Rosia : Mampisara-kevitra Ny Mpiaro Ny Zon'Olombelona i Snowden

A mob of journalists descended on Sheremetyevo airport Friday for the Snowden press conference. YouTube screenshot.

Mpanao gazety nizotra ho any amin'ny seranam-piaramanidin'i Sheremetyevo hanatrika ny valan-dresak'i Snowden. Pikantsary YouTube, 15 Jolay 2013.

Rehefa tsy tazana tao amin'ny faritra fandalovana iraisampirenena (transit) tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Sheremetyevo, Moskoa efa ho iray volana izay ilay nifampiraharaha tamin'ny NSA teo aloha, Edward Snowden, dia nihaona tamin'ireo solontenan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Rosiana sy ny depiote Rosiana Vyacheslav Nikonov. Nandritra ny fisehoany ampahibemaso tamin'ny 12 jona, dia Snowden made nanao fanambarana fohy i Snowden ary nandray fanontaniana avy amin'ny mpanao gazety (feo manontolo azo raisina ato [en+ru]) tao amin'ilay lazaina hoe “fihaonan'ny G9.” Notsikerain'i Snowden ny fitsarana miafin'ny governemantany, ny rafi-panarahamaso ny zavatra rehetra, ary ny fanentanana diplomaka mikendry ny tsy hahafahany mahita fialokalofana ara-politika. Nolazainy ihany koa ny fikasany hialokaloka amin'ny firenena izay mahantoka ny ainy ary nisaorany ihany koa ireo firenena nilaza ny hanampy azy:

Even in the face of this historically disproportionate aggression, countries around the world have offered support and asylum. These nations, including Russia, Venezuela, Bolivia, Nicaragua, and Ecuador have my gratitude and respect for being the first to stand against human rights violations carried out by the powerful rather than the powerless. By refusing to compromise their principles in the face of intimidation, they have earned the respect of the world.

Eny fa na dia eo anatrehan'ity fidarohana tsy mifanentana manan-tantara ity aza, maro ireo firenena manerantany no te-hanohana sy hanome fialokalofana. Ireo firenena ireo izay ahitana an'i Rosia, Bolivia, Nikaragoà ary Ekoatera dia nahazo ny fankasitrahako sy ny fanajako noho ry zareo nijoro voalohany manohitra ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny matanjaka fa tsy ny malemy. Nahazo ny fanajan'izao tontolo izao izy ireo tamin'ny tsy fanekena hilefitra amin'ny fomba fisainany manoloana ny fandrahonana.

Raha manohana tsy an-kiteniteny ny zo hialofan'i Snowden ny governemanta rosiana, dia misara-kevitra amin'ny maha-mpanaitra azy na mpihatsaravelatsihy mpamadika kosa ny Rosiana. Vao maika namelona izany adihevitra izany indray ny valandresaka nataon'i Snowden ( ao amin'ny vsombiin-dahatsary etsy ambany).

http://www.youtube.com/watch?v=9RsZJSuhIts

Ao amin'ny lahatsoratra am-bilaogy [ru] ho an'ny fantso-pampielezam-peo tsy miankina Ekho Moskvy, ny mpanao gazety sady mpikatroky ny zon'olombelona Natalia Gulevskaya no mamantsipantsika ireo mpikatroky ny zon'olombelona nihaona tamin'i Snowden, ka nilazany ireo ho karamain'ny fanjakana sy tia tena mpihatsaravelatsihy:

Из собравшегося правозащитного бомонда штатных и внештатных агентов Кремля в транзитной зоне аэропорта Шереметьево никого особо не интересуют граждане России, которые погружаются в репрессии, судебные, административные и физические расправы.

Tsy misy amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona, mpiasan'i Kremlin amin'ny fomba ofisialy na tsia, izay nivory tao amin'ny faritry ny “transit” (fandalovana) no mba miaro ny olom-pirenen'i Rosia, izay latsaka ao amin'ny famoretana sy iharan'ny herisetra ara-pitsarana, fitondrana ary ara-nofo.

Mbola manaikitra kokoa ilay mpaneho hevitra ara-politika sady mpikatroky ny zon'olombelona Marina Litvinovich raha nanoratra tao amin'ny bilaoginy [ru] raha niteny fa tsy misy na inona na inona afa-tsy ny “fanaon'ny sampam-pitsikilovana mahazatra” ny valan-dresak'i Snowden ary “mandà ny handray anjara ao anatin'izany ny olona sy ny fikambanana tso-piaina.”

Miahiahy fatratra amin'ny fientanentanan'ny seranampiaramanidin'i Sheremetyevo amin'ny fanampiana ireo mpikatroka piaro ny zon'olombelona i Pavel Chikov, mpitarika ny ONG amin'ny fiarovana Agora [ru] sady mpikambana eo amin'ny Vaomiera prezidansialy misahana ny zon'olombelona. Hoy ny siokany [ru]:

Помнится, в декабре 2011 года аэропорт Шереметьево задерживал и незаконно (суд потом признал) изымал ноутбук у директора Ассоциации ГОЛОС

Tadidiko ny tamin'ny desambra 2011 [taorian'ny fifidianana Duma] nisambotra sy nitazona tsy ara-dalàna ny solosaina findain'ny talen'ny GOLOS [ru], vondrona mpanara-maso ny fifidianana] ny tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Sheremetyevo

Ny hevitra fa ny fiantranoan'i Snowden ao Rosia arahin'ny sampam-pitsikilovana maso akaiky nanamarika ny kabary no nahatonga ilay mpanao gazeety amin'ny radio, Nikita Batalov, nahatsikaritra [ru] varavarana iray mampiahiahy amin'ny lalatsaram-piondranan'i Sheremetyevo, nieritreritra avy hatrany izy fa tao no nitazonana an'i Snowden:

И теперь главное! На одной из маленьких дверей в терминале Е бумажка со скотчем с надписью “СПЕЦОБЪЕКТ ФСБ РОССИИ, ВХОД ЗАПРЕЩЕН”

Ary ity amin'izay ny vetin-kanina! Ny iray amin'ireo varavarana somary kelikely ao amin'ny lalatsaram-piondranana E [izay nanatontosan'i Snowden ny valan-dresany] dia nahitana taratasy napetaka scotch misy soratra hge “TOERANA SAROPADY FSB ROSIANA, TSY AZO IDIRANA”

Nieritreritra ilay bilaogera sy mpikatroka mpanohana ny ao Kremlin, Kristina Potupchik, fa tena misy fihatsarambelatsihy ao amin'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona tsy mety miaro an'i Snowden. Maneso an-tarehy ratsy i Potupchick ao amin'ny lahatsoratra am-bilaogy nampitondrainy ny lohateny hoe “Edward Snowden, Fa maninona no mangina ny mpanohitra” [ru],

Почему молчим? Почему не требуем от кровавого режима в срочном порядке без каких-либо условий предоставить убежище герою, рассказавшему миру правду о нарушении прав человека и подвергающемуся за это преследованиям на родине??? Это же ваша тема! А может быть, они молчат потому, что это СОЕДИНЕННЫЕ ШТАТЫ АМЕРИКИ? Или кто назовет иные причины?

Fa maninona ianareo no mangina? Fa maninona ianareo no tsy mitaky amin'ity fitondrana lian-drà ity ny hanome fialokalofana avy hatrany tsy misy fepetra ity maherifo ity, izay nilaza ny marina rehetra momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ary lasa enjehin'ny any an-tanindrazany amin'izao fotoana izao??? Nefa ilay manavanana anareo mihitsy io! Na angamba, mangina izy ireo satria ETAZONIAN'I AMERIKA [no manao ny fanenjehana]? Misy afa-milaza amiko izay antony hafa ve?

Maka ny andaniny misy an'i Snowden koa tamin'ity indray mitoraka ity ny bilaogera sasany izay mpitsikera ny fitondrana rosiana. Ny kaontim-panesoana ilay atidohan'i Rosia fahiny, Vladislav Surkov, ohatra nitsikera [ru] ny fitadiavan'ny Amerikana handrahondrahona:

Интересно, как США отреагируют на потенциальное выдвижение Сноудена в кандидаты на Нобелевскую Премию Мира?… Разбомбят Швецию?

Mieritreritra aho ny amin'izao hataon'i Etazonia amin'ny mety hanendrena an'i Snowden ho anisan'ny kandidàn'i Loka Nobel momba ny fandriampahalemana?… Hidaroka Baomba an'i Soeda?

Mieritreritra [ru] ihany koa ny mpanoratra sady bilaogera Boris Akunin fa raha marina ny zavatra navoakan'i Snowden, dia mendrika ny fanohanan'ny mpanohitra rosiana izy, tsy ijerena izay “fikofokofohana rehetra ataon'ny manampahefana aminy”

Efa mahazatra antsika ny mieritreritra, fa na dia tsy miala politika aza, dia matetika tsy miditra amin'ny raharaha maloton'ny antoko politika. Mety ho manana fifandraisana amin'ny fitondrana rosiana ny sasany manatrika ny valan-dresak'i Snowden, saingy misy ny hafa, tahaka an'i Tatiana Lokshina avy ao amin'ny Human Right's Watch, izay nanoratra tatitry [en] ny fihaonana, no tsy nitsahatra nitsikera ny fitondrana rosiana taloha. Mety hametraka ireo mpiaro ny zon'olombelona rosiana ho mpihatsaravelatsihy ny fandavana ankapobe avy amin'izy ireo hisolo vava an'i Snowden, eny fa na dia mety ho hitan-dry zareo ho mankaloiloy ihany aza ny hanampy olona iray mametraka an'i Rosia ho “voalohany manitsakitsaka ny zon'olombelona.” Noho ny lalàna manakenda ny sehatry ny ONG ao Rosia, tokony hanapa-kevitra amin'izay zava-dehibe kokoa ny mpiaro ny zon'olombelona ao aminy: manana fijoroana matotra eo amin'ny lohahevitra isan-karazany, na miezaka ny hisoroka ny tsy hahazoan'i Kremlin isa vitsivitsy eo amin'ny sehatry ny fifandraisana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.