Nanangana ny Sendikàny Voalohany Ny Mpanarato Mpifindra Monina Ao Taiwan

Nanangana ny sendikan'ny mpifindramonina voalohany ireo Filipina mpanjono miisa 99 any Yilan,Taiwan, telo taona taorian'ny fanavaozan-dalàna mikasika ny sendikàn'ny mpiasa, manome alalana ny vahiny mpifindra monina hanangana sendika ho azy ireo manokana.

Ny 25 May 2013 no natsangana ny sendikà, saingy ny ampahany amin'ireo mpiasa ara-dalàna ao Taiwan fotsiny no voasolotena amin'izany – ankehitriny, izay efa mihoatra ny 6.000 [zh] ry zareo. Indoneziana ny ampahany maro amin'izy ireo, ary avy any Vietnam sy Filipina kosa ny ambiny. Tsy niditra sendikà ny ampahany maro amin'izy ireo ka araraotin'ny mpampiasa.

The meeting. Figure from the Coolloud report taken by Haochung (顥中).

Ny fivoriana. Saripika noraisin'i Haochung (顥中) avy amin'ny coolloud.org. CC: NC.

Nitatitra [zh] ny fanaovana tsy rariny mahazatra eo amin'ny asa ho an'ireo mpanjono nifindra monina ny fantsom-baovao tsy miankina ao Taiwan Pots.com:

Jose Toquero說,契約上寫8小時,但若漁船故障需等到隔天,往往從晚上11點開始連續工作14個小時,而遠洋一次出海就需三、四天的作業,也很難明確劃分工作與休息。「我們沒有真正的休假,雖然滿月時不會出海,一個月本來規定有五天休假,但如果還需要補網子、做其他的工作,常常整個月都沒有休假,而且能不能休假也要看雇主,有的雇主完全不讓你休息。」

Nanambara i Jose Toquero fa tokony ho adiny valo araka ny taratasim-pifanarahana ny ora fiasàna, raha misy olana ny sambo fanjonoana, dia mila miandry andro hafa indray izy ireo hahafahany miala amin'ny sambo. Miasa adin'ny 14 isan'andro ry zareo ary manomboka amin'ny 11 ora alina. Ankoatr'izay raha mandeha lavitra ny ambony sambo ka mandeha any amin'ny ranomasina lalina, dia maharitra telo hatramin'ny efatra andro eo ho eo ny dia. Sarotra ny mamaritra ny ora fiasàna sy ny ora fiatona amin'izany. Niteny i Jose: “Tsy manana fialan-tsasatra izahay ny tena marina, raha jerena ny taratasim-pifanarahana dia tsy mandeha manarato izahay rehefa diavolana ary tokony hanana andro tsy fiasana dimy ao anatin'ny iray volana. Na izany aza, raha tokony hanao asa hafa toy ny manamboatra ny harato (fitana) izahay dia tsy manana izay tena fialan-tsasatra akory. Miankina amin'ny mpampiasa ihany ny fananana andro tsy fiasana na tsia. Misy mpampiasa sasany tsy mamela anao haka fiatona kely.”

Rolando說,剛來台時曾經連續十八個月都只拿到8000元薪水,光仲介費就需扣掉一萬多。談話時,我注意到他眼睛裡有不尋常的泛紅血絲,一問之下,他才說那是因為工作內容不只漁船作業,全部的事情都必須做,他的眼睛就是因為被老闆叫去做焊接時,因為沒有足夠的安全措施而導致眼睛被火花噴濺受傷。

Milaza i Rolando (Mahinay) fa 8000 dolara Taiwan vaovao [266 dolara amerikana] ihany no azony ho karama isam-bolana nandritra ny 18 volana voalohany satria efa nesorina tamin'ny karamany avokoa ireo sara madinidinika, izay mihoatra ny 10 000 dolara Taiwan vaovao isam-bolana [333 dollars amerikana]. Rehefa niresaka taminy aho, dia tsikaritro fa nivoaramena ireo masony. Nolazainy fa antsoin'ny mpampiasa hanao ny asa rehetra ankoatra ny fanaratoana izy. Voa ny masony nandritra ny faninginana tsy misy fiarovana sahaza ho amin'izany.
The fishery boat. Figure from the Coolloud report taken by Haochung (顥中).

Sambom-panjonoana. Saripika noraisin'i Haochung (顥中), avy amin'ny Coolloud.org CC: NC.

Namelabelatra ny fijerin'ireto mpiasa vao niofana ireto, ny fampitam-baovao tsy miankina coolloud.org ao Taiwan:

工會監事會召集人何希(Jose Toquero)表示,來台前與雇主之約定通常也是每日工作8小時,但海上狀況多,幾乎不可能按時下班,不只是加班費該給而未給、工時過高是一大問題,未來希望能透過工會與雇主協調並解決。

Nitatitra i Jose Toqueron, mpandrindra ao amin'ny birao, fa te hifandinika amin'ireo mpampiasa amin'ny alalan'ny sendikà ny mpiasan'ny jono hamahana ny olan'ny fiasana maharitra sy ireo ora tambin-karama tsy mbola voaloa. Ny fifanarahana nosoniavin'ny mpampiasa azy ireo, talohan'ny nahatongavana ao Taiwan, fa tokony ho adiny valo ny ora fiasana. saingy, sarotra ho azy ireo ny hirava asa raha mbola misy olana ny sambo fanjonoana.

由於工會組織最早的人際網絡是菲律賓Ilonggo的在台同鄉會,所以目前加入工會的都是菲律賓籍,不過Jose強調,希望工會能持續擴大,未來能不只服務菲律賓人,要讓更多印尼漁工也一起加入…現場也有來自漁業興盛的高雄、屏東等地的移民團體前來「取經」,盼能讓移工組織工會的風氣持續擴散。

Noho ireto mpikambana ao amin'ny sendikà saiky avy amin'ny fikambanan'ny mpanjono Ilonggo (The Ilonggo Seafarers Organization) avokoa, dia avy any filipina ny ankamaroan'ny mpikambana. Nanindry ihany anefa i Jose fa te hanitatra ny haben'ity sendikà ity ry zareo. Rahatrizay, dia te hanampy na ny mpanjono Indoneziana na ny mpanjono Filipina izy ireo… Tonga nanotrona azy ireo mba handrato ny fomba fananganana sendika ihany koa ny fikambanan'ireo mpiasa mpifindra monina avy any Kaoksiung sy Pingtung, izay malaza ihany koa amin'ny indostrian'ny fanjonoana.
The fishermen. Figure from the Coolloud report taken by Haochung (顥中).

Ireo mpanarato. Saripika noraisin'i Haochung (顥中), Coolloud.org. CC: NC

Nanadihady [zh] an'i Lee-huan (李麗華), avy amin'ny  Fikambanana Mpanao Asa Soa Haoran, momba ny fahasarotan'ny fampivondronana ireo mpanjono mpifindramonina ao Taiwan ihany koa i Coolloud:

雖然《工會法》在2年前就修正開放外籍人士加入工會,但還欠缺許多配套,例如語言就是重要問題,多數移工不諳中文,就連要了解相關法令的內容都相當困難,此外,船上工作工時不固定、臨時狀況多,四散在不同船家的漁工們,要湊在一起開會,也實屬不易。

Na dia efa nolaniana roa taona lasa aza izay ny fanitsian-dalàna momba ny Sendika ary afa-manangana sendikà ho azy manokana ireo mpiasa mpifindramonina, dia tsy misy ny fepetra fanampiny hafa ampy. Ny fiteny, ohatra, dia efa olana lehibe. Tsy mahay fiteny shinoa ny ankabeazan'ireo mpiasa mpifindramonina, sarotra ho azy ireo noho izany ny hahafantatra ny antsipirihan'ilay lalàna. Ankoatra izay, tsy manana ora fiasana raikitra ny asa eny an-tsambo satria betsaka ny zavatra mety hitranga eny. Dia tena sarotra ny manomana fivoriana ho an'ny mpanjono rehetra miasa amin'ny sambo samihafa indray miaraka.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.