“Tsy Hiantso Ny Angady Hoe Angady” Ny Media Jamaikana

Matetika dia mitsikera ny media tranainy ao amin'ny faritra sy ny fomba handrakofany ireo tantara goavana indraindray ireo mpitraka bilaogy ao Karaiba.

Ireo tatitra farany nanintona ny hatezeran'ny bilaogy Jamaikana Active Voice dia ity tatitra mikasika zazavavy iray maty sy iray naratra mafy ity, izay samy niharam-boina noho ny loza nateraky ny lakana haingam-pandeha. Mamerina ny zavatra voasoratra tao anatin'ilay lahatsoratra ny mpitoraka bilaogy Annie Paul ary mitsikera:

Nivadika tampoka ho nofy ratsy ho ana raim-pianakafiana 28 taona manan-janaka roa ny fitsangatsanganana fialan-tsasatra tany amin'ny morontsirak'i St Ann rehefa nisy lakana haingam-pandeha niala ny rano ka nifatratra tany amin'ireo zanany, namono ny iray ary namela ny iray hafa hiady amin'ny fahafatesana.

Maty noho ny ratra mahafaty nasetrin'ilay lakana haingam-pandeha taminy i Tonoya, zanakavavin'i Richard Hyman izay 6 taona, raha omaly, mbola niady tamin'ny fahafatesana ny zandriny vavy 4 taona, Remonique.

Endrika hahafantarana manokana ny fitaterana mampihomehy raisina ho fanaovan-gazety any Jamaika ny trangan-tantara toy itony. Mifantoka tanteraka amin'ireo niharam-boina izany ary tsy milaza na inona na inona mikasika ilay nahavanon-doza. Ohatrany milaza aza izy hoe nisy lakana haingam-pandeha tsy vanin-kolona nivoaka tanaty rano ka nikapoka ity fianakaviana ity. Tsy mandeha ho azy ny lakana haingam-pandeha. Teneno anay hoe iza no nitondra izany ary morontsiraka taiza marina no nitrangan'ity ‘loza’ ity. Tahaka ny mahazatra dia liana kokoa amin'ny fiarovana ny anarana sy ny voninahitr'ireo mpanarivo (ny tompon'ilay lakana haingam-pandeha, ny mpitondra azy, ary ilay morontsiraka voakasika) ny media Jamaikana. Tsy misy hatezerana noho io fahafatesana tsisy antony io voafaritra eto amin'ity tantara ity. Rikoriko aho.

Manonona ny fomba fijerin'ilay mpanoratra Jamaikana fanta-daza Marlon James ihany koa izy, izay nanoratra tao anaty Facebook:

Hay mitady ohatranà fanaovan-gazety mavo ianao. Aza mikaroka lavitra intsony. Ahoana no hitateranao trangana famonoana olona tsy nahy raha tsy mitana olona mpanarivo, manana fahefana na avy any ivelany ho tompon-andraikitra? Apetrakao amin'ny toeran'ny tantara Mampihoron-koditr'i Stephen King (ambany talenta) izay ahitana lakana haingam-pandeha tsy vanin-kolona izay nahetsiky ny fanahy ratsy tampoka ka nisosososo fotsiny tamin'izao tany amina fianakaviana tsy nanampoa na inona na inona, ary nahafaty zaza iray. Iza no nitondra azy? Morontsiraka taiza? Iza no tompon'ilay lakana haingam-pandeha? Olon-tokana sa fikambanana? Izany no atao hoe fanaovan-gazety, ry Gleaner. Natao hanome ny vaovao ho anay ianareo, fa tsy hiaro ny tombontsoan'ny voninahitry ny olona iray izay mety hovoahoso-potaka noho ny namonoany nahafaty ankizy.

Manamarika i Paul fa tsy any amina gazety iray ihay no ahitana tatitra “mampiahiahy” – manonona ohatra iray vao haingana avy amina gazety iray hafa mpivoaka isanandro izy:

Tsy ny Gleaner irery ihany no ahitana izany. Andro vitsy lasa izay, raha nitatitra ireo fihenjanana tany Kingston Andrefana ny Observer dia nilaza ity tatitra raitra fialana olana, na fiarovan-tena ity:

‘Manombatombana ny Mpitandro filaminana fa hatramin'ny fandefasana an'i Christopher Coke any ivelany, dia voataritarika anatina fiadiam-pahefana mihoso-drà ireo ireo olon-tsotra nilaza fa manana fifandraisana amina fianakaviana malaza izay nitonon-tena ho mpitarika ny vondrom-piarahamonina hatramin'ny taon-jato faha-19 ka hatramin'ny 2010, sy ireo hafa milaza ho fianakavian'ilay mponina fanta-daza iray efa nodimandry, izay nitonon-tena ho ‘Don’, ary voalaza fa mpitarika ny vondrom-piarahamonina tamin'ny taona 1980, hoy ny fanambaran'ny mpitandro filaminana ny Alatsinainy.

Manontany izy:

Tsy manana anarana angaha ireo fianakaviana sy Dons ireo? Izany ve no atao hoe fitateram-baovao amin'ny taon-jato faha-21? Inona ny olana? Maninona no toa sarotra be ny milaza tsotra fa ireo taranak'i Claudie Massop, ilay Don izay nitantana ny Tivoli Gardens taloha sy ireo an'i Christopher ‘Dudus’ Coke, dia tafalatsaka anatina fiadiam-pahefana mahafaty?

Izany indrindra no ilaintsika rehefa tsikaritra toa mihidina ny lazan'ny firenentsika…media izay tsy hiantso ny angady hoe angady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.