The project hopes that each individual has the ability and power to influence change in one’s society.

Nanazava i Jasmeen Patheja, tompon-kevitra tamin'ny Blank fa tsy mitondra mankany amin'ny “fahatsiarovan-tena ho voaaro” ny fahavononana hiaro tena sy ny ho mora taitra be loatra raha namorona ity hevitra ity izy. Hoy izy: «Manome fiarovana ny tenantsika isika amin'ny fahaiza-miaro fa tsy amin'ny fizàrana.” Manantena ny tetikasa fa hanana fahafahana sy tanjaka hitarika fiovana eo amin'ny fiarahamonina ny olona tsirairay avy.

Tamin'ny 5 Oktobra 2013, nolalaovina tao amin’ireo tanànan'i India ny lalao :


View Action Hero Game #1 in a larger map

Namariparitra ireo andraikitra nomeny sy ny fomba namaliany izany i Anjali Manakkad avy eo Bangalore. Ny hipetraka sy hibanjina eny amin'ny rahona no andraikiny faha-efatra:

I went to one of the benches down the road and I left my camera pack on the side and I stretched myself and bent my head backwards. This was actually very peaceful and no one seemed to be curious or mocking by my actions. I don't know if anyone really noticed me as I was looking up most of the times. But I knew for sure that no one was sniggering or talking about me as I heard a few footsteps pass me by with no reaction.

Nandeha namonjy seza iray teny an-dalana aho ary navelako teo akaiky teo ny fankàtsariko ka nitsotra naka aina aho ary nibanjina ny lanitra ny lohako. Tena nilamina tokoa nandritra izany ary tsy mba nisy olona nijierijery ka naneso ny fihetsiko. Tsy fantatro raha nisy olona nahatsikaritra ahy marina satria nihiratra matetika aho. Saingy tena fantatro tsara fa tsy nisy olona nitsikanikany na niresaka momba ahy satria nahare olona mandeha tongotra mandalo eo akaikiko saingy tsy manao na inona na inona izy ireo.

Laura Valencia, mpandray anjara, naneho hevitra tamin'ny lahatsoratry ny The Alternative:

The first few instructions were straightforward. I walked with my arms swinging, sat in a place and got comfortable, and made small talk with strangers. As time went on, I found myself less obsessed with checking to see if a new instruction had come as I sank into playing the game. I found my temporary happy place about two hours in while standing on a street corner and giggling.

Tsotra ireo torolàlana voalohany. Nandeha an-tongotra manasavilivily tanana aho, naka toerana ary nipetraka tsara, ary niresaka fohy tamin'olo-tsy fantatra. Nandeha ny fotoana, hitako fa tsy variana tamin'ny fijerena raha misy ny torolàlana vaovao tonga satria renoka tao anatin'ny lalao aho. Teo amin'ny adiny roa teo no nahitako ny toerako vonjimaika falifaly raha nitsangana teo antsisin-dalana sady nivanivany.

Action Hero Game 1. Image courtesy Blank Noise. CC BY-NC-SA 2.5

Lalao Action Hero 1. Sary avy amin'ny Blank Noise. CC BY-NC-SA 2.5

Tao amin'ny bilaogy Blank Noise Action heroes, nizara ny fihetseham-pony ireo mpandray anjara:

Ash, nandray anjara tamin'ny “Action Hero” nihevitra hoe:

The funny thing about all this is our general attitude to it. It is something that we women expect to experience. We ‘modern’ women may have stopped taking it lying down, and take action when we can. Nevertheless, it’s a sad fact of life that eve-teasing is a normal part of life. We Bombayites even considered ourselves luckier, because at least we weren’t like our sisters in Delhi – who’d travel in busses with their arms crossed at their chest, pointed needles poking out of their fists at either side!

Ny tena mahafinaritra tamin'izany rehetra izany dia ny fihetsitsika amin'ny ankapobeny. Izany no zavatra nantenainay vehivavy hiainana. Afa-mitsahatra amin'ny [fanekena] hitsilany fotsiny isika vehivavy “maoderina”, ka handray fepetra raha ilaina. Kanefa kosa, zavamisy mampalahelo fa anisan'ny zava-iainana andavanandro ny fanorisorenana vehivavy. Manasokajy ny tenanay ho manam-bitana kokoa izahay Bombayita izany fa tsy tahaka ireo rahavavinay ao Delhi – izay mamihi-tratra sy mandranirany hoho maranitra amin'ny andaniny sy ankilany!

Amin'ny 19 oktobra 2013 indray ny lalao manaraka. Raha hisoratra anarana maimaim-poana, mandefasa mailaka amin'ny blurtblanknoise@gmail.com.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.