Mandoro Trano sy Fiara ao Awwamiya Ny Mpitandro ny Filaminana Saodiana

Nidaroka ny tanàna ambanivohitr'i Awwamiya ao Qatif androany [30 Jolay] ny vondrona mitam-piadiana mitandro ny filaminana hisamborana an'i Abbas Al-Mazraa. Hita ao amin'ny lisitry ny olona 23 tadiavina navoakan'ny governemanta noho ny fandraisany anjara tamin'ny fihetsiketseha-panoherana namafa an'i Qatif tamin'ny fanombohan'ny lazaina ho lohataona arabo tamin'ny 2011 i Al-Mazraa. Nanomboka hatramin'ny 5:45maraina ka hatramin'ny 2 ora tolakandro ny fanafihana.

Nodarohan'ny vondro-kery mitam-piadiana ny tranon'i Al-Mazraa izay tratran'ny tifi-basy mirarakompana izay nanombohan'ny afo nandoro ny trano sy ireo fiara manodidina azy.
Nahasimbana ihany koa ny tranon'ny manodidina sasany. Araka ny nolazain'ny mpisera Twitter, dia nilazana mialoha tsy hamono ny afo tao anatin'ny ora roa ny mpamonjy voina [mpamono afo].

Ity lahatsary, nakarina tao amin'ny YouTube, ity no mampiseho ny fahasimbana taorian'ny fanafihana:

Niara-nosamborina tamin'i Abbas Al-Mazraa ny enina amin'ny rahalahiny.

Nizara ity sioka ity ny Dr Reema [ar]:

Nodoran-dry zareo ny tranony sy ny fiarany, loharanom-bolany, ary namatotra ny rahalahiny ary nisambotra an'i Abbas Al-Mazraa

Voatatitra ihany koa fa ny renin'i Al-Mazraa, mbamin'ny nenitoany sy ny anabaviny dia nentina tany amin'ny komisariàn'ny polisy ao Awwamiya ihany koa izay nitazonana azy ireo vetivety fa navotsotra avy eo.

Tsy vao sambany ny vondrona mitam-piadiana mitandro ny filaminana ireto no manafika tsy mandoro trano araka izay tiany tahaka izao. Namono an'i Ali Al-Mahrous sy Morsi Al-Rebh ao Qatif izy ireo tamin'ny volana lasa teo.

Nanambara tamin'ny sampana mpanangom-baovao tantanin'ny fanjakana SPA [ar] ny mpitondratenin'ny minisiteran'ny atitany fa voampanga ho manao trafikan-drongony i Abbas Al-Mazraa sy ny lehilahy valo hafa ka izany no nisamborana azy ireo.

Noampangaina ho manakorontana sy mitarika rotaka, ankoatra ny vesatra hafa ireo olona 23 tadiavina ireo ka nantsoina hitolo-batana ho any amin'ny manampahefana. Maro amin'izy ireo no mitsipaka izany vesatra izany ary nilaza fa ny hany heloka vitan'izy ireo dia ny nanao fihetsiketsehana milamina hitakiana ny zony. Mitaraina noho ny fanavakavahana amin'ny mahamizolomana shiita azy ireo ny olom-pirenena ao Qatif, saingy lavin'ny governemanta ny fisian'izany fanavakavahana izany.

Hatramin'ny volana Marsa 2011, farafahakeliny 20 ny olona matin'ny vondro-kery mitam-piadiana tany amin'ny faritany atsinanana ary 850 ny olona nosamborina. Manodidina ny 190 eo ho eo kosa no mbola migadra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.