Na Iray Aza Tsy Nisy Afa-panadinana Tany Amin'ny Anjerimanontolo Ireo Mpianatra Liberiana Tamin'ity Taona ity

Raha manamarika ny fahafolo taonan’ny Fifanekem-pihavanan'i Accra, izay namarana ny ady sivily naharitra 14 taona i Liberia, mpianatra eo amin'ny 25.000 avy amin'ny kilasy famaranana no tsy afaka tamin'ny fanadinana fidirana ho any amin'ny Anjerimanontolon'i Liberia tamin'ity taona ity. Ity no fotoana voalohany tsy nisiana mpifaninana na iray aza afa-panadinana fiidirana taona voalohany.

Liberia's president Ellen Johnson Sirleaf, a Nobel peace laureate,  acknowledges that the education system in Liberia is "in a mess". Public Domain photo from the US State Department.

Ny filohan'i Liberia, Ellen Johnson Sirleaf, nahazo ny mari-pankasitrahana Nobel momba ny fandriampahalemana, dia mahatsapa fa “mikorontana” ny rafi-pampianarana any Liberia. Sary ho an'ny sehatry ny daholobe avy ao amin'ny departemantam-panjakan'i Etazonia.

Nitatitra ny BBC fa sarotra ho an'ny Minisitry ny Fampianarana ao Liberia, Etmonia David-Tarpeh, ny hino fa tsy nisy na dia mpianatra iray aza afa-panadinana. Noho izany dia mikasa ny hihaona amin'ireo mpitantana ny anjerimanontolo izy hiresaka momba io olana io. Manoritra io tahan'ny tsy fahafahana io ho “famonoana vahoaka faobe” izy.

Na izany aza, James Dorbor Jallah, mpanolotsaina iray miasa tena, izay nokaramain'ny anjerimanontolo hitantana ny fanadinam-pidirana, dia nanamarina ny tatitra ary nilaza fa efa foana ny andro nampidirana ireo mpianatra anatin'ny Anjerimanontolon'i Liberia amin'ny alalan'ny kolikoly sy miankina amin'ireo olona ambony toerana maro fantatr'izy ireo.

Tao amin'ny Twitter, naneho fihetseham-po mifono hatairana sy tsy finoana izao tontolo izao raha nahare ireo vaovao.

Ity ny fomba nanoritan'i Calestous Juma (@calestous),  Mpampianatra Mpikaroka ao amin'ny Sekoly Harvard Kennedy ao Kenya an'ireo vaovao:

Ny Mpanjaka Leopold II an'i Belzika no tompon'ny Fanjakana Mizakatenan'i Kôngô taloha, izay ny Repoblika Demokratikan'i Kôngô amin'izao fotoana, ny 1885 ka hatramin'ny 1908.

Saran Kaba Jones (@sarankjones), mpiaro ny rano madio sy mpandraharaha ara-tsosialy, dia nilaza fa mampalahelo izany nefa tsy mahagaga:

Mbas Ndriver (@Kenfreykj), Kenyana manam-pahaizana momba ny IT, dia nanontany tena ny tsy nisian'olona na dia iray aza kinga saina mba nanao hosoka:

Nilaza i Eja Nla (@Muntez_), Kenyana iray hafa mpitoraka bitsika, fa tsy tokony ho ara-dalàna ny tsy fahafahan'ireo mpianatra rehetra:

Ebenezer Flomo (@ebflomo), mpiara-nanangana ilay fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa manokana Help Encourage Liberia's Little Ones (@helpHELLO), nanamarika fa tsy manana boky ireo toeram-pianarana any Liberia:

Sekoly maro any Liberia no tsy ampy fitaovana fampianarana fototra ary maro ireo mpampianatra tsy dia mahay ny asany.

Manontany i Denis Eyong (@eyongdenis) izay mitoraka bitsika avy any Rosia:

“Ahoana no fomba hahasitranan'ny firenena potipotiky ny ady sivily?,” hoy i Tomoko Perez (@Tomoshiga) any New York nanontany:

Nizara teny avy aminà mpandraharaha iray ao amin'ny anjerimanontolo ny mpanao gazety Gambiana sady mafana fo amin'ny zon'olombelona, Sulayman Makalo (@MakaloMansa):

Nanamarika i Nuesity! (@Nues_Ibunos):

Nampitandrina ireo tanora mpiray tanindrazana aminy ilay mpitoraka bilaogy ao Ghana, Tenace Kwaku Setor (@kwakutii):

Nanoratra ilay Roande iray, katabarwa robert, mpitoraka bitsika (@Proud2bRwandan), izay nanohatra ity tamin'ny fahakelezan'ny fahalavorariana tany Tanzania tamin'ny taona lasa:

Mpianatra enina isaky ny mpianatra 10 izay nipetraka hanala fanadinana nasionaly “National Form Four examination” tany Tanzania no tsy afaka tamin'ny herintaona.

Mika Mäkeläinen (@Mikareport), vahiny mpanao gazety mpitatitra ny vaovao ao amin'ny Finnish Broadcasting Company, dia nampitandrina ireo izay te-hianatra any amin'ny Anjerimanontolon'i Liberia:

Nihanihany i Daniel McLaughlin (@DanielJMcLaugh) avy ao Angletera:

Miampanga ny rafi-pampianarana i A. K. Ohemeng-Boamah (@akobII) avy ao Ginea:

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.