Nandresy Ho Filoha Indray i Robert Mugabe Na Lazaina Ho Nisy Hala-bato Aza

Nibata ny fandresena tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tao Zimbabwe ny Filoha Robert Mugabe tamin'ny Asabotsy 31 Jolay 2013, nandresy izy nanoloana ilay mpifanandrina aminy akaiky, Morgan Tsvangirai, praiminisitra teo aloha nandritra ny governemanta niaraha-nitantana.

Ity no fifidianana milamina voalohany hatramin'ny nitsanganan'ny governemanta niaraha-nitantana teo amin'ny antokon'i Mugabe, Zanu PF sy ny antokon'i Tsvangirai, Antoko ho amin'ny Fanovana Demokratika (MDC). Natsangana ny fitondrana niaraha-mitantana taorian'ilay fifidianana nihoso-drà sy nampifamaly tamin'ny taona 2008.

Hanohy hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka indray i Mugabe, 89 taona sy efa teo amin'ny fitondrana nandritra ny 33 taona. Nanaiky ny fandresen'i Mugabe ireo mpanara-maso ny fifidianana avy ao amin'ny Vondrona Afrikanina (UA) sy ny Vondrona ho amin'ny Fampandrosoana ny Atsimon'i Afrika (SADC) na dia teo aza ny fanambarana avy amin'ny mpanohitra fa feno hosoka goavana ny fifidianana.

Na dia izany aza, Botswana no hany firenena Afrikanina tokana nitaky ny hanaovana fanamarinana mahaleotena ny vali-pifidianana. Nisy tamin'ireo mpikambana ao amin'ny SADC no nanasokajy ny fankatòavany tamin'ny alalan'ny fanambarana fa malalaka “fa tsy voatery ho marina” ny fifidianana.

President Robert Mugabe is the second oldest presidential candidate in Africa. Photo released to the public domain by the U.S. federal government.

Ny Filoha Robert Mugabe no filoha zoky olona indrindra ao Afrika. Sary avy amin'ny Governemanta Federaly Amerikana,  azo ampiasain'ny daholobe.

Tontosa ihany fifidianana na dia teo aza ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpiara-mitantana amin'i Mugabe sy ny olom-pirenena Zimbabweana taorian'ny fanambarany samy irery fa hanatanteraka fifidianana ny firenena ny datin'ny 31 Jolay 2013. Namela an'i Robert Mugabe hanatontosa fifidianana tamin'ny 31 Jolay ny Fitsarana momba ny Lalampanorenana  rehefa neken'i Jealousy Mawarire, talen'ny Foibem-pifidianana sy ny Demokrasia ao Atsimon'i Afrika (CEDSA) ny fangatahana.

Nampiasaina ny teny ifankafantarana #ZimElections, #ZimbabweDecides, #ZimDecides ary ny #ZimbabweElections, nanehoan'ireo mpisera Twitter avy amin'ny faritra samihafa manerantany hevitra momba ny fandresen'i Mugabe .

Zambiana monina ao Angletera sy mpanorina ny Radio CrossFire, Mueti Moomba (@Muwmeight) nanontany ireo izay nifidy an'ity filoha 89 taona, antitra indrindra ity:

Alohan'ny hatoriako, miantso ireo #zimbabwean rehetra aho, iza amin'ireo salama saina aminareo no nifidy lehilahy eo am-baravaran'ny fahafatesana? ka ny zimbabweana no manapa-kevitra ry tongotro ô!

Mpandraharaha ara-tsosialy Zimbabweana, Sir Nigel (@SirNige) tsy very fanantenana:

Nampahatsiahivina ahy indray fa misy ny zavatra azoko/azontsika atao aorian'ny #ZimElections (fifidianana ao Zimbabwe), dia ny mandray anjara ao amin'ny fizotran'izany manomboka izao # 263Chat #Twimbos

Andiva (@AndyAndiva) avy ao Kenya nanome tsiny ny mpanohitra MDC ho nandray anjara amin'ny fifidianana feno hosoka:

Naninona ny MDC no nandray anjara tamin'ny fifidianana nefa mahafantatra tsara hatramin'ny voalohany fa feno hosoka izany? # Zimbabwedecides

Mpanoratra Afrikanina tatsimo sady mpanolo-kevitra momba ny marika [vokatra na orinasa] Thebe Ikafaleng (@ThebeIkafaleng) nilaza momba an'i Tendai Biti, Sekretera Jeneralin'ny MDC, fa mivazivazy tamin'ireo izay nilaza fa tsy mampiraika ny mpanohitra ny fisian'ireo olona roa tapitrisa ao amin'ny lisi-pifidianana:

     “Manaiky izy ireo fa misy olona roa tapitrisa efa maty voasoratra ao amin'ny lisi-pifidianana, saingy satria efa maty izy ireo, ka tsy afaka mifidy intsony.” Tendai Biti. # ZimbabweDecides.

Zim Elections (@ZimElections) nampiseho ny maha-olana goavana ireo mpifidy efa maty:

Olona efa maty ny 75% tamin'ireo karatra 59 hita teny amin'ny biraom-pifidianana ao an-tanàndehiben'i Chegutu nanomboka tamin'ny Alarobia herinandro lasa teo. #ZimElections

rakim allah (@LDaviano) naneho hevitra mikasika ity olana “mpifidy efa maty” ity:

Mandratra fo ny mahita fa maro kokoa ny olona maty nifidy noho ny olona velona #zimelections

Al Jazeera's Azad Essa (@azadessa) nitsikera ny fijerin'ny Vondrona Afrikanina ny fifidianana:

9700 no isan'ireo birao fandatsaham-bato. 350 no notsidihan'ny Vondrona Afrikanina. Isa ampy azo ekena hitondrana fitsarana ve izany? #zimelections

Mpanao gazety mpanao fanadihadiana sady mpaka sary, Stanley Kwenda (@stanleykwanda) nanamarika fa mety nampatahotra ireo mpifidy tsy mahay mamaky sy manoratra ny fahitàna ireo polisy:

Mety mampatahotra ireo mpifidy tsy mahay mamaky sy manoratra ny fanatrehan'ireo polisy sy manampahefana nanampy azy ireo nandritra ny fifidianana #Zimbabwedecides

Mpandraharaha Afrikanina Tatsimo Another_craig (@Another_craig) nisioka ilay vaovao momba ilay miaramila 135 taona “nandatsa-bato” tamin'ny fifidianana:

Toa hoe, miaramila efa antitra 135 taona tena nifidy nandritra ny #Zimelections tamin'ny herinandro lasa. Izany no tombotsoa amin'ny fahazarana miasa.

Namaly an'i @Another_craig, mpandraharaha Afrikanina Tatsimo i Sello Rabele (@sellorabs) ary nanoratra fa te-ho miaramila izy rehefa lehibe:

@Another_craig @chrishartZA #Zimelections te ho lasa miaramila aho rehefa lehibe, maherin'ny 130 taona, izany no izy

Tsy nahagaga an'i Arnold chamunogwa (@chamunogwa) intsony fa hala-bato ataon'ny antokon'ny fitondrana. Gaga tamin'ny zavatra hafa izy:

Tsy mahagaga intsony raha nangala-bato ny ZPF saingy mahavariana kosa raha gaga amin'ny hagoavan'ny hoso-pifidianana ny MDC #Zimelections #Zimbabwedecides

Akuzike Polela (@Mulengi) avy ao Zambia nanamarika fa manana namana Afrikanina iray i Morgan Tsvangirai:

Naniva-pitenenana i Botswana nandritra ny fifidianana Zimbabweana. Mana-namana Afrikanina IRAY i Morgan hatreto.

Zimbabwean Kudzai (@shuestrait) te hahita ireo Zimbabweana monina ao amin'ny firenena misafidy izay tsara ho an'ny fireneny:

Ny Zimbos [Zimbabweana] ihany no mahafantatra izay tsara ho an'ny Zimbabweana .. Mponina Zimbabweana fa tsy ny olona am-pielezana na sekreteram-panjakana sasany avy any Etazonia na Angletera .. # ZimDecides

Kenyan David Ogara (@david_ogara) nanao fehi-teny somary masiaka momba ny fifidianana ao Afrika:

 MUGABE 89 taona no filoha voafidy tao Zimbabwe ….. tsy misy dikany ny fifidianana filoham-pirenena ao Afrika ……

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.