Mitombo Isa Ireo Vahiny Tsy Mana-kialofana Ao Thailandy

A homeless person in Bangkok. Image from Flickr user mikecogh (CC BY-SA 2.0)

Olona tsy mana-kialofana ao Bangkok. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, mikecogh (CC BY-SA 2.0)

Araka ny fanambaran'ny fikambanana mpanao asa soa Issarachon, nahitàm-piakarana ny isan'ireo vahiny tsy mana-kialofana ao Thailandy. Nanombana ny vondrona fa mety eo amin'ny 200 eo ireo vahiny tsy mana-kialofana ao amin'ny firenena. Nahita i Natee Saravari avy ao amin'ny Fikambanana Issarachon fa:

In Pattaya we see them sorting through the trash in front of McDonald's for something to eat, and hanging out in front of restaurants asking customers for money

Ao Pattaya, nahita azy ireny namoaka zavatra hohanina avy tao anaty fanaria-pako eo anoloan'ny McDonald izahay, ary mandany andro eo anoloan'ny trano fisakafoanana mangata-bola amin'ireo mpanjifa.

Paul Garrigan, mponina vahiny ao Thailandy, nilaza ny antony mety mahatonga ireo vahiny sasany lasa tsy mana-kialofana ao Thailandy:

Like lots of others before me, I mistakenly believed that my problems were due to my surroundings so living in an exotic place like Thailand would fix me. It didn’t. My life went into free-fall, and I’d almost certainly be dead now if it wasn’t for the help from Thai people and Thamrkabok Temple in 2006. I could easily have been one of the homeless foreigners in Thailand.

When we step off the plane it can feel like the normal standards do not apply. The fact that we don’t understand the rules of Thai culture gives us the false impression that there are no rules.

Tahaka ireo maro hafa teo alohako, diso aho nihevitra fa noho ireo manodidina ahy no nahatonga ny olako ka ny monina aminà toerana vahiny tahaka an'i Thailandy no mety amiko, tsy izany anefa. Nanjary nikoroso fahana ny fiainako, ary saiky tena namoy ny aiko mihitsy aza aho ankehitriny raha tsy nisy ny fanampiana avy amin'ireo Thailandey sy tao amin'ny tempoly Thamrkabok tamin'ny taona 2006. Angamba mety efa lasa anisan'ireo vahiny tsy mana-kialofana ao Thailandy koa aho.

Raha nidina ny voromby izahay, toa tsapa toy ny tsy misy fitsipika mahazatra mihatra. Ny tsy fahafantarantsika ny fitsipiky ny kolontsaina Thailandey no mahatonga antsika hanana hevi-diso fa tsy misy ny fitsipika.

Nandrisika ireo masoivoho vahiny izy mba hanitatra ny fanampiana ireo olom-pireneny:

Homeless foreigners are human beings who are struggling in life. They should be treated with compassion and offered help. Foreign embassies and consulates should step in to provide safe accommodation and food until these people can be helped back on their feet or repatriated to their home country– they should definitely not end up in jail waiting for deportation.

Olombelona miady amin'ny fiainana ireo vahiny tsy mana-kialofana ireo. Tokony hangorahana sy ampiana izy ireo. Tokony hirotsaka an-tsehatra hanome trano fonenana sahaza sy sakafo azy ireo ny masoivoho sy ny konsily vahiny mandra-pahazon'izy ireo fanampiana hiverina any amin'ny firenena niaviany, tsy tokony hiafara any am-ponja izy ireo eo am-piandrasana ny fampodiana azy.

Saingy nilaza ny lehiben'ny polisy misahana ny fizahantany ao Pattaya, ny lietnà Kolonely Aroon Promphan, fa matetika mihambahamba ireo masoivoho vahiny hanampy ireo vahiny tsy mana-kialofana:

I sometimes tell [embassy staff] that their citizen has some mental problem and they have no money left. I ask them what do they want us to do with the citizen. The answer I hear back is, ‘You don't have to do anything. We are not responsible for this kind of person.”

Matetika aho miteny amin'ireo [mpiasan'ny ambasady] fa manana olana ara-tsaina ireo olom-pireneny ary tsy manam-bola. Manontany azy ireo ny amin'izay tokony ataonay amin'ireo olom-pirenena ireo izahay. Ny valinteny henoko avy eo dia: “Tsy mila manao na inona na inona ianareo. Tsy tompon'andraikitra amin'ireo karazan'olona ireo izahay”.

Nilaza ny vondrona mpanao asa soa fa maro amin'ireo vahiny tsy mana-kialofana no nilaozan’ireo namany Thailandey na manana olana momba ny pasipaoro sy visa. Saingy nampahatsiahy i Casey Hynes fa tokony naka fepetra mivaingana ireo mponina vahiny mba hisorohana ny fahaverezan'ny loharanombolany:

Though the plight of homeless foreigners is unfortunate, one wonders why they didn’t take steps to mitigate these circumstances in the first place. It is possible for foreigners to buy condos themselves in Thailand, or lease land long-term, which would allow them to avoid relying on a wife or girlfriend for the proper documentation. And while visa applications and runs can be a hassle, it’s far less of a hassle than to let both visa and passport expire, leaving them with few options in their home and adopted countries.

Na dia mampalahelo aza ny mahazo ireo vahiny tsy mana-kialofana, ao ny manontany ny antony tsy nandraisan'izy ireo fepetra tany am-boalohany mba hanamaivanana ny zava-misy. Azon'ireo vahiny atao ny mividy efi-trano hiaraha-mipetraka ho azy ireo ao Thaïlandy, na manofa tany mandritra ny fotoana maharitra, izay hahafahan'izy ireo misoroka amin'ny fiankinana amina vady na sipa. Ary satria mety hanahirana ny fangatahana visa sy ny fanavaozana izany, mihena kokoa ny fahasahiranana noho ny fananana visa sy ny pasipaoro lany andro, ka mahatonga azy ireo tsy dia hana-tsafidy betsaka ao amin'ny firenena niaviany sy firenena nidirany.

Bilaogera avy ao Bangkok nanantena fa handinika ny lalàna ao an-toerana mba hanomezana fiarovana bebe kokoa ho an'ireo vahiny ny manampahefana.

No doubt these homeless foreigners were driven to drink by their circumstances, all of which were totally avoidable.

The article went on to say that foreigners receive little protection from the law in Thailand and a Professor at a University in the North East of the country is saying that laws need updating with respect to protecting foreigners rights.

Hopefully, the powers to be will also agree.

Tsy isalasalana fa nanjary nisotro ny zava-iainany ireo vahiny tsy mana-kialofana ireo, izay azo nosorohina tanteraka.

Nilaza ihany koa ny lahatsoratra fa zara raha mahazo fiarovana avy amin'ny lalàna ao Thailandy ireo vahiny ary nilaza ny mpampianatra iray ao amin'ny oniversite ao Avaratra-Atsinanan'ny firenena fa mila havaozina ny lalàna momba ny fiarovana ny zon'ireo vahiny.

Antenaina fa hitovy hevitra amin'izany ihany koa ny manampahefana.

Niteraka fanehoa-kevitra mahaliana mikasika ity lohahevitra ity ny tatitra avy amin'ny Bangkok Post. Ohatra, nanamarika i Juggernaut fa misy ny “fanavakavaham-bolokoditra ara-dalàna manohitra ireo vady vahiny” ao Thailandy:

Foreign residents (not tourists/ diplomats/ business visitors) are not well protected. Unlike US, etc, married spouses of Thai nationals have little freedom & rights. The few rights are unfairly conditional; cannot re-enter Thailand without prior, expensive pass-stamps. Stay is illegal if balance is below 40,000 THB per year. Permission must be requested each year, which is revokable any time for no good reason. Not the environment to start hfamily as married couple. There's legal apartheid against foreign spouses. Permanent residence cards are highly elusive, expensive, conditional & easily revoked for no good reasons. Good luck all.

Tsy voaaro araka ny tokony ho izy ireo mponina vahiny (tsy mpizaha-tany / diplaomaty / vahiny mpandraharaha). Tsy tahaka ny any Etazonia, sns, fa zara raha manana fahalalahana sy zo ireo vahiny manambady olom-pirenena Thailandey. Misy fepetra tsy ara-drariny ny zo kely ananan'izy ireo, tsy afaka miverina ao Thailandy raha tsy misy hajia fidirana lafobe taloha. Tsy ara-dalàna ny fivahinianana raha latsaky ny 40.000 THB isan-taona ny vola ananana. Tsy maintsy angatahana isan-taona ny fanomezan-dalana, izay azo foanana foana amin'ny tsy antony mazava. Tsy tontolo hanombohana tokantrano raha mpifankatia efa mpivady. Misy ny fanavakavaham-bolokoditra ao amin'ny lalàna mamely ireo vady vahiny . Sarotra alaina, feno fepetra ary mora foanana tsy amin'ny antony mazava ny karatra maha-mponina maharitra. Mirary soa ho an'ny rehetra.

Nanamafy i Banmebkk fa tsara fanahy sady marina ny governemanta Thailandey amin'ny fandraisany ireo vahiny tsy mana-kialofana.

Thais are actually pretty kind with these homeless people, most police just ignore them. In most first world countries, the police would have detained and arrested the homeless with expired passports and start the process of sending them home.

Somary tsara fanahy ihany ny Thaïlandey amin'ireo olona tsy mana-kialofana ireo, tsy miraharaha azy ireo fotsiny ny ankamaroan'ny polisy. Amin'ny ankamaroan'ireo firenena voalohany manerantany, gadrain'ny polisy sy samboriny ireo tsy mana-kialofana manana pasipaoro lany andro ary avy eo hatomboka ny fombafomba rehetra handroahana azy ireo any amin'ny taniny.

Nanamarika ireo zava-misy isan-karazanay iainan'ireo vahiny tsy mana-kialofana i onlyasking .

To view the problem in one dimension is wrong. There are people staying in Thailand from Europe that fled here to survive and which don't have any incomes. You have people that came to Thailand with money and have lost it or sqaundered it. You have people here that have very small incomes and can't survive back home but can survive here. You have people that have overstayed their visa with 15 years. All of them are however the responsibility of their home countries, not Thailand's.

Diso ny fijerena ny olana amin'ny lafiny tokana. Misy ireo olona avy any Eoropa no nitsoaka sy nanori-ponenana ao Thailandy mba hivelona indray kanefa tsy manana fidiram-bola. Manana olona tonga ao Thailandy miaraka amin'ny vola ianao ary na very izany na nolanilaniana foana. Mahita olona manana fidiram-bola manify ianao eto ka tsy afaka mivelona amin'izany rehefa mody any amin'ny fireneny fa afaka mivelona kosa rehefa eto. Mahita olona manana visa ianao izay efa mihoatra ny 15 taona ny fahalanian'andron'ny “visa”-ny. Fahadisoan'ny firenena niavian'izy ireo avokoa izany rehetra izany, fa tsy an'i Thailandy.

Nihevitra kosa i upena fa tsy voatery hanampy ny vahiny tsy mana-kialofana rehetra ny governemanta Thailandey:

Sorry folks, as an expat living in Thailand for the past three years, and visiting Thailand and working here since 1973, I have absolutely no sympathy for those that cannot support themselves. They knew the rules before they got here and it is not up to the Thai Government to support/help them. They need to contact family of seek assistance from their embassy/consulate.

Miala tsiny ry vahoaka, amin'ny maha mpila ravinahitra ahy monina ao Thailandy nandritra izay telo taona lasa izay, ka nitsidika an'i Thailandy sy niasa teto nanomboka tamin'ny taona 1973, tsy mba manana fiantrana amin'ireo izay tsy afaka mamelona ny tenany aho. Mahafantatra ny fitsipika izy ireo alohan'ny ahatongavana eto ka tsy anjaran'ny governemanta Thailandey no mamelona/manampy azy ireo. Mila miantso ny fianakaviany izy ireo mba hangataka fanampiana avy amin'ny ambasadiny/konsiliny.

Nanentana ny tsirairay i Chem-Zam mba tsy hiandry ny governemanta na vondrona mpanao asa soa hanome fanampiana raha sendra tafahoana amin'ireo vahiny tsy mana-kialofana:

As a foreigner in Thailand, I understand how difficult to survive without resources and close relative in times of trouble financially. I think anyone can help any homeless foreigners without waiting for any charity works or government to assist them.

Amin'ny maha-vahiny ahy eto Thailandy, fantatro tsara fa mafy ny mivelona tsy misy fidiram-bola na havana akaiky mandritra ny fotoan-tsarotra tsy hananam-bola. Heveriko fa na iza na iza dia afaka manampy izay vahiny tsy mana-kialofana ka tsy mila miandry asa soa na governemanta hanampy azy ireo.

Casey Hynes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.