Voan'ny Nataony Ihany Ilay Peroviana Mpihira Nitsikera ny ‘Free Riders’

Se la llevan fácil

Dikasary avy amin'ny lahatsarin-kira  “Se la llevan fácil” nalefan'i Julio Andrade tao amin'ny YouTube.

Andro vitsivitsy lasa izay no nampalaza ilay peroviana mpihira sady mpamoron-kira , i Julio Andrade [es] teo anivon'ireo mpiserasera amin'ny aterineto noho ilay hirany vaovao hoe  “Se la llevan fácil” (adika tsotsotra hoe :  ” Azon-dry zareo moramora iny “), izay itsikerany mivantana ireo olona lasa malaza ary indraindray manan-karena nefa tsy nila niezaka ary tsy dia manan-talenta. Midika hoe : ” moramora no ahazahoan'izy ireo vola, laza na fankatoavana” ny “Se la llevan fácil”.

Nanana hira betsaka izay nanjary tian'ny olona tamin'ny taona 90 i Andrade. Izy no filoha lefitra faharoan'ny Fikambanan'ny Peroviana Mpamorona sy Mpanoratra tononkira  fantatra amin'ny hoe : APDAYC [es] anarany amin'ny teny Espaniola, sampan-draharaha mpiaro ny asan'ireo Peroviana mpanoratra sy mpamoronkira.

Zarain'ny tranonkala Comunidaria [es] ao amin'ny lahatsoratr'i Cholodecono [es] ny tantara niandohan'ilay hira :

El cantante nacional Julio Andrade afirmó que no se esperaba la reacción del público en las redes sociales por el lanzamiento de su nueva canción: “Se la llevan fácil”. El tema, que critica a los artistas que apelan al facilismo para ganar fama, fue calificado por el músico como una simple “ocurrencia”.

[…]

“Estaba tomando unos tragos con un amigo, agarré la guitarra y me puse a cantar”, comentó Andrade a la web de Diario16.

Nolazain'ilay mpihira ao an-toerana, Julio Andrade, fa tsy nampoiziny ny fihetsiky ny olona avy any amin'ireo tambajotra sosialy tamin'ny nandefasany iny hirany vaovao  “Se la llevan fácil” iny. Mitsikera ireo mpanakanto izay tsy maka sarotra rehefa hitady laza, ny tonon'ilay hira nosoratan'ity mpiangaly mozika ho toy ny “tsikera manàla azy” tsotra fotsiny.

[…]

“Nisotro niaraka taminà namana iray aho, noraisiko ny gitara ary dia nanomboka aho ”, hoy i Andrade tao amin'ny tranonkala Diario16.

Mandritra izany dia manontany tena ny bilaogy El lado B de Manzarock [es] hoe :  ” Iza no hanilika  an'i Julio Andrade ?” [es]:

Rajando de las “letras vacías y coreografías como el Baile del Caballo“, nuestro Julio Andrade, no contento ni satisfecho con ser partícipe de inenarrables composiciones que dudosamente puedo calificar de canciones, ahora reniega de aquellos que se la llevan fácil en el ancho y ajeno mundo de la música popular.

Raha ny laza ratsin'ny “hevitra fonosin'ny tononkira sy ireo dihy tahaka ny Gagnam” no resahina dia i Julio Andrade-ntsika mihitsy, izay sady tsy faly no tsy afa-po noho ny nandraisany anjara tamin'ilay famoronan-kira tsy hay tantaraina sy sarotra sokajiana ho hira, ankehitriny no mivohy ny momba ireo izay mahazo mora foana amin'izany any ivelany amin'ny tontolon'ny hira natao ho an'ny daholobe.

Esoin'ireo mpiserasera amin'ny Twitter amin'ny alàlan'ny tenifototra hoe #YSeLaLlevanFacil ilay hira ary ohariny amin'ny zava-misy amin'ny firenena amin'izao fotoana izao, toy ny lalao baolina kitra hita na aiza na aiza :

 Lalaovina ny “We are the champions” (isika no tompon-daka) raha mandresy ny ekipam-pirenena Peroviana amin'ny baolina kitra, fa raha resy kosa izy ireo dia ny #SeLaLlevanFácil  no hiraina satria tsy mandeha irery ny fahoriana.

Zarain'i Con Todo Respeto ny tena tanjon'ilay hira :

Misy fomba vaovao fampijaliana vao hita. Lavin'ireo mpikatroka mafàna fo izany satria mampahory loatra. #selallevanfacil pic.twitter.com/rdr5J8Zhk4

Nampahatsiahivin'i Pedro Canelo ilay sarimihetsika nivoaka tamin'ny fiandohanny taona 90:

Ren'i Thelma sy Louise koa i Julio Andrade #JulioAndrade #Selallevanfácil pic.twitter.com/HevXJEHJBD

— Pedro Canelo (@jovennostalgico) September 3, 2013

Notsiahivin'i Giovanni Arce B. ny ampahany amin'ny tantaran'i Andrade:

Tsy tsaroan'i Julio Andrade ny  “Jereo ikala brunette , zavatra kanto, toy inona ny fampandihizany fitombenana”, fikomiana ara-tsaina re izany #selallevanfacil

Tamin'izay fotoana izay no nandefasan'i El Cuy del Perú sary iray avy aminà lahatsary, relijiozy (frera) iray nitsambikina avy eo amin'ny “Green Shore”, Morona Maitso, izay antsoina hoe : moron-dranon'i Limea, toerana fanta-daza ho mahasarika mpizaha tany :

Nanapa-kevitra ny hamono tena ilay frera (relijiozy) mialoha ny hihainoana ny #SeLaLlevanFacil-n'i  Julio Andrade, naleony nifandona tamin'ny vato.

Farany notaterinà gazety iray ao an-toerana ny teny nolazain'i Andrade :

Julio Andrade: “noforonina mba ho doka hieli-patrana ny “‘#Selallevanfácil‘ ” http://t.co/qv6ylkduzG

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.