Hoy Ejipta : “Tsy Fanonganam-panjakana io”

Ity lahatsoratra ity ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny Fanalan'ireo Ejiptiana an'i Morsi

Ny fitsabahan'i Etazonia amin'ny raharahan'ny Ejiptiana – sy ny resaka resahan'ny filazam-baovao anaty aterineto, indrindra ny CNN, mikasika ny fivoarana ara-politika ao Ejipta – no namaivay be ny alina lasa teo. Nahitàna fankalazana nanerana ny firenena ny fanalàna ilay filoham-pirenena Mohamed Morsi taorian'ny herintaona nitondràny, teo ihany koa ny andianà herisetra nifanaovan'ireo mpanohana sy mpanohitra an'i Morsi.

Raha toa ireo mpanohana an'i Morsi ka nilaza fa fanonganam-panjakana ara-miaramila ny fanalàna an'i Morsi teo amin'ny fitondrana, ny antoko  mpanohitra an'i Morsi kosa nanamafy fa sitrapon'ny vahoaka izany ka tanteraka, niaraka tamin'ny fanohanan'ny sampan'ny miaramila matanjaka izay nahatonga iny fanalàna ny filoha tamin'ny toerany iny ho tanteraka.

Maro ihany koa no tezitra tamin'ny fitsabahan'ny Etazonia amin'ny raharahan'nyi Ejiptiana. Nilaza izy ireo fa toy ny tsy nahafantatra ny fisian'ireo  vahoaka izay nidina an-dalàmbe nitaky ny fahafahana ilay “fanambarana feno fihatsiana” nataon'ny filohan'i Etazonia Barak Obama, fa kosa nanofahofa ny karatra fanampiana ho azy ireo. Toy izao ilay fanambaran'i Etazonia, nivoaka ny 03 Jolay :

Manaraka akaiky ny raharahan'i Ejipta i Etazonia, ary matoky fa ny Ejiptiana irery ihany no afaka manoritra ny hoavin'i Ejipta. Na dia izany aza anefa, manahy be ihany amin'ny fanapahan-kevitry ny Hery Miaramila Mitam-piadiana Ejiptiana izahay tamin'ny fanalàny ny Filoha Morsi sy tamin'ny nampiatoany ny lalam-panorenana Ejiptiana. Manao antso avo amin'ny Miaramila Ejiptiana aho ankehitriny mba hihetsika haingana ary amin'ny fihetsika feno fandraisana andraikitra hamerina ny fahefana feno amin'ny governemanta lany amin'ny fomba demokratika araka izay haingana indrindra amin'ny alalan'ny rafitra ifanekena sy mangarahara, ary koa hisoroka ny mety ho fisian'ny fisamborana tsy an-drariny ny Filoha Morsy sy ny mpanara-dia azy. Araky ny fivoaran'ny toe-draharaha ankehitriny, noresahiko ny ministera sy ny ny  departemanta voakasik'izany handinika ny lalàna Amerikana misahana ny fanampiana azonay atao ho an'ny Governemantan'i Ejipta.

Tohin'io fanehoan-kevitra io ihany, ny CNN, izay namoaka ilay fivoaran-daharaha, dia nanomboka ilay antsoin'ny maro hoe “Fanentanana ara-drariny hanohanana ilay Filoha nesorina avy amin'ny Firahalahiana Silamo sy ny maha-ara-drariny azy tamin'ny alalan'ny famaritana ilay hetsika nataon'ireo mpanohana azy ho “feno filaminana”, ary niantso ilay fitakian'ny vahoaka ho “fanonganam-panjakana”  tamin'ny fanamelohana ny fihetsiky ny miaramila ho mpanohitra ireo MB mpanao hetsi-panoherana  “am-pilaminana” :

@ :CNN nipoaka ny herisetra satria manameloka ilay fanonganam-panjakana ireo mpanohana an'i Morsy http://on.cnn.com/11nnpPL

The new logo of the CNN - Photo Posted by  ‏@aelsadek

Ny famantarana vaovao ny CNN – Sary nampakarin'i @aelsadek

Famantarana vaovao an'ny Sadek, ho an'ny CNN, ahitana ny teny filamatry ny Firahalahiana Silamo. Ilay soratra amin'ny teny Arabo no teny filamatr'izy ireo [ar] : Mandraisa Fiadiana ianareo.

Novalian'i Wael tamin'ny alalan'ny sary izay fanodinkodinana ny tena zava-nisy izay :

@Waelucination Hetsika feno filaminana ? Ajanony hatreo ny lainga  @CNN pic.twitter.com/y9AamNfKXF

The Muslim Brotherhood "peaceful" rallies. @Waelucination argues that the CNN is lying in its portrayal of the pro-Morsi protestors

Ilay hetsiky ny Firahalahiana Silamo “feno filaminana “. Nanamafy i @Waelucination fa mandainga ny CNN amin'ny filazany ny ataon'ireo mpanao hetsi-panoherana manohana an'i Morsy. Ity sary ity dia mampiseho olona anatin'ireo mpanao fihetsiketsehana mitondra basy

Momba ny tanjon'ny tambajotran'ny CNN raha nandefa ny sarin'ireo fifandonana notarihan'ireo mpanohana ny MB, dia manamafy toy izao i May Kamel :

@MayKamel Amin'izao fotoana anafihan'ny #MBareterrorists ny vahoaka ao #Tahrir miaraka amin'ny bala tena izy izao, hita ho tsy liana handefa izany mivantana ny CNN. #CNN_STOP_Lying_About_Egypt (#CNN_Ajanony_ny_lainga_momba_an'i_Ejipta)

Vao maika nohasarotin'ny valintenin'ny Fitondrana ao Etazonia sy ny filazam-baovao, nanomboka nampakatra ilay tenifototra #not_a_coup & #MindYourOwnBusinessUS tao amin'ny Twitter ny mponina anaty Aterneto.

not a coup

Hoy i Waleed :

@WilloEgy 33 tapitrisa ireo vahoaka nidina an-dalàmbe nitaky ny fialàn'i #Morsi kanefa mbola antsoinao hoe fanonganam-panjakana ihany ve izany ? Tena inianao disoina ny zava-misy an.

Raha nilaza i Ahmed Sabry fa :

@A_M_Sabry #tsy nifidy an'i #Obama velively hitondra an'i #Ejipta .. araka ny fiheverako #MindYourBusinessUS (#NyAferanareoAtrehanaRyEtazonia)

I Baheya kosa nanampy hoe :

@Baheyah : #EgyptianRevolutionNotMilitaryCoup ( revolisiona Ejiptiana fa tsy fanonganam-panjakana miaramila) efa te hanala an'i #morsi ny Ejiptiana tamin'ny fampiasan'izy ireo ny fitaovam-piadiany mahery vaika = ny FEONY

Tao amin'ilay lahatsoratra nosoratany, nampitondrainy ny lohateny hoe  30 Jona : The Real Deal,(Ny Tena Ady) nilaza i Yusra Badr fa nanakàna ny firenena Ejiptiana tsy hanao ny fankalazana izay efa nandrasany hatry ny ela ny taona iray nitondran'ny Firahalahiana Silamo ary nanova izany ho fisaonana. Hoy izy nanampy hoe :

Tsy mpanao politika mafana fo aho, tsy mpanangom-baovao sady tsy mpanao famakafakana matihanina, fa kosa iray amin'ireo Ejiptiana an-tapitrisany izay nitaky ny hialàn'i Morsy tao amin'ny lapam-panjakana. Izaho koa dia mbola iray amin'ireo Ejiptiana an-tapitrisany izay vaky fo nohon'ny tsy famelàna anay hankalaza ny fandresena azonay tamin'ny 30 Jona tamin'ny alalan'ny fanovàna ny marina sy ny fampisavorovoroana ny sain'izao tontolo izao hijery anay ambony ambany.

Hoy izy avy eo namintina hoe :

Koa dia toy izao ilay izy, raha atao amin'ny teny tsotra, angamba mety ho tsotra loatra mihitsy aza, satria amin'ny andro misasak'alina izaho io manoratra io ary tsy manondro na iza na iza mihitsy.  Nefa tsy ilaina ny fanondroana olona  amiko satria ny tenako mihitsy no niaina izany nandritry ny herintaona, koa dia midera ny zavatra nataontsika ny andron'ny 30 Jona sy ny fanohanana nataon'ireo miaramilantsika aho.

Izay ilay izy; ilay tena ady. Tsy fanonganam-panjakana io, fa izay no safidin'ny vahoaka niseho ho hita maso tamin'ny endrika tsy dia mahazatra

Ity lahatsoratra ity ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny Fanalan'ireo Ejiptiana an'i Morsi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.