Hanameloka Ny Fanelezan-tsaho Ety Anaty Tambajotra Sosialy Ve Ireo Mponina Ao Ekoatera?

Ny mpampiasa tambajotra ara-tsosialy any Ekoatera dia mety ho voahenjiky ny lalàna noho ny fanalàm-baràka sy fanapariaham-baovao ratsy eo ambanin'ireo fanavaozana ny lalàna momba ny heloka bevava izay ho entina eo anoloan'ny fivoriamben'nyAntenimieram-Pirenena ato ho ato. Nosoratan'i Alexis Mera, mpitantsoratra ara-dalan'ny fididiana ny lapam-panjakana sady hery manosika ao andamosin'ilay tolo-dalàna, ireo fandikàn-dalàna ireo dia mety hahavoasazy higadra roa taona.

“Nanolotra hevitra aho mba handrindràna ireo sori-dalana rehetra momba ny fanalàm-baràka ety anaty tambajotra ara-tsosialy satria ireny tambajotra dia tsy afaka atao ho fitaovan'ny tsimatimanota. Nangatahako ny Biraon'ny Fitsarana mba hametraka fepetra manokana mikasika ny fanelezan-tsaho amin'ny Facebook na Twitter satria amin'izao fotoana izao ny fanalàm-baràka mahakasika olona iray izay manana mpanaraka misa 1000 dia mety hiely haingana be ary hiteraka voka-dratsy bebe kokoa” hoy Mera tamin'ny faran'ny volana Aogositra.

Vao haingana kokoa, Mauro Andino niteny [es] hoe eo an-dalam-pandinihana hitondràna ny fampiharana ireo lalàna ireo, satria “somary sarotra” ihany vao fantatra ireo olona ao ambadik'ireo kaonty samihafa ao amin'ny Aterineto. Iray amin'ireo safidy izay napetrany hatreto dia ny tsy maintsy hametahana fakantsary/kamerà any anaty “cyber café”, “tsy hanelingelenana ny fiainana manokan'ny olona akory, na hanarahamaso ireo tambajotra sosialy”, fa mba hahalalàna ireo nanao ny fandikàn-dalàna.

Internet cafe. Photo by Pixelthing via Flickr (CC BY-SA 2.0)

Cyber café. Sary an'i Pixelthing tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Etsy andaniny anefa, ireo fepetra ireo dia manohitra ireo tolo-kevitra avy amin'ireo fikambanana maneran-tany misahana ny zon'olombelona ary loza mananontanona ny fahalalahan'ireo teratany Ekoatoriana maneho hevitra. Maro amin'ireo fikambanan'olon-tsotra / sivily, na avy ao Ekoatera na vahiny, no nandà io tolo-dalàna io, nanohana ny hevitra hoe ny zon'ny olona ivelan'ny Aterineto dia mitovy ao anatin'ny tontolon'ny aterneto ary io tsy tokony hosokajiana amin'ny fomba hafa io fomba fanehoana io ao amin'ny tambajotra sosialy.

Frank La Rue, mpitatitra vaovao manokan'ny Firenena Mikambana momba ny fampiroboroboana sy fiarovana ny fahafahana maneho hevitra, dia nilaza tany anaty tatitra samihafa tany fa “ny fanomezana ireo toetoetra manokan'ny Aterneto, ireo karazana fepetra sy fandraràna izay mety ho lazaina fa tena izy sy mifanaraka, raha ny toerana misy ireo media efa nahazatra, dia tsy mifanaraka amin'izany akory rehefa ampiharina amin'ny Aterineto”.  Naveriny ihany koa hoe impiry “ny fanelezan-tsaho no tokony ho voavela”. Manao zavatra tena mifanohitra amin'izany ireo voalohany manetsika io fanovàna io.

Ireo fepetra izay noraisina ho fanatanterahana (isan'izany ny fanerena ny rafitra fanaraha-maso any amin'ny “Cyber Café”) dia misy fiatraikany lehibe eo amin'ny fahafahan'ireo olom-pirenena maneho hevitra sy ny fiainany manokana. Amin'ny lafiny iray, dia manozongozona ireo fitsipiky ny filàna fototra sy ny tsy fitanilàna voalazan'ireo lalàna maneran-tany mikasika ny faneriterena ny fahalalahana maneho hevitra izany. Etsy an-daniny kosa, mamindra ny fahefana hanaramaso ho any amin'ny orinasan'olon-tsotra tahàka ny “Cyber Café” io (ary, na dia tsy notononin'ireo mpiandany aminy aza, mety hatramin'ireo mpanome tolotra Aterineto mihitsy), tamin'ny tsy fahafantarana ny fisian'ireo fiarovan'ny lalàna ny vahoaka rehefa mampiasa ny Aterineto.

Mikendry ny hanakivy ny fahafaha-manapa-kevitry ny vahoaka ary nadikany ho fanaovana sivana ny tenany ihany ireo fepetra tahàka ny an'i Ekoatera, izay tena afaka hitondra ho any amin'ny faharavan'ny demokrasia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.