#YoViajoPara: Nahoana No Manao Dia Lavitra ny Amerikana Latinina?

Mankafy miteti-firenena ny Amerika Latina. Mitsangatsangana izy ireo mba hiala voly, na momba ny asa, na koa noho ny fitiavana – marobe ireo antony.

Maro ireo mpanao dia lavitra sahisahy ao amin'ny renim-paritra, ka misy ny mahavita manavatsava toerana na toetr'andro.

Tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #YoViajoPara (“Manao dia lavitra aho mba”, na “Manao dia lavitra aho ho”), ireo tia mitety firenena no nanao ny resaka an-tserasera, mizara ny antony iraisan'ny betsaka mahatonga azy ireo mankafy manao dia lavitra.

Travelers in Oaxaca. Picture taken by the author of this post.

Mpanao dia lavitra ao Oaxaca. Saripikan'i Andrea Arzaba.

Maria Boa (@_mariaboa) [es] avy any Meksika naneho ny fankafizany mianatra rehefa mivoaka andafin-tsisintany:

Manao dia lavitra aho hiaina, hanonofy, hahatsapa ary hahita tontolo isan-karazany, mahita zavatra hatrany isaky ny mandeha ary mahazo andraikitra, fahalalana vaovao [faly]

Mpisera avy any Honduras Queenmarielos (@queenmarielos) [es] nanoratra fa ny tena diany rehefa manao dia lavitra dia ny mahita sakafo sy zava-pisotro isan-karazany:

Manao dia lavitra aho hihinana amin'ny lovia isan-karazany sy hisotro ny zava-pisotron'ny olona isan-tanàna sy isam-pirenena

Niaiky i Julián Ortega Martínez (@julian_ortegam_) [es] avy any Kolombia mpandray anjara ato amin'ny Global Voices fa manao dia lavitra izy mba hijereny ireo olona maminy:

 Manao dia lavitra aho hahatontosa ny nofinofiko hijery anao

Elizabeth Rivera (@elimaguire) [es], izay mpandray anjara ihany koa ato amin'ny Global Voices, dia nanoratra amin'ny fitiavany mifindrafindra toerana mba hijereny toerana vaovao:

Manao dia lavitra aho hifandraisana amin'izao tontolo izao. Mahaliana loatra ity planeta ity ka sarotra ny hitoerana maharitra amin'ny toerana iray.

Francisco Diaz (@Frank_FDP) [es] avy ao Meksika nnamelabelatra ny fitiavany manao dia lavitra ho fomba tokana ahafantarana ny fomba fahazoan'ny olona avy amin'ny kolontsaina hafa an'izao tontolo izao:

 Manao dia lavitra aho hahafantarako ny fomba fieritreritr'izao tontolo izao

Nisioka ny faniriany hiala amin'ny fari-piadanana misy azy ilay mpisera Twitter Breziliana Transeunte (@transeunte_bsb) [pt]:

Manao dia lavitra aho hiova rivotra!

Mariana (@MEspinozaE) [es] avy ao Meksika no nilaza fa ny fandehanana dia lavitra no fomba tsara indrindra handaniany ny fotoanany:

@Lolawm nanampy ahy hampivelatra ny faravodilanitro izany, sy hieritreritra ivelan'ny boaty (baoritra).. ny fomba tsara indrindra handaniako ny fotoanako

Mpanao nahandro, sady mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, Melissa DeLeon (@cookingdiva) [es] avy ao Panama no nanoratra fa mandeha lavitra noho ny asa izy, fa mba mianoka ihany koa ny nahandro ao an-toerana andalovana:

Nanao dia lavitra aho hatry ny fony aho mbola kely, ankehitriny manao dia lavitra noho ny asa aho saingy manam-bintana hisitraka ny fianarana ny kolontsaina sy ny nahandron'ireo ao an-toerana

Nahoana ianao no manao dia lavitra? Zarao ny tantaranao, ny antony sy ny eritreritra miaraka amin'n teny ifankafantarana #YoViajoPara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.