Nampijaliana Ny Namako Satria Mibilaogy

VAOVAO FARANY [ 2 Oktobra 2013 10:26 hariva UTC]: Androany vao maraina, navoaka ny fonja tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra i Mohammed Hassan . Nitatitra ireo namany akaiky fa salama tsara izy ary efa any an-tranony miaraka amin'ny fianakaviany. Misaotra ireo namana sy mpiara miasa tamin'ny fanampiana sy ny fanohanan'izy ireo tamin'ny tolo-piarovana ho famotsorana azy izahay.

Nanomboka tamin'ny fisamborana azy tamin'ny faran'ny volana Jolay, sarotra ho ahy sy ireo bilaogera hafa ny hampahafantatra ny raharaha momba an'i Mohammed Hassan (aka Safy) bilaogera Bahrainita nogadrain'ny manampahefana noho ny maha-mpikatroka azy ato amin'ny aterineto. Ao amin'ny firenena tahaka an'i Bahrain, nahomby hatrany ny fitondrana maherisetra amin'ny fanitsiana sy ny fampanginana ny heloka ataony amin'ireo olona mandray anjara amin'ny tolona politika ho amin'ny fahalalahana sy ny fitovian-jo. Dokotera, mpanao gazety, mpiaro ny zon'olombelona, mpampianatra, atleta ary mpanao fihetsiketsehana no lasibatra ao Bahrain mba hosaziana, haraha-maso, atao famotorana sy hosamborina. Nisy ireo nampijaliana. Nisy kosa ireo novonoina. Betsaka loatra ireo habibiana vita nanomboka tamin'ny revolisiona tamin'ny 14 Febroary (sy taona maro teo aloha) raha tanisaina ary anisan'izany ohatra ny tranga nahazo an'i Safy.

Illustration by Jafar al-Alawy

Sary avy amin'i Jafar al-Alawy

Maro aminareo no mety mahafantatra an'i Safy, tsy anisan'ireo bilaogera efa taloha efa fantatr'olona izy fa anisan'ireo sahy mijoro, miatrika izay mety ho fisamborana, fijaliana, ary angamba koa ny mba ho adinoina. Olo-tsotra i Safy ary niasa teo amin'ny sehatry ny informatika saingy raha nahita ny namany voatifitry ny polisy misahana ny rotaka izy nandritra ny herinandro voalohany nanombohan'ny revolisiona, dia tsy nety taminy intsony ny ho “olo-tsotra”. Taorian'ny iray volana nanaovany bilaogy manafina anarana, nanapa-kevitra ny hampiasa ny tena anarany sy ny sariny izy. Nanampy ireo mpanao gazety tamin'ny fivezivezena izy, nitondra azy ireo teny amin'ny tanàna izay ny baomba mandatsa-dranomaso no rivotra iainan'ny olona kokoa fa tsy mba rivotra, ary niresaka tsy am-pihambahambana teo anoloan'ny fakàntsary. Nanapa-kevitra hiditra mpikambana ao amin'ny Global Voices izy na dia eo aza ny loza mety hihatra amin'ireo bilaogera ao Bahrain raha mandray anjara aminà sehatra lehibe iraisam-pirenena.

Tsy irery i Safy amin'ity tolona ity: Nosamborina tao anatin'iny herinandro iny koa ireo mpaka sary Hussain Hubail sy Qassim Zainaldeen, avy eo nosamborina ihany koa ny mpisolovava manokana an'i Safy, Abdulaziz Mousa izay voampanga ho namoaka tsy nahazoan-dalana ny antsipirahan'ny famotorana . Nanambara i Mousa talohan'ny nisamborana azy fa novelivelesina i Safy nandritra ny famotorana ary nampangaina ho “mpikambana ao amin'ny Tambajotra Media 14 Febroary, izay mitaky sy mandray anjara aminà fihetsiketseham-bahoaka, ary mitarika fankahalàna ny governemanta sy mifandray amin'ireo mpikambana mpanohitra ao Bahrain lasa an-tsesintany”.

Tsy navela natory nandritra ny efatra alina i Safy. Nofelahan'izy ireo izy, notifirina totohondry ny tarehy, ary nodakàna ny kibony, ny ranjony sy ny lamosiny. Nandritra izay efatra alina izay, nofatorana rojo vy ny tanany ary tsy navela mipetraka izy. Tao anaty efi-trano mangatsiaka tahaka ny helo mivaingan'ny hatsiaka no nitrangan'izany rehetra izany. Mampiavaka ny mpampijaly Bahrainita ny fanompana tsy mitsahatra, nantsoin'izy ireo ho Shiita mpamadika miray teti-dratsy amin'i Iran sy lehilahy tsy misy ilàna azy. Norahonan'izy ireo haolana izy sy ny anabaviny. Rehefa tafavoaka i Safy, hahafantatra bebe kokoa ny antsipirahan'ny nofiratsy niainany tany am-ponja isika.

Tamin'ny taon-dasa, nipoitra tao amin'ny vaovaon'ny Dan Rather ao Bahrain i Safy. Rehefa nanontaniana izy raha matahotra fanenjehana satria miresaka mivantana manohitra ny fitondrana, hoy izy namaly: «Tsy miraharaha intsony aho. Nogadraina ireo namako. Mbola misy ireo any am-ponja. Ny sasany any amin'ny toerana miafina ary ny hafa kosa namoy ny ainy … amin'ny hariva, raha tsy manana ny maha-izy azy ianao, marobe ny zavatra tsy misy dikany. “Ho an'ity bilaogera ity, vokatra efa ampoizina noho ny safidiny hanohitra ny herisetran'ny mpanao didy jadona ny fanenjehana. Tokony ho antony hitabatabantsika ho fiarovana azy ny fahavononany hizaka ny vokatra. Ao amin'ny firenena tahaka an'i Bahrain, heloka lehibe eo imason'ny fitondrana ny fahalalaham-pitenenana, rahonan'ny ezaka  manao izay haha-heloka ny fanamparampahefana sy ny herisetrany ity fitondrana jadona ity.

Maro ireo bilaogera no naneho ny fanohanany an'i Safy saingy marobe ihany koa no tokony atao mba hitolona ho an'ireo namantsika any am-ponja. Tsy tiantsika ho irery i Safy, tsy tiantsika ny mahita fahafatesana sy fampijaliana omena rariny, tsy tianay hino ny olona fa tsy misy dikany i Bahrain, na tsy misy lanjany ny vatany sy ny fanahiny. Antony ampy hampihetsika antsika ny fieritreretana an'i Safy any am-ponja izay iharan'ny vono sy ny fampijaliana.

 

Fanentanana #FreeSafy

Manentana ireo mpamaky izahay mba hanaparitaka ity tantara ity. Ampiasao ny teny ifankafantarana #FreeSafy ary alefaso sioka ny rohy amin'ity fanambarana ity na ireo tatitra vao haingana navoakan'ny Foiben'ny Zon'olombelona ao Bahrain. Ampiasao ny sary fanentanana eo ambony mba hampisongadinana ny raharaha momba azy sy hamakiana bebe kokoa ny lahatsoratra momba an'i Safy ary ny fanentanana momba ny famotsorana azy eto ambany.

  • Filazana an-gazety: Mpikatroka aterineto Mitaky Ny Famotsorana an'ilay Bilaogera Bahrainita Mohammed Hassan, Global Voices Advocacy
  • Bilaogera dimampolo Mitaky Ny Famotsorana an'ilay Bahrainita Mohammed Hassan, Global Voices Advocacy
  • #FreeSafy – Nisambotra Bilaogera Nandritra Ny Fanafihana Vao Maraimbe i Bahrain, Global Voices Online
  • Bahrain: Fisamborana ny mpisolovava taorian'ny sioka momba ny fampijaliana sy ny fanagadrana ilay bilaogera, Foiben'ny Zon'olombelona ao Bahrain
  • Bahrain: Fiantsoana maika manoloana ny fisamborana sy ny fanagadrana an'Andriamatoa Mohammed Hassan, Andriamatoa Hussain Hubail sy Andriamatoa Qassim Zain Aldeen, Andinin-dalana faha-19

Mpanao gazety teo aloha tao amin'ny CBS,  Dan Rather, nanadihady an'i Safy tamin'ny taona 2012. Jereo ny sombiny amin'ity fandaharam-baovao eto ambany eto:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.