Fokonolona Zapoteco Namoaka Tambajotram-Pinday Manokana

Any antendrombohitra atsimon'i Meksika, andrana vaovao ara-pifandraisana no indro maka ny toerany: tambajotra mahaleo tena na serasera amin'ny finday ho an'ireo fokonolona ambanivohitra izay notsinotsiniavin'ireo orinasa mpanome tolotra hatramin'izay. Nanohana izany vinan'asa Dizha Kieru izany ny Rising Voices ary lasa matoandahatsoratra an-gazety any Meksika (Noticias del IstmoSin EmbargoMilenio, ary Nacion) any any ivelany koa (AFP) noho ilay tetikasa vaovao mahaleotena, tambajotra ara-pifandraisana ao an-tanàna ambanivohitra Zapoteco anatin'ny Villa Talea de Castro.

Manohana ny fahazotoany mitantara toy ny mpanao gazety azy ireo ny Rising Voices ary maka tombony amin'ny fampiasana ny tambajotra amin'ny fakana sy fandefasana vaovao amin'ny alalan'ny SMS amin'ireo mponina. Rehefa Telcel nanda ny hiasa miaraka amin'ny fokonolona latsaky ny mponina 5000 ny tambajotra lehibe Telcel, dia nandray an-tanana nanorina ilay tambajotra ara-tserasera mahaleo tena nahazo ny fanampian'ny ONG miorina ao Philadelphia antsoina hoe Rhizomatica ny tanàna indizena kely ao Villa Talea de Castro. Ny mpamela hafatra sasany moa milaza fa “fandresen'ny fiarahamonim-pirenena amin'ny ampihimamba ara-tantara” ny fananganana ity tambajotra ity.

rhizomatica

Sary nahazoana alalana avy amin'ny Rhizomatica

Ity horonan-tsary manaraka ity maneho ny hevitry ny mpikambana ao amin'ny fokonolona tamin'ny fanokafana ny tambajotra:

Izao no olana atrehin'i Meksika sy ireo firenena hafa, araka ny hevitry ny tranonkala Rhizomatica

…Actualmente, sólo compañías  muy grandes y poderosas tienen acceso al espectro móvil y las concesiones para proveer el servicio. Pero el modelo de negocios y la tecnología que estas compañías proveedoras tradicionales usan han demostrado ser ineficaces para resolver el problema de conexión de gran parte del mundo. Queremos romper este oligopolio y permitirle a las comunidades convertirse en proveedores de servicio también

…Ankehitriny, ny orinasa mantanjaka ihany no mahazo ny onjampeom-pinday maro sy afa- mikarakara seraseram-pifandraisana amin'ny finday. Saingy ny modelim-pandraharahana sy ny teknolojia omen'izy ireny dia voaporofo fa tsy mahavaha ny olan'ny fampifandraisana kokoa an'izao tontolo izao. Tianay horavana izany ampihimamban'ny matanjaka izany ka avela ny fokonolona mba ho mpanome tolo-tserasera ihany koa

Ny fandrosoan'ny teknolojia open-source (loharano misokatra ho an'ny rehetra) no nahafahan'ny fokonolona sy ny tsirairay manolotra servisy azo itokisana. Ny tambajotra, antsoina Red Celular de Talea (RCT), dia mampiasa ny onjampeo 900Mhz (onjampeo misokatra ho an'ny rehetra), malalaka, rindrambaiko open-source ahafahana mitondra ny antso, ary tolotra VoIP (Feo mandeha amin'ny Aterineto) ahafahana miantso any Etazonia. Neken'ny vaomiera federaly misahana ny fifandraisandavitra (Cofetel) hanaovana andrana mandritra ny roa taona ny andrana teknolojia novokarin'i Range Networks miorina ao California. Mandoa 15 pesos, manodidina ny 1,2 dolara amerikana eo ho eo, isam-bolana ny nisoratra anarana 600 ao aminy amin'izao fotoana. Manaiky hametra ny antsony ho dimy minitra mba tsy hanavesatra ny tambajotra.

Raha ny fanazavana an-gazety nataon'ny Rhizomatica sy ny fikambanam-piarahamonina hafa :

La iniciativa buscó identificar las condiciones técnicas, económicas y jurídicas para que las comunidades indígenas que no cuentan con telefonía celular, pudieran hacerlo… así la comunidad opera una red privada interna conectada al servicio de internet que proporciona un concesionario o comercializadora de servicios y a través de éste, un concesionario de voz sobre protocolo de internet VoIP, da el servicio de telefonía al exterior.

Ny tanjon'ny fisantaran'andraikitra dia ny hamantarana ny fepetra ara-teknika, toekarena ary araka ny lalàna ahafahan'ny fiarahamonina tsy afa-miantso fiday mba hahazo izany tolotra izany ..amin'izay fotoana izay ny fiarahamonina afa-mikirakira tambajotra manokana mifandray amin'ny aterineto izay ahafahany manao tolotra fitsinjarana na fivarotana ihany koa, dia lasa mpizara tolotra VoIP izay misokatra amin'ny antso iraisampirenena.

Miasa amin'izao fotoana any Meksika sy Nizeria ny Rhizomatica izay mikendry manamora ny fivelaran'ny fiarahamonina amin'ny alalan'ny fifandraisana, nanentsina ny banga tsy vitan'ireo goavan'ny fifandraisandavitra. Ny iraka anolorany tena dia “ny hampitombo ny fahafahan'ny mponina mihoatra ny roa miliara tsy voarakotra sy ny 700 tapitrisa tena tsy manana na inona na inona mihitsy”. Iray amin'ireo tanana kely manana mponina manodidina ny 50000 tsy tongan'ny  tolotra finday i Villa Talea de Castro. Manam-pikasana hanitatra ny tetikasa ny fokonolona ary hanatratra ny tanàna kely hafa, hananganana tambajotram-pinday ao amin'ny faritra ambanivohitra manerana an'i Oaxava.

Raha te hamantatra bebe kokoa momba ny Rhizomatica, araho ny tambajotra sosialy [twitter] na vakio ny blaogy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.