Navoaka Ny Fonja i Amina, Mafana Fo Toniziana Ao Amin'ny FEMEN

Ny 01 Aogositra, namoaka didy famotsorana an'i Amina Sboui, mafana fo ao amin'ny FEMEN ny fitsarana Toniziana, nosamborina tamin'ny tapaky ny volana May taorian'ny nanoratany ny teny hoe FEMEN teo amin'ny rindrin'ny fasana iray tao Kairouan, tao afovoan'i Tonizia. Ny 30  May, voapanga handoa honitra noho ny fananana baomba mandatsa-dranomaso ‘tsy nahazoana alàlana’ izy. Na dia izany aza anefa, mbola voatazona am-ponja ihany izy noho ireo heloka hafa niapangàna azy, isan'izany ny  “maha-mpikambana azy ao aminà fikambanana mpanao heloka be vava” [FEMEN] ary “fandotoana ny fisainam-bahoaka ”. Navotsotra ireo heloka roa ireo. Na dia teo aza ny fandavàna ilay raharaha fanalam-baraka niapangana ilay mafana fo vao 19 taona monja ny 29 Jolay, dia mbola misy ihany ny fiapangana an'i Amina tamin'ilay “fanevatevana fasana”.

Nivoaka ny fonja ihany ny farany. Kanefa, tsy afa-po izahay raha tsy foana daholo ireo fiampangàna azy rehetra.

Photo of Amina as she walks free. She was released on Thursday afternoon. Photo via Tunisian Girl Facebook page

Sarin'i Amina raha iny izy nahazo fahafahana iny. Navoaka ny Alakamisy atoandro izy. Sary avy amin'ny pejy Facebook Tunisian Girl

Raha niely be ny vaovao mikasika ny famotsorana an'i Amina, Toniziana  maro dia maro mpampiasa Twitter no nahatsiaro an'i Jabeur Mejri, izay voapanga higadra fito taona sy tapany an-tranomaizina noho ny famoahany sarimiaina ahitàna ilay Mpaminany Muhammad.

Afaka i #Amina. Anjaran'ny #FreeJabeur indray izao! Aoka tsy ho adinontsika izy.

Afaka i Amina. Tsy handà ny famotsorana azy izahay, nefa mbola mitohy ny ady itakiana ny fahafahana haneho hevitra sy ny fahatongavan-tsaina. #freejabeur

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.