Shina: Nosamborina Nandritra Ny Fihetsiketsehana Nataon'ny Mpanohitra Ilay Mpikatroka Miliaridera Wang Gongquan

Nosamborina ary notànan'ny polisy ao Beijing ilay mpandraharaha miliaridera Wang Gongquan tamin'ny 13 Septambra 2013 satria voarohirohy ho nitarika “famoriam-bahoaka hoentina hanakorontanana ny filaminana ara-tsosialy”, famoretana hafa indray izay mikendry ireo lehiben'ny fanehoan-kevitra, manam-pahaizana sy mpikatroka amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto. 

Anisan'ny mpiandraikitra ny fampielezan-kevitry ny Antoko Kaomonista Shinoa tao amin'ny faritra Jilin i Wang Gongquan [zh]. Niala tamin'izany asa izany izy ary nanapa-kevitra hanao asam-barotra tao atsimon'ny faritra Hainan tamin'ny taona 1988. Nosamborina sy nogadraina nandritra ny herintaona izy taorian'ny famoretana tamin'ny 4 Jiona tao amin'ny kianjan'i Tiananmen, niverina teo amin'ny sehatry ny fandraharahana izy tamin'ny taona 1993 ary nanjary filoha-lefitry ny orinasa Vantone, orinasa fampandrosoana ny fananana trano aman-tany. Niditra teo amin'ny sehatry ny varotra indray izy tamin'ny taona 2005 ary lasa miliaridera noho ireo fampiasam-bola namokatra tamin'ny fiandohan'ny taona 2000.

Wang Gongquan is a legendary figure in China because of his wealth and choice. He was made a cover story of Nanfang People magazine in 2011 because of his story story.

Olo-malaza ao Shina i Wang Gongquan noho ireo harenany sy ny safidiny. Sariny tao amin'ny fono-pejin'ny gazetiboky Nanfang People tamin'ny taona 2011.

Tsy tahaka ireo mpandraharaha hafa, mpikambana mavitrika eo anivon'ny fiaharamonim-pirenena i Wang. Tamin'ny taona 2005, niditra mpikambana tao amin'ny “Open Constitution Initiative” [Fandraisana an-tanana ho amin'ny Lalampanorenana Misokatra], fantatra amin'ny anarana hoe Gongmeng, natombok'i Xu Zhiyong izy ary nanomboka niaro ny zon'olombelona sy nampiroborobo ny fampandrosoana ny fiarahamonim-pirenena Shinoa an-tanibe tamin'ny alalan'ny  fanentanana fanangonan-tsonia an-tserasera sy ny gazety. Tamin'ny taona 2010, namoaka fanambarana iombonana antsoina hoe “fanolora-tenan'ny olom-pirenena” i Wang Gongquan sy ireo mpikatroky ny zon'olombelona sasany, fanambarana izay mametraka fotokevitra sy masontsivana amin'ny fandraisana anjara ara-tsosialy sy politika ataon'ny olom-pirenena araka ny voafaritra sy arovan'ny zo voafaritry ny lalàmpanorenana. Heverina ho fivoahana ampahibemaso ny Hetsika Vaovaon'ny Olompirenena izany hetsika izany.

Tamin'ny volana Jolay 2013, nosamborina i Xu Zhiyong ary nogadraina satria voarohirohy ho nanao “famoriam-bahoaka ho fanakorontanana ” noho ity hetsika vaovao ity. Anisan'ireo mpikatroka miady ho amin'ny famotsorana an'i Xu tamin'ny alalan'ny fanangonan-tsonia izay nahangona sonia an'arivorivony i Wang.

Ankehitriny, i Wang mihitsy no voasambotra, ka nisy ny fanentanana fanangonan-tsonia nataon'ireo namany ho fitakiana ny famotsorana azy. Manam-pahaizana maherin'ny 200 no nanasonia ny fitakiana iombonana tamin'ny 14 Septambra 2013:

王功权先生是新公民运动的坚定支持者,但他支持新公民运动的全部初衷,无非是通过和平、合法之途,来争取宪法规定的公民权利,通过争取公民权利的进程带动公民社会的成长,最终推动中国的和平转型,让我们的社会更多人性,更多自由与公义,更多爱与温暖。
这是王功权先生的价值观所注定的。他是一个真诚的佛教徒,一个彻底的人道主义者与和平主义者。柔软,善良,悲悯与责任,是他与生俱来的气质。他对这个世界、对所有人充满了善意。

Mpanohana ny hetsika vaovaon'ny olom-pirenena i Wang Gongquan. Ny tena fikasany dia ny hiaro ny zon'ny olom-pirenena amin'ny fomba milamina sy ara-dalàna araka ny voasoratra ao amin'ny Lalàmpanorenana. Amin'ny fiarovana ny zon'ny olom-pirenena, handroso ny fiarahamonim-pirenena ary mety  hanampy an'i Shina amin'ny fiovana milamina. Ny tanjona dia ny hanangana fiarahamonina vanona manana fahalalahana sy fahamarinana, fitiavana ary voninahitra.

Mifototra amin'ny finoany ny hetsika ataony. Bodista izy, mpandala ny maha-olombelona sy tia filaminana. Mana-panahy izy, tsotra, ary be fiantrana sady tompon'andraikitra. Misokatra amin'izao tontolo izao sy ny mponina ao amin'izany izy.

放了王功权,给善一条出路,给自由与公义一条出路,给和平转型一条出路。同胞们,覆巢之下无完卵,不要听任我们国家在与现代文明背道而驰的野蛮深渊中无限沉沦。用实际行动保卫公民社会,那其实是保卫我们每个人自己。

Avotsòry i Wang Gongquan, omeo lalana ny fiantrana, ny fahalalahana ary ny fiovana anaty filaminana. Ry namana hajaina, raha mianjera ny akanim-borona, vaky avokoa ny atody rehetra. Aza avela handroso manohitra ny sivilizasiona maoderna sy ho tafalatsaka ao anatin'ny hantsan'ny fahalozàna ny firenentsika. Mila miaro ny fiarahamonim-pirenena isika ka hihetsika hiaro ny tsirairay, anisan'izany ny tenantsika.

Naneho hevitra manohana an'i Wang ny mpamahana Bilaogy fohy kely maro. Na da nampidirin'ny Sina Weibo, habaka malaza amin'ny bilaogy fohy kely ho anatin'ny voambolana “atahorana” noho ny sivana aza ny anarany tamin'ny 15 Septambra 2013, dia mbola nahitàna hafatra maneho fanohanana marobe ihany. “Tatitry ny fanadihadiana nataon'ny [gazety] Faran'ny Herinandron'ny Tatsimo” (@南周深度) dia nahitana fiderana an'i Wang tamin'ny safidy nataony:

一个放弃几十亿资产的人,为弱者发声。宁愿当一个堂堂正正的普通公民,而不愿意当一个拥有百亿资产的奴才,带着微笑走进监狱。。这是他自己的选择,自由的选择。。虽然身体在监狱里,但心是自由的。。。。当更多的人选择做公民的时候,当更多的人选择坐牢也不当奴才的时候,,,中国改变了。。。祝福。

Olona nahafoy ny fandraharahana mitentina amina miliara ananany izy ho fiarovana ny vitsy an'isa. Nifidy ho toy ny olo-tsotra saingy olo-marina izy toy izay ho andevon'ny fananany. Mbola feno fitsikiana ny tavany na dia nampidirina am-ponja aza izy. Izay no safidiny, nisafidy ny fahafahana. Na dia any am-ponja aza ny tenany, mirehareha any ny fanahiny… Raha mihamaro ireo olona misafidy ny ho lasa olom-pirenena, maro ihany koa ireo olona misafidy ny fonja mba tsy ho andevo. Hampiova an'i Shina izany. Hotahiana anie ianao.

“Poeta antsy rahalahy” nizara ny mombamomba an'i Wang tao amin'ny bilaoginy madinika:

诗人王功权,公民企业家。投资培育了360、汉庭、民生银行、俏江南等企业。可安享无尽荣华富贵,午饭却只是一个卤肉套餐。他站在弱者一边,他为弱者流泪,他为弱者呐喊,他为弱者奔走,他戴着风雪帽,和访民一起敲打“黑监狱”的大铁门,高喊着“开门放人”。他做了这么多,请我们做一点点,为他呐喊。

Poeta, olom-pirenena ary mpandraharaha i Wang Gongguan. Nanangana [orinasa  momba ny rindram-baiko] 360 izy, Hanting [hotely fandraharahana], ny Banky Minsheng, Meva Atsimo [trano fisakafoanana]. Tokony hiaina toy ny mpanjaka izy. Saingy toto-kena-kisoa sy vary no sakafony atoandro. Eo anilan'ireo sahirana izy, mitomany miaraka amin'izy ireo, misolovava azy ireo ary manompo azy ireo. Indray alina tamin'ny ririnina mangatsiaka, nandeha nitsidika fonja mainty izy [fonja tsy ara-dalàna fanagadrana ireo mpanango-tsonia sy mpanasonia fitakiana tsy nandalo fitsarana], nandondona tao amin'ny vavahady vy miaraka amin'ireo mpanasonia hafa, ary niantso ny mpiambina mba hamoaka ireo olona nogadraina tsy ara-dalàna. Maro ny zava-bitany, azafady, mba manaova zavatra hiarovana azy.

Mpisolovava amin'ny Zon'olombelona, Tengbiao niaro an'i Wang tao amin'ny Twitter ihany koa:

Amin'ireo Shinoa miliaridera, azo isaina amin'ny rantsa-tanana ny tsy mpanao kolikoly. Efa an-taonany maro no nahafantarako sy niarahako niasa tamin'i Wang. Matoky azy aho. Tsy vitany hoe olo-marina izy,  fa tena mavitrika ihany koa amin'ny fiarovana ny zon'ny olom-pirenena. Mitolona ho amin'ny fitovian-jo amin'ny fianarana eo amin'ny mpianatra ambanivohitra sy andrenivohitra ihany koa izy, manohitra ny raharaham-pitsarana tsy ara-drariny izy, ary miaro ny firenena tan-dalàna. Safidy feno herim-po avokoa izany rehetra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.