Fandavana Tsy Hitondra Fanjakana Intsony: Taorian'i Pays-bàs Sy Belzika, Ho i Espaina Ve Ny Manaraka?

“Mivoana amin'ireo adidiko sy ny fomba fijeriko ny tena asa amin'ny maha-mpanjaka ahy raha toa aho ka mikiry ny mbola hifikitra eo amin'ny fitondrana, nefa tsy hahatanteraka araka ny tokony ho izy akory ny andraikitro.”

Ireo no teny [fr] nampiasain'i Albert II, Mpanjakan-dry zareo Belza, tamin'ny fanambaràny ny Talata 3 Jolay 2013 teo, mikasika ny fikasàny hiàla tsy hitondra intsony – tahaka izay nataon'ny Mpanjakavavin'i Pays-Bas Beatrix, ny volana Aprily lasa teo – ka niakàran'ny zanany lahy Philippe, izay 53 taona, vokatry ny taonany mandroso sy ny fahasalamany izay atahorana. Ny marina, handray 80 taona ny Mpanjakalahy Albert II amin'ny taona 2014, hoy izy tamin'ny kabariny [fr], taona iray “izay tsy noeritreretina velively ho tratran'ireo nialoha làlana azy teo am-panatanterahany ny asan-dry zareo”, ary nisedràny ireo fandidiana maro [fr], anisan'izany ny fandindiana ny fony  in'efatra miantoana ny volana Aprily 2000.

Alberto y Paola de Bélgica durante unas vacaciones. Foto del foro Cotilleando

Ny Mpanjakan'i Belzika, Albert sy Paola, mandritra ny fialan-tsasatra. Sary avy amin'ny forum Cotilleando

Saingy ny tena antony fantam-poko fanta-pirenena, dia ny fitondran'olon-tokana niharan'ireo tantara ratsy sy ny filàna fanovàna farana'izay haingana. Ny 17 Jona lasa teo, nangataka tamin'ny Fitsarana tao  Bruxelles fitiliana ny maha-rainy azy [es] i Delphine Boël, zanaka vavin'ny Mpanjakalahy Albert ivelan'ny fanambadiana, nampimpongatra indray ny raharaha izay nanehoan'ny fianakavian'ny mpanjaka belza toe-tsaina izay hitan'ny maro ho efa lany andro [fr]. Tsy hadinon'ny vahoaka Belza fa ny taona 2007, ny Printsy Lorenz, ilay zanaka faralahin'ny mpanjaka, dia voarohirohy tamin’ny raharaha fanodinkodinana ny toe-bolan'ny Tafika an-dranomasina [es], izay ny antsasany dia nividianana fanaka ho amin'ny tranony vaovao, na ny fitsangatsanganany tsy nahazoana alàlana tany amin'ny Repoblikan'i Congo [es], izay saika namoizany ny vatsy ofisialy natao ho azy.

Fa ny tete iray toa nampitobaka ny rano tao anaty vazy dia ny zava-doza farany teo mikasika ny hetra, naha-voarohirohy an'i Fabiola zaobaviny. Fabiola, teratany espanola, dia vady navelan'itompokolahy Baudouin I, Mpanjakalahy, rahalahin'i Albert izay nodimbiasany teo amin'ny fiandrianana, maty tampoka ny taona 1993. Nanao fanorenana azy manokana i Fabiola [es] nikendreny ny hoe rehefa tonga ny fahafatesany, dia tsy hiharan'ny lalànan'ny 70% mikasika ny fandovàna ireo mpandova azy. Raha ny fisehony dia tafiditra any amin'io fanorenana io ny vola nalaina tamin'ny fomba ofisialy avy amin'ny volam-bahoaka, izay nitarika ny gvernemanta Belza hampihena izay masom-bola izay.

A la izquierda, el príncipe Lorenzo de Bélgica con su hijo. A la derecha, la reina viuda Fabiola.

Eo ankavia, Lorenz Printsy Belza, sy ny zanany lahy. Eo ankavanana, Ny Mpanjakavavy mpitondra-tena Fabiola. Sary avy amin'ny bilaogy The Royalty Chronicles sy ny forum Noblesse et Royautés

Ny fitondram-panjaka belza dia iray amin'ireo teboka mampiray ao anatinà firenena iray azo lazaina ho vao haingana ihany (latsaky ny 200 taona), izay ny Flemish sy Walloon no vondrom-piarahamonina maro an'isa, mitombo mihanaka isan'andro isan'andro nohon'ny faniriana hizaka tenan'ireo Flamands [es]. Anatin'izay toe-javatra rehetra izany, nihamafy ireo ahiahy mikasika ny fahaiza-mitariky ny Printsy Philippe. Ny 28 septambra 2012, ny gazety Le Soir dia namoaka tafatafa niarahana tamin'i Martin Buxant [fr], mpanao gazety sady mpanoratra ny boky hoe “Belzika, Mpanjaka Iray Tsy Manana Firenena.” Rehefa nanontaniana ny Printsy Philippe hoe vonona ny ho mpanjaka ve izy, dia hoy izy namaly:

(…) la quarantaine de responsables politiques, économiques, culturels, diplomatiques que nous avions rencontrés  [ont] énormément de doutes quant à la capacité de Philippe à prendre la succession à court terme d’Albert. (…) Il faut être clair : non, il n’est pas prêt !

(…) ny efa-polo taona nandraisana andraikitra ara-politika, ara-toe-karena, ara-kolontsaina, ara-diplomatika izay natrehantsika [dia] feno ahiahy goavana mikasika ny fahafahan'i Philippe handimby an'i Albert ato anatin'ny fotoana fohy . (…) Tsy maintsy atao mazava: tsia, tsy vonona izy!

Na tahaka ny nolazain'i Everett Rummage tao amin'ny Twitter hoe:

Felipe y Matilde, futuros reyes de Bélgica, con su hija mayor Isabel. Foto del blog Royalty Online

Philippe sy Mathilde, ireo Mpanjakan'i Belzika amin'ny ho avy, miaraka amin'ny zanany vavimatoa Elisabeth. Sarin'ny bilaogy Royalty Online

@EverettRummage: Tsy nisy na iray aza amin'ireo olona fantatro ao Belzika ka nanana fihevitra tsara momba ny Mpanjakalahy, saingy misy marimaritra iray iraisana dia ny hoe vao maika donto be mbola adala lavitra aza ilay zanany lahy.

Avy any Frantsa, nizara ireo heviny ho amin'ny fanovàna i Marjorie [fr]:

@MarjorieMarje:

je comprends pas la Belgique, moi mon Roi on le décapite !

@MarjorieMarje: [fr]: Tsy azoko mihintsy ny ao Belzika, ny ahy tapahako ny lohan'ny mpanjakalahiko!

Tany Espana, ny fandavan'ireo mpanjakalahy roa tao Eoropa tsy hitondra intsony tato anatin'ny volana vitsivitsy dia nitarika fironana betsaka amin'ny fanaovana fanamby momba ny fialàn'ny mpanjaka Juan Carlos mba ho tombontsoan'ny zanany lahy Philippe.

Nanindry mafy ireo fitovian-javatra mibaribary tsy azo lavina i Adrián Vidales sy Otis B. Driftwood:

@AdriVidales: Parece que el rey de Bélgica va a abdicar por delitos fiscales de parientes y líos de faldas. Se me hace difícil no hacer comparaciones…

@AdriVidales [es]:Tahaka ny hiàla tsy hitondra intsony ny Mpanjakalahin'i Belzika noho ireo hadalàna ara-ketra nataon'ny havany sy ny “resaka vehivavy”. Sarotra ho ahy ny tsy hanao ireo fampitahana.

@obdriftwood: El rey abdica por un escándalo financiero y otro de adulterio. El de Bélgica, no salten antes de tiempo.

@obdriftwood [es]:Noho ny tantara ratsin'ny resa-pitantanam-bola sy fijangajangana dia hiala tsy hitondra intsony ny Mpanjakalahy. Ny mpanjakalahin'i Belzika, f'aza mbola mitsambikina.

Naka sary an-tsaina ny adihevitra ao amin'ny Lapan'i Zarzuela i Gerard Sygranyes hoe:

@GSugranyes:-Papá, papá, el rey de Bél…
-POR QUÉ NO TE CALLAS??

“El rei de Bèlgica abdicarà el 21 juliol”: http://ara.cat/_38923284 [cat]

@GSugranyes [es]: – Dada, dada, mpanjakan'i Bel…-NAHOANA NO TSY AKOMBONA ITY VAVA E??.

“Hiala tsy hitondra intsony ny Mpanjakalahin'i BelzIKa ny 21 Jolay”: http://ara.cat/_38923284 [cat]

Tsy nahatana hasosorana ireo hafa mpampiasa Twitter, toa an'i Morenatti:

@MiguelMorenatti: El rey de Bélgica abdicará hoy, mientras el rey de España sigue pensando que abdicar es una empresa de alquiler de coches.

@MiguelMorenatti [es]: The king of Belgium will abdicate today, while the king of Spain keeps on thinking that abdicate means an auto rental firm [note: abdicate in Spanish is abdicar]…… Hiala tsy hitondra ny Mpanjakalahin'i Belza androany, rahoviana ny mpanjakalahin'i Espana koa no hieritreritra hiala tahaka ny fanofàna fiara [naoty: fialàna tsy hitondra any Espana dia fialàna tsy hitondra fiara]

And on Albert Cuesta‘s tweet we can see some impacience shared by many Spaniards:….

Ary tao amin'ny tweet n'i Albert Cuesta, hita taratra ny fahamehana tsapan'ny vahoaka espaniola maro:

@albertcuesta: – El rey abdica en favor de su hijo Felipe
– ¡Ya era hora!
– No, el de aquí no. El de Bélgica
– Ah

@albertcuesta[es]: – Mamatra-pialàna ho an'ny tombontsoan'ny zanany lahy Philippe ny mpanjaka
– Fotoanany izao!
– Tsia, tsy ho an'ilay aty ka. Ilay iray any Belza
– Ah

Mino ny sasany fa mbola ho lavitra ny fiovàna, araka ny fanehoan-kevitra nataon'ny trilobites [es] tao amin'ny lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny El País [es]:

Las monarquías Europeas deben darse cuenta que tienen que dejar de parasitar de sus Estados. Abdicar y marcharse a esos paraísos fiscales que tanto visitan. Y no volver.

Tokony hahatsapa tena ny rafi-fanjakàna Eropeana fa tokony tsy hanao izay hankarary ny fanjakàny izy ireo. Mametra-pialàna ary mandeha mankany amin'ny paradisan'ny hetra izay efa notsidihiny imbetsaka loatra. Ary aza miverina intsony.

N'inona n'inona mitranga, tsy maintsy mifanaraka amin'ny mpitondra firenena vaovao ny vahoaka Belza, na dia tamin'ny tranga ratsy indrindra, dia nampiseho ny Belza fa mahay mampandeha hatrany ny raharaha[es] anatin'ny ady sarotra, izay hita taratra indrindra teo anelanelan'ny 2010 sy 2011, rehefa nandia 589 andro [es] tsy nisy governemanta ny firenena, izay fotoana lava indrindra fantatra teo amin'ny tantaran'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.