Fanadihadiana: Sonya Yan Song Mpikaroka Momba Ny Sivana Any Sina

Photo by Sonya Yan Song via Flickr, used with permission.

Sary nalain'i Sonya Yan Song ao amin'ny Flickr, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Sonia Yan Song dia mpikaroka momba ny fanivànana ny vaovao any Sina. Kandida amin'ny PhD any amin'ny Oniversitem-panjakana an'i Michigan izy amin'izao fotoana izao ary Open News Fellow. Teraka tany Sina, i Sonya dia mpanoratra rindrambaiko ary mpikaroka eny amin'ny anjerimanontolo. Nametraka fanontaniana momba ny asany sy ny heviny manoloana ny firoboroboan'ny sivana any Sina i Laura Morris izay tonian-dahatsoratra ato amin'ny “Rising Voices”.

Mba lazalazao ahy hoe ny asanao amin'ny maha Open News Fellow anao.

[Ilay rindrambaiko] dia ny hitondrana ireo teknolojia ho any amin'ny trano fanoratana, hanampiana ity farany mba hahazoany tombontsoa avy amin'ny teknolojia raitra hanolorany ireo vaovao ankehitriny amin'ny fomba maro samihafa, ary mampifandray…Nanatrika hatraminà “hackathons” koa aho, satria nihevitra aho fa toerana izany [afaka] hifanenan'ireo mpanao gazety, ireo mpanome endrika, ireo mpamorona “codes” ary ireo mpikatroka mafàna fo sy hiezahana hamoaka zavatra.

Afaka lazalazainao ahy ve ny mahakasika ny taratasy farany izay navoakanao, ary ny fikarohanao momba ny sivana any Sina?

Kiry sy fahalinan'ny tenako manokana no nanombohako [ny tetikasa], satria noho izaho avy ao Sina, dia mbola gazety Sinoa foana no novakiako isanandro. Ka tsy dia nahagaga loatra ny fahitana vaovao voafafa saika matetika mihitsy. Nametra-panontaniana aho tamin'izany hoe – firy isanandro ireo vaovao nofafàna?

Nanoratra rindrambaiko fohy aho mba hahazoana manangona ireo tantara/vaovao ary mba hahitako raha nisy tantara voafafa tamin'ireo. Roa na telo tamin'ireo no tsikaritro fa voafafa isan'andro… Tranonkala telo no naraha[ko] maso. Ny roa tao Sina ary ny iray sampana iray any ivelany izay alefa ihany koa eo ambanin'ny fiahian'ny tranonkala sinoa iray. Nantsoina hoe “Sina Beijing” ary Sina California ireo, ary ny hafa nantsoina hoe “NetEase”, mivoaka any Guangzhou, Sina Atsimo… Sampana roa (ireo trano roa famoahana tao Sina) no voamariko fa manivana isanandro izay voasoratra – ireo sampana vahiny kosa anefa tsy manao izany.

Voalohany, nangataka tamin'ireo mpamorona “codes” aho hanasokajy ireo tantara vaovao… [Ilay tantara] ve momba ny fandraharahana, fialamboly, fanatanjahatena, kolontsaina? Nikirakira ny fandalinana antontan'isa aho mba hahitana hoe iza tamin'ireo karazany ireo no niharan'ny sivana bebe kokoa. Tsapako tamin'ny farany fa ny tantara iray tsy dia tsara loatra no toa voasivana tanteraka… Resaka politika, raharaham-bahiny, foloalindahy, sakafo tsara antoka ary ny olana amin'ny fanafody no tena voasivana be tany Sina. Mifandray amin'ny fahitan'ny olona ny sivana izany. Nefa mino aho fa misy zavatra lanisahala ao; voalohany amin'izao no nahafahantsika nandanja marina ny sivana.

Ao anatin'ny “boaty mainty” ny sivana. Tsy mpanivana izahay ary tsy miasa ho an'ny Governemanta foibe Sinoa – araka izany, ny hany azonay dia ny porofo … Raha ampifandraisinareo izany rehetra izany dia manana sary mazava izay mitranga any Sina ianareo, sy ny zavatra tian'ny governemanta araha-maso.

Nolazainao tamin'ny fanadihadiana tany aloha fa anisan'ny antony iray mahatonga ny vaovao ho voasivana miohatra amin'ireo media sosialy dia satria manivan-tena ireo mediam-bahoaka, noho ny fahafantarany ireo lohahevitra sy ireo teny mitondra mankany amin'ny sivana. Afaka mba lazalazainao an-teny fohy ve ny momba izany?

Ho an'ny media mpilaza vaovao, [ny tahan'ny sivana dia] kely nohon'ny iray isan-jato, fa ho an'ny media sosialy kosa, dia enina ambin'ny folo isan-jato. Fa ho fanombohana azy dia aleon'ireo mpanao gazety tsy mamoaka votoaty saropady/mandratra. Voalohany indrindra, nahazo alàlana ny ivon-toeran'ny haino aman-jery tao Sina. Raha manao zavatra mifanohitra amin'ny fiasan'ny governemanta ianao, dia hoesorina aminao ny alalana azonao, ka ho lasa tsy ara-dalana ianao.

Ahoana ny fahitanao ny fampielezankevitry ny governemanta Sinoa amin'izao fotoana izao izay manohitra ireo “tsaho anaty aterneto” izay tsy hoe fotsiny nitarika tany amin'ny famafàna ny aterineto, fa hatrany amin'ny fisamborana koa?

Mieritreritra aho fa izany no fomba iray mahomby indrindra hanaronana ny feom-bahoaka. Efa manjaka izany, ary mbola tsy hitantsika izay mariky ny fiafaràny. Ny sasany amin'[ireo olona] no voasambotra noho ny antony maro isan-karazany. Raha vakian'ny olona miisa 5,000, na tsikerain'ny olona miisa 500 ny zavatra lazainao ao amin'ny “Weibo”, dia mety ho voampanga ho mpanely tsaho ianao.

Taorian'ny hetsi-panoherana iray tao amin'ny Kianja Tiananmen dia nanadihady lehilahy iray nosambontsaborina teny an-dalana ny televizionina [Tandrefana] iray. [Nanontany izy ireo] hoe “inona no tsikaritrao nandritra ilay hetsi-panoherana tamin'ny 04 Jona?” “Olona maro no hitako voatfitra, ary nitifitra vahoaka ireo miaramila, maro ireo olona maty, ary feno rà tanteraka ny arabe.” Taorian'izany, ny [governemanta] Sinoa… dia nangataka azy mba hihaiky fa nanely tsaho izy. Napetraka ho ohatra ho an'ny vahoaka rehetra teo amin'ny firenena io lehilahy io…. sy nogadraina nandritra ny taona maro. Taty aoriana dia tsy nahitàna olona niresaka momba izany intsony. Mieritreritra aho fa mitovy amin'ny fandrahonana olona izany. Aza miresaka ny tsy tokony ho resahana ianao.

Miseho amin'ny endrika maro ny sivana. Afaka manakana tanteraka ny olona amin'ny famoahana zavatra ianao. Afaka mandoro boky, kapila mangirana, mamafa tanteraka ny votoatin'ny media. Afaka alainao ny fitaovam-panoratan'ny olona. Afaka mampandoa sazy  ireo haino aman-jery ianao… amin'ny manaraka hieritreritra izy ireo hoe: na izaho maty antoka na izaho manao ny asako. Ny ambaratonga faran'ny fanaovana sivana dia ny mamono olona… ary mieritreritra aho fa mitranga [maneran-tany] izany. Ireo avy no teknika voalaza ao amin'ny Ireo karazan-tsivana manerana ny tany nosoratan'i Ilan Peleg.

Mahafantatra “proxy” manokana sy fitaovana hafa entina mandingana ary fampiasa matetika any Sina ve ianao?

Maro ny fitaovana voapaingotra sy jirihan'ny governemanta Sinoa…[nefa] nisy tatitra iray nataon'ny Open Technology Institute izay nanara-maso ny olona mampiasa ireo fitaovana enti-mandingana ireo. Tonga saina izy ireo fa malaza be ny VPNs satria misy sakana ataon'ny governemanta Sinoa. Sady te-hanarona ny feom-bahoaka izy ireo no te-hanosika ny firoboroboana ara-toekarena. Ka tsy maintsy mamela ny Google, Amazon, sy ireo fandraharahana hafa ety anaty Aterineto hiditra sy hiala ao amin'ny aterineto ianao. Amin'izay, ny olona dia nahatsapa fa io no fomba iray hialàna amin'ny Great Firewall / Rindrimbe Aroafo – mba ho enti-milaza fotsiny fa mpifanerasera ara-barotra ianao, milaza fa amin'ny alalan'ny Google na Amazon no ivarotanao.

Nanandrana nampiasa ny Tor aho tany Sina nefa tsy nety foana izany. Azo antoka tokoa ny Tor, mamela marika tena hita maso. Afaka mahafantatra azy izy ireo [satria]….ToR dia tsy tsy afaka hilaza fa fifaneraseràna ara-barotra. Raha toa ka afaka maka tombontsoa fotsiny amin'ny governemanta mikatona amin'ny tenany ianao, milaza fa manao raharaham-barotra, ianao, dia mety hanana hirika ianao.

Noho izany io hevitra io no miafina ao ambadik'izay hita maso – afaka mahita anao izy ireo, nefa tsy afaka mahalala hoe iza marina ianao.

Raha fintinina, tsy mahakasika ny hevitra ara-tekinika io. Fifandraisana samy olona io.

A word cloud created from words commonly deleted, pulled from Sonya Yan Song's research.

Rahon-teny iray ahitàna ireo teny mateika fafàn'ireo mpaniivana vaovao Sinoa, nalaina tany amin'ny fikarohan'i Sonya Yan Song.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.