Profesora Shinoa Naato Tamin'ny Fampianarana Lalampanorenana

Misy mpampianatra lalàna iray naato tao Shina noho ny fomba fampianarany sy ny fandrafetany lahatsoratra momba ny lalampanorenana.

Tamin'ny Jona 2013 ny profesora Zhang Xuezhong avy ao amin'ny Oniversiten'ny Politika sy ny Lalàna Shina Atsinanana ao Shanghai no namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ny fiandohana sy ny loza mety ateraky ny fanentanana 2013 manitsakitsaka ny Lalampanorenana” (《2013反宪政逆流的根源及危险》). Tamin'ny 17 Aogositra, nahazo filazana avy amin'ny oniversite i Zhang fa nosintonina ny fahazoany mampianatra an-tsekoly. Ny komitin'ny antoko komonista ao amin'ny oniversite no nanao ny fanapaha-kevitra, araka ny China Change, tranonkala mpandala ny zon'olombelona.

“Nataon'ny oniversite mazava tamiko fa manitsakitsaka ny Lalampanorenan'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina ny lahatsoratra, sady mandika ihany koa fitsipi-pitondratenan'ny mpampianatra,” Hoy ny fanazavan'i Zhang tamin'ny alalan'ny fanambarana nataony tao amin'ny kaonty WeChat.

Professor Zhong Xuezhong (Pic from Sina Weibo)

Ny Profesora Zhong Xuezhong. Sarin'ny Sina Weibo

Nisedra sivana mavaivay ny gazety Shinoa Southern Weekend tamin'ny fiandohan'ity taona ity rehefa niantso ny hampanjakana ny lalampanorenana ao Shina.

Liberaly malaza ao Shina i Zhang Xuezhong. Naato vonjimaika izy tamin'ny Septambra 2012 noho ny fanoherany ny fanatanterahana ny taranjan'ny “fanabeazam-pirenena” any amin'ny sekolin'i Hong Kong. Tamin'ny Mey 2013, raha namoaka torolalana amin'ny rafi-panabeazana handrara [mg] ny fampianarana ny lohahevitra manahirana fito ny Antoko Komonista Shinoa, dia iray amin'ireo profesora fito namoaka voalohany ny resaka tao amin'ny sehatra famahanam-bolongana bitika shinoa malaza i Zhang. Ny politikan'ny “Tsy Filaza Fito” dia mandrara ny fiadian-kevitra amin'ny resaka “ny soatoavina manerantany, fiarahamonim-pirenena, zon'olompirenena, fahaleovantenan'ny fitsarana, fahalalahan'ny fanaovan-gazety, ny fahadisoana vitan'ny antoko komonista taloha ary ny saranga kapitalista iangarana manokana” any amin'ny oniversite. Nofafana nanomboka hatreo ny kaonty Weibo an'i Zhang.

Tamin'ny Marsa 2013 i Zhang namoaka boky mitondra ny lohateny hoe [zh] “Ny Hevitry ny Maro Vaovao—Ny Natiora sy ny Fiantraikan'ny Fitondran'Antoko Tokana.”

Maro amin'ny mpisera Weibo no naneho ny fanohanany an'i Zhang tamin'ny fomba fampianarany ny Lalampanorenana, ka tsy ela dia maro ny fanehoa-kevitra voafafa.

Nanoratra [zh] ny mpisolovava Zhang Quan :

实行人民约法、宪法限政是必要的,这是人类社会发展方向。只有天赋人权,不存在天赋党权。权力没有限制,迟早会出问题。但宪政的方式、进程可以商讨。

Ilaina ny mametraka lalampanorenana hamerana ny fahefan'ny governemanta, izay mitarika ny fandrosoan'ny fiarahamonin'olombelona. Eny ifotony io dia miresaka ny zon'olombelona fa tsy zon'antoko. Rehefa tsy voafetra ny fahefana dia hisy hatrany ny olana na ho ela na ho haingana. Saingy azo iadian-kevitra ny lalana sy ny fomba hametrahana ny lalampanorenana.

 Nitsikera [zh] ny mpisera “Lixing Zheren” :

大学拒绝思想自由、学术自由的精神,意味着一个民族在拒绝文明。但我不客气的说,从张雪忠老师的遭遇和风范中,我们也看到了中国知识分子为利逐言的懦弱。一个学校成千上万名教师和学生,竟然只有一个人如同中世纪的伽利略在抗争!这不是时代和民族的悲哀?

Ny fandavan'ny oniversite ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalaha-tsaina akademika dia midika fa mitsipaka sivilizasiona ny firenena iray. Afa-miteny mivantana aho raha jerena ny manjò ny profesora Zhang Xuezhong fa nampiseho ny hakanosàny ny manampahaizana Shinoa satria ao amin'ny sekoly ahitana mpampianatra sy mpianatra an'arivony dia iray monja ny olona mitolona tahaka an'i Galileo fony tamin'ny vanim-potoana Antenantenany! Tsy izany ve ny voinan'ny firenena sy ny vanim-potoana?

Nampiàko [zh] ihany koa izany fahatsapana izany ny mpisera “Wang Dongcheng”:

对于大学教师来说,“独立之思想,自由之精神”就是师德。张雪忠的言行,说明他有良好的师德。现下的高校讲台上发清声者本来就不多,因此就愈显张雪忠之宝贵。

Ho an'ny mpampianatra oniversite, ny fitsipi-pitondratena [etika] dia ny “Fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalaham-panahy”. Ny teny sy ny asan'i Zhang Xuezhong no naneho fa nanaraka ny etika izy. Amin'ny fotoana tsy dia maro ny mpampianatra oniversite mampiseho ny tena heviny dia manana ny lanjany manokana i Zhang Xuezhong.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.