“Faly Amin'ny Fanohizan'i Assad Ny Famonoana ireo Siriana izao Tontolo izao”

Syrian protesters carry banners calling for international action against the Assad regime in Kafranbel, Idlib, in northern Syria. Image by Majid Almustafa. Copyright Demotix August 30, 2013

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria ity lahatsoratra ity.

Vao avy nanambara i Syria fa vonona ny hametraka ireo ambina fitaovam-piadiana simikany ho eo ambanin'ny fanaraha-maso iraisam-pirenena izy – ary avy eo hamotika izany, eo ambanin'ny fifanarahana iray vaovao nosoratan'i Rosia. Milaza ireo mahery fo fa ny hanome ny filoha siriana Bashar Al Assad fotoana mba hanohizany ny famonoana ireo vahoaka amin'ny alalan'ny fiadiana hafa eo ampelatanany io paikady io.

Ny tanjon'io fifanarahana io dia ny hialàna amin'ny fanafihan'ny Amerikana an'i Syria, izay voampanga ho nampiasa fitaovam-piadiana simika tamin'ny vahoaka Syriana. Araka ireo antontan'isan'ny ONU, olona 100.000 no maty fara fahakeliny ary maherin'ny 2 tapitrisa no voatery nandositra ny tanindrazany hatramin'ny nanombohan'ireo hetsi-panoherana an'i Assad ny volana Martsa 2011.

Mihiaka i Shakeeb Al-Jabri, Syriana iray mahery fo :

Ny hevitra notapahana androany dia ny fahafahanao mamono olona ary miala sazy amin'ny alalan'ny fametrahana ilay fitaovam-piadiana rehefa tanterakao izany. #Syria

— Shakeeb Al-Jabri (@LeShaque) 9 Septambra 2013 

Ny hevitra notapahana androany dia ny fahafahanao mamono olona ary miala sazy amin'ny alalan'ny fametrahana ilay fitaovam-piadiana rehefa tanterakao izany. #Syria

— Shakeeb Al-Jabri (@LeShaque) 9 Septambra 2013 

Manamarika ny Maoritaniana iray mafàna fo, Naser Weddady, fa:

Miarahaba ny hevitra momba ny fametrahana ireo fitaovam-piadiana ny minisitry ny Raharaham-bahiny = Faly amin'ny fanohizan'ny milina Assad ny famonoana izao tontolo izao

— weddady (@weddady) 9 Septambra 2013 

Miarahaba ny hevitra momba ny fametrahana ireo fitaovam-piadiana simika ho eo ambany fanarahamaso ny minisitry ny Raharaham-bahinin'ny fitondràna = Faly amin'ny fanohizan'ny milina Assad ny famonoana izao tontolo izao

— weddady (@weddady) 9 Septambra 2013

Ary manampy i BSyria:

Tsy nandositra ny fonenany vokatry ny fitaovam-piadiana simika ireo Siriana 7 tapitrisa nafindra monina

— BSyria (@BSyria) 9 Septambra 2013 

Tsy nandositra ny fonenany vokatry ny fitaovam-piadiana simika ireo Siriana 7 tapitrisa nafindra monina

— BSyria (@BSyria) 9 Septambra 2013

Raha milaza i Ghazal fa ny fanjakan'ny fampiasan'i Assad fitaovam-piadiana simika dia midika fa azo ekena avokoa ireo fiarovam-piadiana hafa rehetra [ar]:

وهي وافقوا عالرقابة للكيماوي يعني منرجع للطيران والمدفعية والبراميل ..ومومشكلة يلي بيموتوا “ندين ..” بتتولى الموضوع اهم شي الكيماوي يتراقب ! — غَزَل (@0ghazal) September 9, 2013

Ary ankehitriny kosa satria manaiky izy ireo ny hanaraha-maso ireo fitaovam-piadiana simika, dia midika izany fa hiverina amin'ny fampiasana ireo tafika an'habakabaka, ny fitaovam-piadiana goavana sy ny tafondro indray isika. Tsy olana ny mety ho isan'ny olona maty. Hiampanga izy ireo. Ny zava-dehibe dia ny tsy fampiasan'izy ireo ny fitaovam-piadiana simika.

Anatina andianà bitsika, ny talen'ny biraon'ny BBC News any Afovoany Atsinanana, Richard Colebourn, dia milaza fa mety – mazava ho azy – efa nandridra ny hetsiny i Rosia sy Syria.

Manana rakitsary mikasika ny fitaovam-piadiana simika natolotr'i #Russia ny fahitalavi-panjakan'i #Syria

— Richard Colebourn (@rcolebourn) 9 Septambra 2013 

Manana rakitsary mikasika ny sos-kevitra momba ny fitaovam-piadiana simika natolotr'i #Russia ny fahitalavi-panjakan'i #Syria

— Richard Colebourn (@rcolebourn) 9 Septambra 2013

Timings of statements from #Russia and #Syria and interesting coverage from Syrian state TV suggests this has all been nicely coordinated

— Richard Colebourn (@rcolebourn) 9 Septambra 2013 

Ireo tetiandro momba ny fanambarana nataon'i #Russia sy #Syria ary ny vaovao mahaliana tao amin'ny fahitalavi-panjakana Siriana dia manambara fa efa voalamina tsara daholo izany

— Richard Colebourn (@rcolebourn) 9 Septambra 2013

Manampy izy fa:

Varavaran-kivoahana hoan'i Obama ve ny soso-kevitra natolotr'i #Russia? Moa ve izany làlana ho an'i #Syria hamikotra ny UN + izao tontolo izao anatina fisavana maharitra ny fitaovam-piadiana simika/fanaraha-maso ny fifandrohizana ara-biraokratika?

— Richard Colebourn (@rcolebourn) 9 Septambra 2013 

Varavaran-kivoahana hoan'i Obama ve ny sosokevitra natolotr'i #Russia? Moa ve izany làlana ho an'i #Syria hamatorana ny UN + izao tontolo izao anatinà fisavàna/fanaraha-maso ara-biraokratika maharitra ny fitaovam-piadiana simika?

— Richard Colebourn (@rcolebourn) 9 Septambra 2013

Mampametram-panontaniana maro ihany koa io hetsika io. Mitoraka bitsika i Zeina Khodr, mpifanerasera amin'ny Al Jazeera English

Manontany tena ireo #Syrians ankehitriny raha nataony hakana toky fotsiny ny tsy hilatsahan'ireo fitovam-piadina simika maro “am-pelatànan'olona ratsy eritreritra” ny fandrahonan'i #US handefa ny miaramilany hirotsaka an-tsehatra (AQ sy Hizbullah)

— Zeina Khodr (@ZeinakhodrAljaz) 9 Septambra 2013 

Manontany tena ireo #Syrians ankehitriny raha nataony hakana toky fotsiny ny tsy hilatsahan'ireo fitovam-piadina simika maro “am-pelatànan'olona ratsy eritreritra” ny fandrahonan'i #US handefa ny miaramilany hirotsaka an-tsehatra (AQ sy Hizbullah)

— Zeina Khodr (@ZeinakhodrAljaz) 9 Septambra 2013

Raha miteny kosa i Anas Maarawiny, Syriana mpitoraka bilaogy, hoe:

من وين طلعولنا بشغلة تسليم الكيماوي. النظام مستعد يسلّم أمه وأبوه وأخته والقرداحة نفسها مقابل أنو يبقى — Anas Maarawi (@anasonline) September 9, 2013

Avy aiza no nahatonga azy ireo hanolotra ireo fitaovam-piadina simika? Vonona hanolotra ny reniny, ny rainy sy ny anabaviny ny fitondrana mba hihazonany ny fahefana

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ireo Hetsi-panoherana ao Syria ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.