Mamorona Rakibolan'ny Fitenenana Amin'ny Alalan'ny Tànana Ao Anaty Aterineto Ireo Aostraliana Zanatany

Misy tetikasa iray an-dalam-panataterahana ao anaty aterineto tarihan'ny vondrom-behivavy teratany Aostraliana mikendry ny hirakitra sy hitahiry ireo hetsiky ny tànana nentin-drazana izay manaraka ny lahateny any amin'ireo vondrom-piarahamonina manerana ny efitr'i Aostralia Afovoany. Eo ambanin'ny anarana Iltyem-Iltyem, izay midika hoe “miteny amin'ny alalan'ny tànana” amin'ny teny Anmatyerr, nanangona lahatsary an-jatony io tetikasa io avy amin'ireo vondrom-piarahamonina teratany efatra, izay mandrakotra fiteny dimy samy hafa. Eto ambany, manazava io tetikasa io amin'ny tenindrazany i Janie Long ao amin'ny Ti Tree:

Natomboka tamin'ny fanomezana maripahaizana tao amin'ny Ivon-toerana Batchelor ny 6 Septambra 2013 ny vohikala ofisialin'ny Iltyem-iltyem. Ahitana rakitsarinà famantarana avy amin'ny alalan'ny tànana maherin'ny 400 io vohikala io, izay azo karohana isan-tsokajy, isaky ny vondrom-piarahamonina, na isaky ny fiteny. Araka ilay bilaogin'io tetikasa io,

Manantena izahay fa hanohana ny vahoaka zanatany aty Aostralia Afovoany hihazona, hampianatra ary hianatra ireo teny amin'ny alalan'ny tànana, ity vohikala ity. Manantena izahay fa hampiakatra ihany koa ny maha-izy azy an'ireo fiteny amin'ny alalan'ny tànana sy ny lanjany eo amin'ny fifaneraserana any amin'ireo vondrom-piarahamonina Aostraliana Afovoany ity vohikala ity. Tokony ho tafiditra anatin'ireo fitaovana fanabeazana sy ireo fandaharana ara-pahasalamana manerana ny faritra ny fahatakarana ny fomba fiasan'ireo teny amin'ny alalan'ny tànana, ary manantena izahay fa handray anjara anatin'izany fahatakarana izany ity vohikala ity.

Manoritra ireo asa maro vitan'ireo famantaran'ny tànana eo amin'ny kolontsaina zanatany ao Aostralia Afovoany ny vohikala ofisialin'ny Iltyem-Iltyem, izay ahitana ny fifandraisana alavitra, fomba iray entina mba tsy hampahatahotra ireo biby rehefa mihaza, hifandraisana miafina, na rehefa misy olona hafa miresaka. Fampiasa ihany koa ireo famantaran'ny tànana anatin'ireo tranga ara-pomban-drazana izay iheverena ny lahateny ho tsy sahaza (tahaka ny fomba fisaonana).

Iltyem-Iltyem project team

Ireo mpandray anjaran'ny Ti Tree ao amin'ilay tetikasa momba ny famantaran'ny tànana Iltyem-Iltyem.

Aamin'ny ankapobeny, manam-pahaizana kokoa ny vehivavy amin'ny fitenenana amin'ny tànana raha oharina amin'ny lehilahy. Io tetikasa io, izay nanomboka tamin'ny 2011, dia nirotsahanà vehivavy zanatany am-polony hirakitra ireo famantarana amin'ny tànana nentin-drazana izay manaraka ny tenindrazany. Notohanan'ireo mpampiasa ny multimedia sy mpandalina ny teny avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Melbourne sy ny Ivon-toeran'ny Batchelor misahana ny Fampianarana ambony momba ny Zanatany izy ireo. Hanatanterahana ireo firaketana ireo, namorona “signadome” mandehandeha ilay ekipa – tranolay fampiasa manokana novokarina ho toerana firaketana mandehandeha ary mitsidika ireo vondrom-piarahamonina tsirairay. Mirakitra ara-tantara ny fivoaran'ilay tetikasa sy ireo sedra atrehana amin'ny firaketana ireo famantarana amin'ny tànana nentin-drazana ireo ny pejy tumblr an'ny Iltyem-Iltyem. Mikatsaka ny hamita ny Iltyem-Iltyem amin'ny 2016 io ekipa io, aorian'izay dia hotehirizina ny vohikala ary mety hijanona hisokatra ho loharano hoan'ny vahoaka.

Iltyem-Iltyem participant

Mamerina mandinika ny lahatsary ilay mpandray anjara amin'ny Iltyem-Iltyem, Janie Long.

Vatsian'ny Tetikasa firaketana Ireo teny an-dàlam-pahaverezana Hans Rausing sy ny fandaharan'asa Fanohanana ireo Tenin-janatany ataon'ny Governemanta Aostraliana (teo aloha, fandaharan'asa Fihazonana ireo Tenin-janatany sy ireo Rakitra ) io tetikasa Iltyem-Iltyem momba ny famantarana amin'ny tànana io. Tsy maintsy miditra ho mpikambana aloha ireo mpampiasa vao afaka mitsidika izany vohikala izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.