Any Costa Rica, Mampihaona Ny Teknolojia Sy Ny Fanaovan-gazety Ny Vehivavy

categorie: events

Ity lahatsoratra ity, izay nosoratan'i Mariana Santos sy Elisa Tinsley, dia navoaka voalohany indrindra tao amin'ny vohikalan'ny Tambajotra Iraisam-pirenenan'ny Mpanao Gazety (IJNet). Tohin'ireo lahatsoratray teo aloha momba ny Chicas Poderosas sy i Mariana, ilay mpamorona azy, ity lahatsoratra ity. 

Tsy tokony hatahotra hizara ny fahalalany na ny tsy fahombiazany ny vehivavy izay te-hivoatra amin'ny fampihaonana ny media sy ny teknolojia, satria ny zavatra nianarany nandritra ny làlana nizorany no zava-dehibe indrindra, hoy i Hassel Fallas Lopez, mpanao gazety mpanangona ao amin'ny Gazety La Nación ao Costa Rica.

Fallas spoke during the inaugural meeting of Chicas Poderosas, the first group dedicated to increasing the number of women in Latin America who work with technology in media. She also advised attendees to bring all of their passion to their work because that is what will transform it into something that has an impact.

Nandray fitenenana i Fallas nandritra ny fihaonana fankalazana ny Chicas Poderosas, vondrona voalohany natokana hampiakarana ny isan'ireo vehivavy any Amerika Latina miasa miaraka amin'ny teknolojia anatin'ny media. Nanome sosokevitra an'ireo mpanatrika ihany koa izy ny mba hitiavany ny asany satria izany no hamadika azy ho zavatra hisy akony.

Izany indrindra no nokatsahinay hatao tamin'ny fanombohana ny Chicas Poderosas, nefa rehefa nikarakara ilay atrikasa izahay, dia nieritreritra, “Hahafoy fotoana ho ana atrikasa goavana mandritra ny telo andro ifantohana amin'ny fikarohana, fanadihadiana ary fijerena angona ve ireo mpanao gazety, mpanao sary sy mpiandraikitra ny fampiroboroboana izay angatahina hiasa isanandro amin'ny fanaovan-gazetiny?”

chicas_poderosas_picThe answer: absolutely. Ny valiny: eny tokoa. Maherin'ny 80 ireo mpanao gazety avy any amin'ireo fikambanana fanaovan-gazety maro ao Costa Rica no nanatrika io andiany io tany amin'ny efitranoben'ny gazety La Nación ao San Jose. Tokony tonga saina tamin'izany isika satria noho ireo zavatra rehetra eto amin'ity firenena tropikaly ity, miaina “pura vida” (maka fiainana milamina) ny olona. Mijery ny lafi-tsara izy ireo ary tsy maka lagy.

Anivon'ireo mahafinaritra ambonin'ny mahafinaritra rehetra: Giannina Segnini, lohan'ny ekipa mpanadihady sy mpanao gazety mpanangona ao amin'ny La Nación, izay nanampy manokana ny fampitomboana ny isan'ireo vehivavy miasa miaraka amin'ny teknolojia any anatin'ireo efitrano fitateram-baovao. Ho an'ilay hetsika Chicas Poderosas, nanaparitaka ny hafatra tamin'ny tambajotran'i Costa Rica (Tica) rehetra izy. Tanatin'ny iray herinandro monja, maherin'ny 100 ireo olona nisoratra anarana ho ao amin'ny vondron'ny Chicas Poderosas.

Avy any amin'ireo orinasa mpanonta, radio, fahitalavitra, IT ary fifandraisana izy ireo, ary nandany telo andro maninjitra. Ny sasany nijanona ela taorian'ny fiafarana ofisialin'ny fandaharam-potoana. Isan'izy ireo: Amelia Rueda, mpanadihady avy any amin'ny mpanohitra sady mpanao gazety mikasika ny tontolo iainana, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe “Oprah Tica” ao an-toerana.

Ireo fanolorana natao amin'ny andro voalohany avy amin'ireo mpitarika ao amin'ny Chicas Poderosas – Segnini, izahay roa, i Nicola Hughes, “data-viz-gurus” avy ao amin'ny The Times ao Londra, ary i Irene Ros avy ao amin'ny Bocoup – dia natao hampisehoana ny fahafahan'ireo mpanao gazety mampiasa ireo rindrambaiko mba hahitana sy hiasana miaraka amin'ny angona. Samy nampiseho ny fahafahana mampiasa ny teknolojia vaovao – miainga amin'ny JavaScript sy ny HTML ka mankany amin'ny Open Refine sy ireo Google Fusion Tables – mba hahitana sy hanadihadiana ny angona ny tsirairay.

Ireo andro roa manaraka kosa dia nandraisan'ireo mpanatrika anjara. Namorona ekipa ireo mpanatrika, na lahy na vavy, niombon-tsaina; ary namorona endrika vohikala fifanakalozana, ahitana sary miaina sady ahitana ny UX mba hizaran'izy ireo ny vokatry ny fandinihany an'ireo vondrona rakitra samihafa, manome fahazoana lalina kokoa ny angona avy any am-potony sy ny lazain'ny angona antsika mikasika ny fiainantsika. Maro tamin'ireo mpandray anjara no mikasa ny hanohy hiasa miaraka amin'ny angona azony ary hamoaka ny vokatr'ireo asany tamin'io fizarana io.

Nifantoka tamin'ireo traikefa telo ireo ilay atrikasa voalohan'ny Chicas Poderosas, izay samy manan-danja goavana ho an'ny tetikasa rehetra mifototra amin'ny angona: ahoana ny fomba hiasana anatina ekipa manana fifampifehezana samy hafa; ahoana ny hahazoana angona avy amin'ny Aterineto sy ny famadihana ireo vondrona angona lehibe ho fitantarana an-tsary.

Any Shily, izay nampahafantaranay voalohany ny hevitra nandritra ny fihaonan'ny Hacks/Hackers tany Santiago tamin'ny Mey niaraka tamin'ny “ICFJ Knight Fellow” Miguel Paz, nisondrotra 30 isanjato ny taha-mpisoratana anarana ho mpikambana nandritra io hetsika io. Ary nisondrotra 150 isanjato ny isan'ny vehivavy mpikambana nandritra io hetsika io. Nangataka an'i Santos hiverina hitarika atrikasa feno tahaka ny tany Costa Rica ireo mpandray anjara.

Any Meksika, herinandro talohan'ny fanombohana ofisialy ny Chicas, nanolotra ilay hevitra tanatinà fivoriana mikasika ny dizitaly sy ny fiarovana ao anaty aterineto, notarihan'ny “ICFJ Knight Fellow” Jorge Luis Sierra izahay. Maro tamin'ireo mpandray anjara tamin'io fivoriana io no mpikambana ao amin'ny Periodistas de a Pie, tambajotra iray an'ireo vehivavy mpanao gazety manerana an'i Meksika. Mitaky ny hetsika ho azy manokana ihany koa izy ireo.

Mikarakara hetsika any Buenos Aires, Rio, Bolivia, izahay ary hatao amin'ity 2013 ity izany.

Nanokatra saina ny Chicas Poderosas. Nampahery ireo vehivavy izy amin'ny fanampiany azy ireo hijery ny fampivoaran'ny teknolojia ny asany. Ary indrindra, nampivondrona azy ireo hamokatra zavatra izay mari-pototra kokoa izany.

Mariana Santos dia mpitantara an-tsary ary mpamorona ny Chicas Poderosas, izay velariny amin'ny maha-“Knight International Journalism Fellow” azyElisa Tinsley dia talen'ny ICFJ Knight International Journalism Fellowships. Sary an'i Margaret Looney.

Afaka mijery bebe kokoa ny mikasika ny Chicas Poderosas ianao ao amin'ny vohikalany, Facebook, ary ao amin'ny Twitter @poderosaschicas.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.