Mianiana ny Filoha Vaovaon'i Paragoay

 Horacio Cartes [es], mpandraharaha sady mpitarika ny klioban'ny Libertad teo aloha no nianiana ho filoham-pirenena Paragoaiana teo imason'ireo  filohan'ny firenena vahiny sy ireo manam-pahefana iraisam-pirenena hafa, solontena teo aloha, ary eny fa na ireo tompona ekipa mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena mihitsy aza.

Namoaka ireo sarin'ny lanonana fianianan'ny filoham-pirenena nalain'ireo mpitoraka bilaogy sy mpankasary fanta-daza Tetsu Espósito [es] sy Elton Nuñez [es] ny photolog avy amin'ny tranonkalam-baovao Hoy.

Tsy mbola nanao politika mihitsy i Cartes. Raha ny marina dia tamin'ny  fifidianana farany tamin'ny 21 Aprily izy vao nampiasa voalohany ny zony hifidy. Tamin'io fifidianana io dia nahazo isa folo amboniny izy raha oharina amin'ilay hery faharoa ifandrimbonan'ny Antoko Liberal sy ireo antoko madinika hafa. Nahazo ny  45,83%-n'ny vato ny antokon'i Cartes, Antokon'ny Colorado-Fiombonana Repoblikana Nasionaly; 36,92% kosa ny an'ny Antoko Paraguay Alegre araka ny voka-pifidianana ôfisialy avy any amin'ny Fitsarana momba ny Fifidianana.

Mba hahatonga azy ho mpifaninana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena sy hanana fanantenana ny handresy na dia tsy manana trai-kefa ara-politika aza, dia nofidian'i Cartes ny iray amin'ireo antoko roa tranainy matanjaka sy manana mpikambana betsaka (1.989.416 araka ny firaketana any amin'ny Fitsarana momba ny Fifidianana).  Koa satria izy tsy mpikambana tao amin'ny antoko colorado, dia voatery novaina ny lalàna mifehy ilay antoko izay manery azy ho mpikambana farafaha-ratsiny mandritra ny 10 taona mialohan'ny hidirany ho mpilatsaka ho fidiana, ka nafohezina ho herintaona izany.

Foto compartida por la página oficial de Facebook de Horacio Cartes

Sary nozarain'ny pejy ofisialin'i Horacio Cartes ao amin'ny Facebook.

“Tsy mangataka faharetana amin'ny tanoran'ny fireneko aho fa fikomiana salama “

Izany no iray tamin'ireo fehezanteny naverimberina indrindra tao amin'ny Twitter tamin'ny kabary fanokafana ny governemanta vaovao. Laha-teny izay tena mandresy lahatra sady tsara rafitra ka nampametra-panontaniana ny amin'izay nanoratra azy, ary koa ny hoe novakiana io sa natao tsianjery, satria tsy nampiseo fahakingana mikabary loatra i Cartes nandritra ny fampielezan-kevitra. Mifanohitra amin'izay aza dia tsikaritra ny fahavotsany amin'ny fitenenana. Izao no nosoratan'i  Luis Bareiro (@LuisBareiro) [es] :

Vao voalohany hatramin'ny 20 taona naha-mpanao gazety ahy izao no nisy laha-teny nanaitra ahy nataonà filoha aminà fanokanana. — Luis Bareiro (@LuisBareiro)  15 Aogositra  2013

 Governemanta manana trai-kefa sady tsy colorados 

Mbola zava-mahagaga iray ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny governemanta nofidian'i Cartes. Raha ny mahazatra ho an'ny Filohan'ny colorado (Cartes no fanimpitony hatramin'ny nianjeran'ny jadon'i Alfredo Strossner) dia ireo mpikambana ao amin'ny antokony sy mpanao politika miaraka aminy ihany no tendreny ho mpikambana ao amin'ny governemanta. Na dia izany aza, ireo lehilahy sy vehivavy tsy mbola nanana tantara tamin'ny politika fa fantatra eo amin'ny asany manokana na amin'ny trai-kefa nananany no nofidian'i Cartes. Ato no ahitana ny lisitra fenon'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta vaovao.

Somary sosotra ihany ny antoko nisy azy nandray izany, ka dia nihorakoraka mihitsy aza ireo mpikambana ao amin'ny colorado nandritra ny fianianana nataon'ireo minisitra avy amin'ny antoko hafa, toy ny niseho tamin'ny Minisitry ny Ati-tany vaovao, Francisco de Vargas.

Ireo Fanantenana Vaovao

Tena nampientana ny Paragoaiana ny momba ny governemanta vaovao, tsikaritra izany ao amin'ny Facebook sy Twitter. Ampiasain'ny Paragoaiana maro ny tenifototra hoe  #UnNuevoRumbo (Làlam-baovao) izay natolotry ny ekipam-pifandraisana vaovaon'ny filoha ao amin'ny Facebook [es], izay misy ifandraisany amin'ny teny fanevany tamin'ny fampielezan-kevitra #traspasodemandopy.

 16 androany… efa lasa ny 15.. fanantenana vaovao .. #UnnuevoRumbo.. Matoky anao aho  @Horacio_Cartes …..

Manganohano ny masoko mijery ny Filoha Voafidy  Mr. @Horacio_Cartes manao fianianana!!  Matoky anao ny firenena iray manontolo!! #UnnuevoRumbo

Tokantrano an'asa, fianakaviana salama, tanora mahazo fampianarana, firenena manana ny ho aviny miaraka amin'i  @Horacio_Cartes #Paraguay #UnNuevoRumbo

Nisy vondronà mpanohitra nivory tao amin'ilay lanonana ka naka ny endrik'i Federico Franco (filoha nandritra ny sivy volana taorian'ny  fianjeran'i  Fernando Lugo) sy ny vadiny, izay nitondra sora-baventy sy sary lehibe izay milaza azy hoe : mpanongam-panjakana sy mpangalatra.

Nifarana niaraka tamin'io lanonana io ny sakatsakana ara-politika sy ara-diplomatika izay niainan'i Paragoay tamin'ny 22 Jona 2012 miaraka amin'ny fiampangana izay nampiongana ny eveka Fernando Lugo sy fampiatoana ny firenena tsy ho mpikambana ao amin'ny  Mercosur.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.