Fifidianana Ao Kambodza: Latsa-Bato Ao Amin'ny Facebook

Mampiasa Facebook am-pahavitrihana ireo mpiserasera Kambojiana mba hiresahana, hiadian-kevitra sy hizara vaovao momba ny fifidianana solombavambahoaka atao amin'ny 28 Jolay. Mandritra izany, mampitombo ny fisiany ao amin'ny tambajotra sosialy malaza koa ireo antoko politika mba hisarihana ireo tanora mpifidy.

Niaiky ny fahadisoany tamin'ny fanambarany vao haingana i Moses Ngeth, mpikatroka sady mpiaro ny zon'olombelona nilaza fa resaka fialam-boly ihany no mahavariana ireo mpisera Facebook Kambojiana:

Volana maro lasa izay, nanatontosa resadresaka taminà media aho izay nilazako fa mampiasa facebook hialàna voly sy ho amin'ny tombotsoany manokana fotsiny ihany no ataon'ireo tanora. Hatramin'ny niandohan'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena anefa, noporofoin'ireo tanora tao amin'ny Facebook fa diso hevitra aho; ENY, miaiky aho fa nanao fanehoan-kevitra diso. Nahita ny fitomboan'isan'ireo tanora mampiasa tambajotra sosialy ho amin'ny fanovana aho. Ho an'ireo tanora mahery fo miaro ny zony mba hifidy izay ho filohany, raiso ny fialan-tsiniko

Princess Norodom Arunrasmey, daughter of late king Norodom Sihanouk and head of the royalist party, cheers her supporters gathered at the Freedom Park in Phnom Penh. Photo by  Thomas Cristofoletti, Copyright @Demotix (7/3/2013)

Printsesy Norodom Arunrasmey, zanaka vavin'ny mpanjaka, Norodom Sihanouk izay efa odimandry ary filohan'ny antoko fitondran'andriana, miarahaba ireo mpanohana azy mivory ao amin'ny Kianjan'ny Fahalalahana ao Phnom Penh. Sary avy amin'i Thomas Cristofoletti, Copyright @Demotix (7/3/2013)

 

Niombon-kevitra tamin'i Moses i Rachna Im mpanao gazety ao amin'ny RFI amin'ny teny Khmer sy bilaogera vehivavy tanora tamin'ny valin-teniny tao amin'ny Facebook:

Fomba vaovao no nampiasàna ny Facebook. Vao haingana, nampiasain'ireo mpiserasera, indrindra ireo tanora ny media sosialy ho sehatra hanehoan'izy ireo hevitra ara-politika  […] Araka ny efa nomarihako, fomba tsara hampiasana media sosialy izany – mba hihainoana ny hevitry ny hafa sy hanehoana fa malalaka ny fitenenana ao Kambodza, na dia tsy malalaka tanteraka aza fa kely fotsiny.

Na dia izany aza, nampatsiahy ireo mpiserasera Kambojiana mandray anjara amin'ny adihevitra politika i Rachna mba hanaja ireo fijery sy hevitra samihafa:

Miafara amin'ny fitenenan-dratsy ny hafa anefa izany noho ny fananana hevitra mifanohitra […] Mihevitra izy ireo fa manana fahalalahana hanohana antoko – kanefa tsy manaja ny fahalalahan'ny hafa hanohana antoko hafa. Matetika tsy mino ireo zavatra alefa amin'ny Facebook aho hatramin'ny nahafantarako fa ny ratsan-tanana no nandefa izany fa tsy ny atidoha.

Nankasitraka ireo tanora tamin'ny fanehoan'izy ireo ny heviny i Rachna ary nanantena fa hanatsara ny fiarahamonina izany indrindra ny fahalalaham-pitenena ao Kambodza.

Nanomboka nitarika adihevitra politika i Chantra Be, mpandrindra ny tambajotra sosialy ao amin'ny Open Institute sy mpikarakara hetsika malaza BarCamp ao Kambodza izay fantatra amin'ny tsy fitiavana miresaka politika. Taminà resadresaka niarahana taminy, nanazava ny antony nitiavany resaka politka tampoka i Chantra:

Ho ahy manokana, tsy tia politika aho, ary tsy mirona aminà antoko. Tiako ny mijanona eo afovoany. Olom-pirenena manan-jo hifidy sy hizara ny hevitro aho. Namaky zavatra maro tao amin'ny Facebook aho izay nanohina ny foko ny momba ny toe-javatra eto Kambodza

Vao haingana, nanontany mikasika ny andraikitr'ireo mpanolotsaina 164 an'ny fitondrana i Chantra raha manoro hevitra tsara ny governemanta araka ny tokony izy ry zareo mikasika ny fahasalamana, fampianarana, ny fitsarana, ny fampiasambola ary ny fampiasana ny harena voajanahary.

Screen shot 2013-07-10 at 12.37.03 PM

Sovichet Tep, mpianatry lisea sy bilaogera tanora indrindra ao amin'ny firenena, nanamarika ny fivoaran'ny media sosialy ao amin'ny firenena ihany koa:

[…] ការចែករំលែកព័ត៌មានជាច្រើននៅលើបណ្ដាញសង្គម មិនមែនទើបតែកើតមានឡើងស្របពេលជិតបោះឆ្នោតឡើយ […] បើតាមខ្ញុំចាំគឺប្រហែលនៅពាក់កណ្ដាល ឬ ចុងឆ្នាំ២០១១ អ្នកប្រើប្រាស់បណ្ដាញសង្គមហ្វេសប៊ុកចាប់ផ្ដើមប្រែប្រួល ដោយផ្ដោតលើការចែករំលែកព័ត៌មាន ព្រោះព័ត៌មានមួយចំនួនពុំត្រូវបានចាក់ផ្សាយពេញលេញតាមបណ្ដាញផ្សព្វផ្សាយដូចជាទូរទស្សន៍ឬវិទ្យុឡើយ។

[…]Nanjary nanjaka sy nalaza ny fizaram-baovao, tsy tamin'ny fiandohan'ny fifidianana ihany […] Raha ny fitadidiko, efa nanomboka tany amin'ny tapaky ny taona 2011 izany raha nanomboka nizara vaovao tsy mivoaka amin'ny fampahalalam-baovaom-panjakana tahaka ny fahitalavitra sy ny onjam-peo ireo mpiserasera Facebook.

Na dia izany mbola tanora loatra i Sovichet ka mbola tsy afaka mifidy, mihevitra izy fa ny fizaram-baovao amin'ny alalan'ny aterineto no manampy azy handray fanapahan-kevitra amin'ny fifidianana hoavy:

ថ្វីបើខ្ញុំពុំទាន់គ្រប់អាយុបោះឆ្នោតក្ដី (តែនឹងចូលរួមក្នុងអាណត្តិក្រោយមិនឲ្យខាន) ក៏បណ្ដាញសង្គមលើអ៊ីនធឺណិតនោះ បានបង្ហាញឲ្យខ្ញុំយល់ជាក់ច្បាស់អំពីស្ថានការណ៍នាពេលបច្ចុប្បន្ន ដើម្បីត្រៀមខ្លួនដើម្បីជ្រើសរើសគណបក្សមួយដែលខ្ញុំគិត និងសង្ឃឹមថាធ្វើបានប្រសើរសម្រាប់ប្រទេសជាតិ។

Na dia mbola tanora loatra aza aho hifidy (saingy efa afaka mifidy amin'ny fifidianana manaraka), nampianatra ahy mazava momba ny toe-draharaha politika ankehitriny ny media sosialy ka afaka miomana tsara aho hifidy izay antoko fantatro sy antenaiko fa mety ho an'ny fiarahamonintsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.