Handràra Ny Fizaram-baovao Antserasera Ve Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Aterineto Ao Vietnam?

Niteraka adihevitra ny didim-panjakana vaovao momba ny  Aterineto izay nampahafantarina ampahibemaso tamin'ny 31 jolay teo tao Vietnam rehefa voalaza fa ahitana fepetra maromaro izay mandràra fizaram-baovao eny anivon'ny tambajotra sosialy isan-karazany. Saingy nanazava ny governemanta fa ny hiarovana ny zon'ny mpamorona no tanjon'ny didim-panjakana. Nanankery nanomboka tamin'ny 1 Septambra ny lalàna.

Ny didim-panjakana 72/2013/ND-CP na “Fitantanana, Fizaram-baovao, Fampiasana Ny Tolotra Aterineto sy ny Votoatim-baovao Antserasera” dia nosoniavin'ny Praiminisitra Nguyen Tan Dung tamin'ny 15 Jolay. Misy toko 6 sy andinin-dalàna 46 ahitàna ireto lohahevitra ireto izany:

…Internet services and resources, the management, provision, and usage of online information, the establishment of websites and social networks, information about telecommunication networks, online games, and online information safety and security.

…Tolotra aterineto sy loharanom-baovao, ny fitantanana, fizaram-baovao, sy fampiasana vaovao antserasera, fananganana habaka sy tambajotra sosialy, vaovao momba ny tambajotram-pifandraisan-davitra, lalao amin'ny aterineto, filaminana sy fiarovana ny vaovao antserasera.

An internet cafe in Vietnam. Image from Flickr page of mikecogh (CC License)

Toerana fanaovana aterineto (cyber) ao Vietnam. Sary avy amin'ny pejy Flickr-n'i mikecogh (CC License)

Saingy nampisahotaka olona maro ny fepetra 20.4 nampiady hevitra noho ny fandràrana ny ‘vaovao nadika’:

…personal information webpage is a webpage created by individual on their own or via a social network. This page should be used to provide and exchange information of that individual only; it does not represent other individual or organization, and is not allowed to provide compiled information

…Habaka natsangan'ny olona amin'ny pejiny manokana na amin'ny tambajotra sosialy ny pejy habaka misy ny mombamomba manokana. Tokony ho ampiasaina hizarana sy hifanakalozana vaovao manokana avy amin'izany olona izany ihany izany pejy izany; tsy misolo-tena olo-kafa na fikambanana izany, ary tsy azo atao ny mizara vaovao nadika tamin'ny hafa.

Inona indrindra ny atao hoe ” vaovao nadika”? Gazety Tuổi Trẻ nilaza momba ny Sampa-pahalalam-baovao Elektronika sy Mpandefa vaovao ao Vietnam izay nanazava izany ho fampahatsiahivana ny olona mba tsy “hilaza na hizara vaovao avy amin'ireo orinasam-baovao na habaky ny sampa-pahalalam-baovaon'ny governemanta”.

Nilaza ny minisitra lefitry ny Filazam-Baovao sy ny Fifandraisana, Le Nam Thang fa ny hanakanana ny fampiasana tafahoatra ny aterineto hizarana vaovao diso no anton'ilay lalàna vaovao. Natao hanampiana ireo mpanara-baovao “mba hahita vaovao marina sy mazava ao amin'ny aterineto” ihany koa izany .

Personal webpage owners are only allowed to provide their own information, and are prohibited from taking news from media agencies and using that information as if it were their own

Ny habaka manokana ihany no mahazo alalana handefa ny vaovaony manokana, ary voaràra ny fakàna vaovao avy amin'ireo orinasam-baovao sy ny fampiasana izany vaovao izany tahaka ny azy manokana

Araka ny efa nampoizina, nitanisa fepetra fandràrana sasany (Andininy faha-5) ihany koa ny lalàna:

…information that is against Vietnam, undermining national security, social order, and national unity […] or information distorting, slandering, and defaming the prestige of organisations, honour and dignity of individuals.

…vaovao izay manohitra an'i Vietnam, fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, ny filaminam-bahoaka, ary ny firaisam-pirenena […] na koa vaovao diso, manendrikendrika, manala-baraka ny lazan'ireo fikambanana, ny voninahitra sy ny fahamendrehan'ny olona

Nilaza fepetra hafa mety hampidi-doza voalaza ao amin'ilay didim-panjakana ny Komity miaro ny Zon'olombelona ao Vietnam, izay namariparitra ny lalàna ho “tsy hahomby velively sy tsy mifanaraka amin'ny zo sy ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon'Olombelona”:

Article 25 requires the filtering of any information on the Internet based on the interpretation that such information is amongst the “prohibited acts” outlined in Article 5. Foreign Internet Service Providers will have to provide information about their users when requested by investigative bodies.

Ny andinin-dalàna faha-25 dia mitaky fanasivanana izay vaovao amin'ny aterineto voalaza ao amin'ny fanazavana fa izany vaovao izany dia anisan'ireo “fepetra voaràra” voalazan'ny Andinin'ny faha-5. Ireo Vahiny Mpanome tolotra Aterineto dia tokony hanome vaovao momba ireo mpanjifany raha misy mpiasa mpanao famotorana manontany azy ireo.

Nanatontosa valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety avy hatrany ireo manampahefana ao Vietnam mba hanitsiana izay “fifandisoa-kevitra’ ateraky ny famoahana ilay didim-panjakana. Nilaza izy ireo fa hanatsara ny fivoaran'ny fenitra amin'ny Aterineto ao amin'ny firenena ilay lalàna:

The decree generates conditions for the development of internet information forms by licensing websites, social networks, and service supply registration

Miteraka fepetra mampandroso ny vaovao an-tserasera avy amin'ny fanomezan-dalana ny habaka, tambajotra sosialy, ary ny fisoratana anarana amin'ny tolotra ilay lalàna

Nanantitra ihany koa izy ireo fa tsy misy fepetra mandràra ireo olona tsy hizara vaovao ao amin'ny tambajotra sosialy ilay lalàna:

Decree 72 has no word or sentence prohibiting individuals from using social networks to share and collect information, so it has never been a threat to online reporters and bloggers

According to the decree, individuals have the right to collect and share information on social networks. It stipulates that individuals are allowed to cite information and attach a link to the source information so other people can refer to the original, full information. The decree aims to protect intellectual property rights and the copyright of press agencies. In fact, many press agencies are concerned about copyright and author rights.

Tsy misy teny na fehezan-teny mandràra ny olona hampiasa tambajotra sosialy mba hizara sy hanangom-baovao ny lalàna 72, ka tsy fandrahonana ho an'ny mpitati-baovao antserasera sy bilaogera izany

Araka ny lalàna, manan-jò hanangona sy hizara vaovao ao amin'ny tambajotra sosialy ny olona tsirairay avy. Milaza ny lalàna fa afaka milaza vaovao sy mametraka rohy ao amin'ny loharanom-baovao ny tsirairay mba hahafahan'ny olona sasany mahita ny orizinaly, vaovao feno. Ny hiaro ny fizakà-manana sy ny zon'ny mpamorona eny amin'ireny orinasam-baovao ireny no tanjon'ny lalàna. Raha ny marina, maro ireo orinasam-baovao no miahiahy momba ny fankàn-tahaka sy ny zon'ny mpamorona.

Raha ny marina, nanaitra ireo orinasa sy mpandraharaha ny fiakaran'ireo tranganà fandikàna ny zon'ny mpamorona. Saingy nihevitra i Steven Millward avy ao amin'ny Teknika ao Azia fa tsy hamàha ny olana ny lalàna vaovao momba ny Aterineto ao Vietnam:

Vietnam seems to be striking at social media and individual sharing rather than fixing the cause of the problem: content piracy by lazy news sites. Surely media industry regulation would be a better move than this kind of ban.

Toa mamely ny media sosialy sy ny fizaram-baovao ataon'ny olo-tsotra i Vietnam fa tsy mba mamaha ny anton'ny olana: fakà-tahaka votoaty ataon'ireo haba-baovao kamo. Azo itokisana fa ny fampidirana anaty lalàna ny indostrian'ny media no tsaratsara kokoa noho ity karazana fandràrana ity.

Nitsikera ny lalàna ho “famelezana henjana indrindra ho an'ny fahalalan'ny vaovao” ny Reporters Without Borders (Mpitati-Baovao Tsy Voasaka-Tsisintany):

The announced decree is nothing less than the harshest offensive against freedom of information since Prime Minister Nguyen Tan Dung signed a decree imposing tough sanctions on the media in 2011

If it takes effect, Vietnamese will be permanently deprived of the independent and outspoken information that normally circulates in blogs and forums.

The decree is both nonsensical and extremely dangerous. Its implementation will require massive and constant government surveillance of the entire Internet, an almost impossible challenge. But, at the same time, it will reinforce the legislative arsenal available to the authorities.

Tsy inona akory ny lalàna navoaka fa femelezana henjana indrindra manohitra ny fahalalahan'ny famoaham-baovao hatramin'ny fotoana nanasoniavan'ny Praiministra Nguyen Tan Dung ny lalàna mametraka sazy henjana ho an'ny media tamin'ny taona 2011

Rehefa mihatra izany, tsy hahazo vaovao mahaleotena sy marina intsony izay mivezivezy amin'ny endrika bilaogy sy forum (dinika) ireo Vietnamiana.

Tsy misy fotony sady mampidi-doza tanteraka ilay lalàna. Ny fampiharana izany dia mila fanaraha-maso betsaka sy hentitra ny aterineto rehetra avy amin'ny governemanta , fanamby izay sarotra tanterahana. Saingy, ao anatin'izany, hanamafy ny karazan-dalàna eo ampela-tanan'ireo manampahefana izany.

Niahiahy i Phil Robertson mpanara-maso ny zon'olombelona fa hampiasaina amin'ny “fanenjehana voafantina” ilay lalàna :

This is a law that has been established for selective persecution. This is a law that will be used against certain people who have become a thorn in the side of the authorities in Hanoi

Lalàna napetraka ho amin'ny fanenjehana olona kinendry izany. Lalàna manohitra ireo olona sasany izay lasa tsilo manindrona ireo manampahefana ao Hanoi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.