Portiogaly : Fifidianana Manamarina Ny Tsy Fitokisan'ny Olona Ireo Antoko Politika

The electoral campaign was marked by various highs and lows which revealed the distrust in the political parties. The best example was the success achieved by the Facebook page Tesourinhos das Autárquicas, which satirises various election posters and other moments of the campaign, followed by more than 127,000 people.

Voamarika tamin'ny fiovàna maro, tsara sy ratsy, izay nanamarika ny tsy fahatokisan'ny olona ny antoko politika ny fampielezan-kevitra. Ny fahombiazan'ny pejy Facebook  Tesourinhos das Autárquicas (Voahangy kely avy amin'ny fifidianana eto an-toerana) no ohatry tsara indrindra,  mpanaraka 127.000 izay naneso ireo sary isankarazany  (araka ity sarin'ny PSD eo amin'ny fanariam-pako ity) sy fotoanam-pampielezan-kevitra hafa.

[Mankany amin'ny fiteny Portioge ny rohy rehetra raha tsy misy toro-marika.]

Na dia mirona mankany amin'ny faharesen'ny Antoko Sosio-Demokraty (PSD),antoko eo amin'ny fitondrana aza ny vaovao amin'ny haino aman-jery ao an-toerana sy any ivelany, tamin'ny fifidianana tao an-toerana, ny marina dia ny ankamaroan'ny antoko politika no resy.

 Mahaliana ny fijerena ny isa amin'ny vokatra ankapobeny, toy ny tahan'ny tsy fahatongavana nifidy nahatratra 47,36 isan-jato, taha ambony indrindra mbola tsy hita hatramin'izay nisianà fifidianana tao an-toerana. Ary tamin'ireo izay nifidy indray dia 3,86 isan-jato dia vato fotsy, ny 2.05 isan-jato vato maty ary 6,66 isan-jato no vato azon'ny mpifaninana avy amin'ny tsy miankina.

Numbers from the Local Elections shared by Paula Montez on Facebook.

Ireo isa avy amin'ny Fifidianana teo an-toerana, zarain'i  Paula Montez ao amin'ny Facebook. “tsy fahatongavana: 47.36%, Vato Fotsy: 3.86%, vato Maty: 2.95%. Fitambarany: 54.17%. Mpifidy 4.679.063 no tsy nifidy! Ary dia mbola sahy milaza ny antoko fa voafidin'ny maro an'isa.”

Ny mahavariana dia tsy nisy mihitsy mpitarika antoko nilaza tanatiin'ny fanambarana nataony taorian'ny fivoahan'ny valim-pifidianana fa nankasitrahan'ny antsasaky ny mponina fara-faharatsiny iny fifidianana iny.

Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Aguiar Branco no hany tokana nanamarika fa : 

É muito perigoso pensar que a democracia pode viver sem partidos.

Tena zava-doza ny fiheverana fa misy ny demokrasia tsy misy antoko.

Ohatra ny tsy nahataitra ireo olo-manan-kajan'ny antoko politika akory ilay vokatra, saingy angamba fotoana mety hiheverana indray ny momba ny  rafi-pifidianana izao, hatramin'izay toa nampikororosy fahana azy izay. Voafidy ho Filoha Portiogey i Aníbal Cavaco Silva nandritra ny fifidianana tamin'ny 2011 saingy ny 53,37 isan-jaton'ny mpifidy no tsy tonga nanefa ny adidiny, ary tamin'ny fifidianana parlemantera tamin'io taona io ihany dia 41,24 isan-jato ny mpifidy no tsy tonga. Avo roa heny ny vato fotsy sy ny vato maty nanomboka tamin'ny fifidianana tao an-toerana 2009. 

Tsy hita ao amin'ny tambajotra sosialy ireo mpifidy sy ny mpilatsaka ho fidiana 

Na dia any amin'ny tambajotra sosialy koa aza dia notaterin'ny gazety Público fa ” mazava ny tsy fisian'ny fahalinana nandritra ny fampielezan-kevitra efa ho tapa-bolana “. Notsipihan'i Hugo Torres tao amin'ny lahatsoratra nosoratany ny ” loza ateraky ny fihatahan'ny mpifidy ny politika”, ny ” tsy fahaizan'ireo  mpifaninana mitrandraka ny Facebook hanairana ny mpifidy”, ary nandeha lavidavitra kokoa izy nanamarika fa ” ny tsy fisian'ny adihevitra teo amin'ny fahitalavitra no mety  ho antony lehibe nahatonga ny fahanginan'ny mpiserasera anaty aterineto”.

Nifidy ny tsy handefa fampielezan-kevitra ny tambajotran'ny fahitalavitra noho ny famakin'izy ireo ny lalàna nataon'ny Komisiona Nasionaly momba ny Fifidianana (CNE), milaza fa tsy maintsy mitovy ny zavatra atao amin'ny mpifaninana rehetra fa tsy miankina amin'ny heriny na ny fahefany.

 Feran'ny CNE ihany koa ny ny fampiasana ny haino aman-jery sosialy ho amin'ny fampielezan-kevitra, na ny mpifaninana no manao ny famoahana na olon-tsotra, mety hahavoasazy handoa sazy ara-bola na hatramin'ny enim-bolana an-tranomaizina :

No dia e na véspera da eleição autárquica é proibido fazer propaganda, independentemente do meio utilizado, conforme prevê o artigo 177.º da Lei Eleitoral.

Araka ny andininy faha-177 amin'ny Lalàna mifehy ny Fifidianana [ efa talohan'ny nisian'ny aterineto] dia tsy azo atao ny manao fampielezan-kevitra, na inona na inona fomba ampiasaina, ny omaly sy ny andron'ny fifidianana .

Spoilt vote shared on Twitter by Manuel Portela (@ManuelP264)

Vato maty zarain'i MAnuel Portela (@ManuelP264) ao amin'ny Twitter. Ninian'ilay mpifidy nosoratana tao anaranà mpilalao baolina kitra sy ny ekipa misy azy.

Izany angamba no mety hanazavana ny antony tsy nisehoan'ny tenifototra hoe #autárquicas2013 (fifidianana eto an-toerana 2013) tamin'ny Twitter ny andro nanaovana ny fifidianana raha tsy efa nanomboka nivoaka ny vokam-pifidianana.

Tsy nahasakana ny tsikeran’ireo mpiserasera anaty aterineto sasany tsy liana amin'izay ho vokatry ny fifidianana ny fampiasana ilay tenifototra.

Tao amin'ny Facebook, ny sasany toa an-dry Vitor Lima, mpahay toekarena, dia niady hevitra momba ny fahafahan'io rafitra politika io miasa  :

O problema aqui é o sistema e não o governo que dele emana. Alguma coisa estava em vias de mudar com estas autárquicas? Creio que não. E por isso não votar ou votar branco/nulo é uma das escassas possibilidades de nos manifestarmos contra o sistema e a classe política, TODA ela unidinha na manutenção do sistema.

Ny rafitra no olana fa tsy ny governemanta izay vokatry ny rafitra. Hisy zavatra hiova ve avy amin'io fifidianana io ? Tsy mino aho. Fomba iray amin'ireo vitsivitsy ahazahoantsika manohitra ny rafitra sy ny vondrona politika amin'ny fiarahana mitazona ilay rafitra [ankehitriny] ny fandehanana mifidy, ny vato fotsy na vato maty. 

Ireo mpandresy sy ireo resy

Marina fa iny vokatra iny no ratsy indrindra azon'ny PSD tao anatin'ny 20 taona, nefa tsy azo lavina ihany koa fa very ny ankabeazan'ireo toerana monisipaly manan-danja aminy toa an-dry  Braga, Matosinhos, Évora and Beja ny Antoko Sosialista (PS), ny antoko mpanohitra lehibe indrindra.

Ilaina ny mampahatsiahy fa 80 no isan'ny mpifaninana mahaleotena. Voafidy ny telo ambin'ny folo tamin'ireo, saingy ny ankamaroan'ireo mpirotsaka ireo dia nanana fifandraisana taminà antoko daholo na efa ben'ny tanàna teo aloha. Ny momba an'i Rui Moreira izay nandresy tao amin'ny distrikan'i Porto, tanàna lehibe faharoa ao amin'ny firenena no tranga nanaitra indrindra. Ny Popular Party (CDS-PP) na ny Antokon'ny Vahoaka, antoko iray amin'ireo ao anatin'ny governemantan'ny marimaritra iraisana, ary nanana olona maromaro voafidy tany amin'ireo fari-piadidiana any avaratry ny firenena ( mirona bebe kokoa amin'ny mpitahiry ny fomban-drazana indrindra), iray tany Madeira izay araka ny mahazatra dia mpifidy ny PSD, ary ny iray tany Azores, no nanohana azy.

Ilaina jerena ihany koa ny fandresen'ny vovonana CDU natsangan'ny Antoko kaominista sy ny Antoko mpankafy ny tontolo iainana “ny Maitso”-  izay manohitra mibaribary ny fepetran'ny fitsitsiana sy manao izany ho foto-kevitra ijoroan'ny fampielezan-kevitr'izy ireo. Vitan'ny CDU ny naka ny tanàna malàza any amin'ny faritra atsimon'ny firenena toa an'i Évora sy Bejay, izay efa votsotra taminy ka lasan'ny PS tamin'ny fifidianana 2009.

Fahalainana hifidy mankany amin'ny Euroscepticisme

[Eurosceptisisme: tsy fahatokiana loatra ny antom-pisiana sy ny ho faharetan'ny Firaisam-be Eoropeana]

Ireo no fifidianana voalohany hatramin'ny nisian'ilay drafi-panarenana 78 lavitrisa euro ( 111 lavitrisa dolara amerikana eo ho eo) sy ny fahatongavan'ilay antsoina hoe ‘Troika’, firaisan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), ny Banky Foibe Eoropeana(BCE), ary ny Firaisam-be Eoropeana (UE) tany Portiogaly. Fandàvan'ny vahoaka Portioge mazava ny fihetsiky ny antoko politika, ary indrindra indrindra ireo izay mankasitraka ny drafi-panarenana sy ny politikan'ny fitsitsiana io voka-pifidianana io.

Mandinika ireo fepetra ilaina hanatràrana ireo tanjona ireo mpiasa ambony ao amin'ny FMI sy ny UE, amin'ny fitakiana  fampihenàna bebe kokoa, ary efa misy indray izao ny resaka momba ny drafi-panarenana andiany faharoa. Io dia mety mbola hampihemotra ny lafiny ara-toe-karena izay efa naharitra roa taona sy tapany izay, ka niteraka ny fitomboan'ny tsy fisian'asa, efa mahatratra maherin'ny 17 isan-jato. Taha izay mbola ambonin'ny 27 isan-jato raha ampidirina ao ireo izay tsy mbola voasoratra any amin'ny ivon-toerana momba ny asa, ilay antsoina hoe ‘ ny isan'ny tena tsy an'asa ‘. Mihoatra ny 42 isan-jato ny tanora tsy an'asa araka ny vaovao farany.

Fitsapàna tena govana ny amin'ny fahavitrihan'ny mponina hifidy ny fifidianana parlemantera Eoropeana amin'ny volana May 2014. Araka ny mahazatra mantsy dia ireo no fifidianana tsy mampavitrika ny olona. 63,22 isan-jato ny salan'ny tsy fahatongavana tamin'ny 2009 izay manaporofo ny tsy fahafalian'ny olona amin'ny rafitra ara-politika sy ny fanelingelenana ateraky ny “Eurosceptisme”. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.