Ny Feon'ny Vahoaka: Mandraisa Anjara Amin'ny Resadresaka Manerantany Momba Ny Fiainana Manokana

International Conference of Data Protection and Privacy Commissioners, 2009. Photo by Oscar Espiritusanto via Flickr (CC BY-NC-SA)

Valandresaka Iraisampirenena notanterahin'ny Vaomieran'ny Fiarovana Tahirin-kevitra sy ny Fiainana manokana tamin'ny 2009. Sary avy amin'i Oscar Espiritusanto tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-SA)

Ny talata 24 septambra 2013 ny Firaisankinan'ny Feom-bahoaka no [n]anatontosa fihaonana momba ny fiarovana ny mpanjifa sy ny fiainany manokana izay mifanindran-dalana amin'ny Valandresaka Iraisampirenena faha-35 ataon'ireo vaomieran'ny fiarovana ny Tahirin-kevitra sy ny Fiainana manokana. Ny Feom-bahoaka dia vondron'ny fiarahamonim-pirenena mpitondrateny nitambatra hampiroborobo ny zo hanana fiainana manokana sy ny fampidirana maodelin'ny fangaraharana, ny fandraisana andraikitra, ary ny fandraisana anjaran'ny daholobe ho amin'ny fampandrosoana ny politika mifandraika amin'ny fiainana manokana eo amin'ny sehatry ny fifandraisana nomerika. Afa-manaraka ny resadresaka amin'ny ao amin'ny aterineto amin'ny Talata avokoa ny rehetra. Manangana tetezana eo amin'ireo manampahefana izay nomena andraikitra hiaro ny fiainanao manokana sy ny tahirin-kevitrao aminao ity valandresaka ity.

Handeha mivantana an-dahatsary amin'ny aterineto sy alefa sioka ny hetsika “Ny Tahirintsika, ny fiainantsika”. Afa-manaraka ny lahatsary avokoa ny rehetra, afa-miresadresaka amin'ny alalan'ny Twitter, na mandray anjara amin'ny resadresaka amin'ny alalan'ny fisoratana anarana eto.

Anisan'ireo lohahevitra horesahana ny “Fandaharan'asam-pitsikilovan'ny NSA: Inona no setriny avy amin'ny fiarahamonim-pirenena?”, “Mpanelanelana amin'ny Aterineto sy Fiarovana ny Tahirin-kevitra” ary “Fifanarahana ara-barotra Etazonia-Eoropa: Omena alalana hahazo miditra Maimaipoana indray ve i Etazonia?”

Afa-manontany sy mandray anjara amin'ny resadresaka avokoa ireo mpandray anjara rehetra amin'ny alalan'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.