Shina, Paradisa Vaovao Ho An'ny Mpikarakara Fizahantany

club-med-chine

Tsy mazava ny atontanisa momba ny vanim-potoana ny fizahantany frantsay. Ny Minisitry ny fizahan-tany Sylvia Pinel dia mailo tokoa kanefa mampahonena ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny kabinetra Protourisme, izay hitarafana ny fanadihadiana ara-pizahantany. Mazava kosa ny vinavina ho an'i Shina, misy fanantenana tokoa ny tsena . Nanapa-kevitra ny hanafaingana ny fandrosoany ny mpikirakira fizahan-tany, atomboka amin'ny Club Med izany.

Tena hifampitadiavana tokoa ny tsenan'ny fizahantany shinoa noho ny antony samihafa. Ny fizahantany dia tranga vaovao mihitsy any Shina, izay niseho ny faran'ny taona 1990, rehefa nomena fialan-tsasatra 2 andro isan-kerinandro ny Shinoa, avy eo 9 andro tsy fiasana isan-taona. Io avy eo no nanaitra tampoka ny fizahan-tany. Ankehitriny, niakatra 40% ny fandaniana ivelany ataon'ny shinoa niakatra ny 2011 ka hatramin'ny 2012.

Shina, Tsenam-barotra goavambe ho an'ny mpikarakara fizahan-tany

Manana fironan-kevitra mandeha ho azy isika mikasika ny fizahantany shinoa aty ivelany. Miteny ho azy ny isa. Araka ny Business Insider, raha 10 tapitrisa ny taona 2000 ny isan'ny fandehanana mankany ivelany dia lasa 83 tapitrisa tamin'ny 2012. Fa mialoha ny hisidinany hivoaka aty ivelany, dia liana amin'ny fireneny aloha ny Shinoa. Ny fizahan-tany anatiny dia mihoatra lavitra noho ny fizahan-tany ivelan'i Shina. Miisa 300 tapitrisa ny shinoa nitsidika an'i shina raha 15 tapitrisa kosa no nisafidy ny any ivelany izay namokatra 110 miliara dolara raha 30 miliara ny fizahan-tany anatiny.

Touristes chinois par Marc Ben Fatma - license CC-BY-NC-2.0

Mpizahatany Shinoa nalain'i Marc Ben Fatma – fahazaondalana CC-BY-NC-2.0

Tena fotoana tsara izany hampandrosoana haingana ny mpikirakira fizahan-tany, izay maro tokoa ny niditra tamin'ilay tsena shinoa. Ao anatin'ireo masoivoho an-jatony mamolavola lalan-kaleha ao amin'Ampiran'ny Afovoany ny Havas Voyages Vacances, Mandarin Voyages, Nouvelles Frontières, raha tsy hitanisa afatsy ireo.

Ny Club Med mitady hanao azy ho tsena faharoa

Niavaka manokana ny Club Mediteranee tamin'ny nizarany ilay vina sahisahy kasainy atao any Shina. Mikasa ny hahazo tsena ao ny vondrona, fa nahitana fitotonganana tokoa ny tsena eoropeana, indrindra ny tsena frantsay. Ny tanjona dia ny hahazo mpanjifa 200 000 amin'ny faran'ny taona 2015 amin'ny fananana toerana 5 sy hotely avo karazana misokatra dieny taona 2013. Ho tsenam-barotra faharoan'ny Club Med i Shina.

Heverina ho tena lafo ny fampiasam-bola ilaina amin'ny fanamboarana ireo tanana mahafinaritra ireo, indrindra fa ilay kasaina ao amin'ny nosy tropikalin'i Hainan any atsimo ny firenena  izay ipetrahan'ireo shinoa tena mpanakarena. Mba hialana ny olana fohy ezaka mianjady amin'ny mpiombonantoka, dia avoaka avy hatrany ny loharanom-bola ary atao izay hafainganina malalaka ny stratejia iraisam-pirenena, nametraka OPA ara-pinamanana amin'ny Club mba hahazoana ny 50,1%-n'ny renivola sy ny fahazon-dalana mifidy ny mpiombonantoka roa lehibe AXA PE sy ny Fosun .

Tao amin'ny resadresaka natao tao amin'ny Figaro, Guo Guangchang, prezidan'ny Fosun tsy nanafina ny tanjon'ila OPA, kanefa tena ao anatin'ny kihon-dalan'ny fampivelarana indrindra ny Club:

Cela fait trois ans que Fosun est actionnaire du Club Med. L’offre, que nous présentons avec Axa PE et le management, a deux objectifs. Le premier est de donner au Club un actionnariat stable pendant une période minimum de cinq ans. Le second est de l’accompagner dans son développement sur le marché asiatique, et tout particulièrement en Chine.

Efa ho telo taona izao i Fosun no mpiombon'antoka an'i Club Med. Manana tanjona roa ny tolotra, izay asehonay amin'ny alalan'i Axa PE sy ny fandrindrana. Ny voalohany dia ny hanome ny Club mpiombon'antoka matotra ao anatin'ny dimy taona farafahakeliny. Ny faharoa dia ny hiara-dalana aminy amin'ny fampivelarana ny tsena aziatika, sy  ao Shina indrindra indrindra.

Fa amin'izao aloha, Miandry ny fanapaka-kevitry ny fitsarana ambony ny OPA noho ny fitarainana napetrak'ireo mpiombon'antoka madinidinika. Tokony ho fantatra mialoha ny volana septambra izany. Miorina amin'ny antony mbola manjavozavo ny fitarainana mitsipaka ny fanekena ny OPA nataon'ny AMF Fahefana misahana ny Tsena Ara-bola .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.