Manao Fihetsiketsehana Ho Fiarovana Ny Valan-Javaboarim-Pirenena Yasuni i Ekoatera

*Mankany amin'ny pejy miteny Espaniola avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy ny fanamarihana hafa.

Olona an-jatony tao amin'ny tanàna maro ao Ekoatera no nihetsika mba hiaro ny Valan-javaboarim-pirenena Yasuni, mitaky ny hitehirizana ny tahirin-tsolika ao ambanin'ny tany.

Nipoaka ny fihetsiketsehana taorian'ny fanapahan-kevitry ny Filoha Rafael Correa tamin'ny 15 Aogositra hamarana ny tetikasa ITT Yasuni , tetikasa niantsoana ireo firenena matanjaka handray anjara ara-toekarena mba tsy hikitihana ny tahirin-javaboary ao Yasuni. Nampanantena “fitrandrahana tompon'andraikitra” amin'ny ampahafolon'ny iray isan-jato monja ao Yasuni i Correa.

Na dia izany aza, tsy naharesy lahatra ny Ekoateriana rehetra ny fampanantenan'ny governemanta, ka maro ireo nidina an-dalambe sy nampiasa ny tambajotra sosialy ho fiarovana an'i Yasuni.

Nanipika ilay mpanakanto Ekoateriana Fausto Miño (@faustominoz), izay miara-miasa amin'ny fandraisana an-tanana ITT Yasuni fa tsy nisy mpanakanto nandray anjara tamin'ny hetsika fampiroboroboana ny tetikasa nanao izany ho fahazoam-bola manokana.

Tiako hazava amin'ny Ekoateriana fa tsy misy mpanakanto nomena vola hiaro ny #Yasuni. Tombontsoa niraisantsika io ka very izany ankehitriny, tapitra ny tantara.

Conectados Loja (@ConectadosLoja) namoaka sarinà vondrona teratany vazimba namonjy ny fihetsiketsehana ho fiarovana an'i Yasuni.

Nampiaka-peo hanohitra ny fitrandrahana an'i #Yasuní ny Vondrona teratany vazimba tahaka ny FEUNASSC [Federasiona nasionaly Miaro ny Sosialin'ny Tambanivohitra]

Avy tao Cuenca, nanambara fiaretan-tory ny onjam-peo @ondasazuayas tamin'ny 21 Aogositra:

#notoquenelyasuni : ho fanohanana an'i Yasuni: androany 21 Aogositra, misy ny fiaretan-tory amin'ny 6:00 hariva ao amin'ny Zaridaina Calderón, Cuenca

Nanambara i Carolina Iza ♥ JH (@CaritoIza) fa niaro an'i Yasuni ihany koa i Guayaquil.

Mifoka rivotra avy amin'i Amazona ihany koa izahay eto Guayaquil. #notoquenelyasuni pic.twitter.com/XXpJLLIBtS

Nature lover Majito Lasso (@majitolasso) namoaka sary tamin'ny fiaretan-tory tao Quito:

Kianjan'ny fahaleovantena! Fiaretan-tory ho an'i Yasuni! Na dia eo aza ireo fandrahonana, eto ny vahoaka!

Mpamokatra horonantsarimihetsika Michel Kammoun (@MichelKammoun) nizara ny sarin'ireo polisy manampahefana nametraka sakan-dalalna hanakanana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hiditra ao amin'ny kianjan'ny Fahaleovantena tamin'ny 27 Aogositra.

Nametraka sakan-dalana ny polisy mba hanakanana ireo olona tsy hiditra ao amin'ny kianjan'ny tanàna #marcha #notoquenelyasuni @ECTV_Noticias @elcomerciocom

Farany, mpanao dokambarotra Marcos Torres (@MarcosT182) nanoratra hoe:

Raha manatontosa fitsapa-kevi-bahoaka momba ny #notoquenelyasuni #ITT izy ireo, dia hifidy ny tsy hikitihana ny solika ao ambanin'ny tany aho. Tsotra izany, na inona na inona mety ho lazain'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.