Hisy Volantantely Ve Eo Amin'i Etazonia sy Iran?

President Hassan Rouhani and President Barack Obama. Via Iran-emrooz.net

Ireo filohan'i Iran sy Etazonia: Hassan Rouhani sy Barack Obama. Via Iran-emrooz.net

Herinandro monja taorian'ny antso an-tarobia manantantara nifanaovan'ny filohan'i Iran vaovao, Hassan Rouhani, sy Barack Obama, dia mbola nisy hatrany ireo Iraniana nihiakiaka ny “Matesa ry Amerika” mahazatra sy ny fandoroana ny sainan'i Etazonia sy Isiraely taorian'ny vavaka isan-joma tao Tehran tamin'ny 4 Oktobra 2013.

Mbola manantena ny Iraniana fa dingana mankany amin'ny fanafanana ny fifandraisana izay mety hitarika amin'ny fanesorana ny sazy Amerikana ilay antso an-tarobia. Misy ireo tsy faly tamin'ny resadresaka miaraka amin'ny “Satana goavana,” araka ny ilazana matetika an'i Etazonia amin'ny kabarim-panjakana fanao any Iran.

Mba ho fanoroan-dalana fa ao an-tsain'ny filoha Rouhani ihany koa ity lohahevitra ity, dia voatatitra fa nikomandy orinasam-panadihadiana roa izy “hijerena” hoe inona moa no sainin'i Etazonia sy Iran. Mandritra izany fotoana izany, mizara ny heviny manokana momba izao dihy mandeha amin'izao fotoana izao eo amin'ny firenena roa tonta ireo mpisera.

Olom-pirenena Iraniana iray nampiakatra ny lahatsary YouTube ahitana ny sariny manokana, dia nanoro hevitra tamim-panesoesoana mba hanampy fanontaniana goavana telo tamin'ny fanadihadiany i Rouhani:

- “Firy ireo olona mila ny fitondrana Repoblika Islamika?”
– “Ahoana ny hevitr'izy ireo momba ny fahalalahana ara-piarahamonina sy ara-politika?”
– “Nilaza ianao [Filoha Rouhani] fa tsy nisy hosoka ny fifidianana filoham-pirenena nampifanditra tamin'ny taona 2009, handeha hanontaniana ny hevitry ny Iraniana momba izany”

Zarebin nanoratra [fa] tao amin'ny bilaoginy fa hovolavolaina ho any amin'izay tian'ny Mpitari-Dalana Faratampony ny fanadihadiana. Raha te-hanatsara ny fifandraisana amin'i Etazonia izy dia hitaratra izany ny fanadihadiana. Raha tsy izany, dia hitaratra izany fanadihadiana. “Oadray ity fandrika mahazo antsika. Izay hevitry ny Mpitarika daholo ny zavatra rehetra fa ny vali-panadihadiana no manafina izany.”

Hifampiresaka sa tsy hifampiresaka

Firoozeh nisioka hoe:

Ao anaty fifandraisana rehetra, na ara-diplaomatika na tsia, tsy tokony ho maimaika foana isika.

Mba ho tsara endrika amin'ny fitondrana Islamika, dia nanoratra [fa] ny bilaogera Khabrnegar1351 fa tena lasa matanjaka tokoa i Iran hany ka “mitodika any amin'i Iran amin'ny maha-firenena matanjaka azy” i Etazonia ary “kendreny izay hanatsarana tsy misy tahotra ny fifandraisana amin'i Tehran.”

َBilaogera hafa, Ahestan, mampahatsiahy antsika ny fampianarana mankahala ny Amerikana nataon'i Ayatollah Khomeini mpanangana ny Repoblika Islamika ary niteny [fa], “Ny tena mpandresy tamin'ny fifampiresahana an-tarobia nisy teo amin'ny Obama sy Rouhani dia Obama.” Nolazain'ilay bilaogera fa ny tanjon'ny fifampiresahana an-tarobia dia ny hampisehoana amin'ny Miozolomana an-tapitrisany mpanaraka ny fampianaran'ny Imam [Khomeini's] fa vonona hifampiraharaha amin'ny “Satana Goavana” i Iran.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.